Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka nandritra ny folo taona. Ny fifidianana, izay raisina ho toy ny fanaraha-maso voalohany ataon'ireo olona tarihany ho faneken'ny vahoaka ny drafitrasan'ny mpanjaka Maraokana iray, dia nampiseho, raha arak'i Ahmed Reda Benchemsi [Fr], talen'ireo orinasa roa mpamoaka ireo gazetiboky roa, “fa ny 91 isan-jaton'ny Maraokana izay nohadihadiana dia niteny fa nahomby na tena nahomby ny fitantanan'ny Mpanjaka Mohammed VI.” (Loharano: AFP). Na izany aza, ireo manam-pahefana Maraokana dia toa mikiry mafy ny mba hampiatoana ireo karazana fanaparitahana voka-pifidianana araka ny nazavain'ny mpitondra tenin'ny governemanta Khalid Nacir, izay nanambara fa “ny fitondràna any Maraoka dia tsy azo atao foto-dresakin'ny adi-hevitra na dia amin'ny alalan'ny fifidianana aza.”

Avy hatrany dia nihetsika haingana ireo mpitoraka blaogy kiritika Maraokana, ka ny ankabeazan'izy ireo dia tsy mankato ny zavatra nataon'ny governemanta.

9pctwittergroup

9pcmaroc2

- annouss: Ndao hatao ilay fihetsiketsehana 9% e!… Ovao ny sarin'ny mombamomba anao. Midira ao amin'ny 9%.

Ankehitriny, toa manangona fofonaina ny fihetsiketsehana mpanohitra izay tsy mitsahatra ny mitombo, izay mitondra ny sary famantarana “9% aho”, sary famantarana noforonin'i Anas Alaoui tamin'ny fijerena ny “ampahany kely” amin'ireo Maraokana izay, raha araka ilay fifidianana voarara, mitsipaka na mitsara ho ratsy ny folo taona voalohany nitondràn'i Mohammed VI. Misy pejy ‘hashtag’ ao amin'ny Twitter antsoina hoe #9pcMaroc izay noforonina malaky niaraka tamin'ireo mpitoraka blaogy kiritika izay mitondra ny mpamari-toetra “9% aho” ho famantarana ny fanoherany ny fanalàna ireo gazetiboky teny ambony talantalam-pivarotana. Ireo mpitoraka blaogy koa dia efa miketrika ny hanangànana vondrona Facebook iray antenaina hanapariaka ilay fihetsiketsehana.

I Am a 9%

9% aho

Mehdi, mpitoraka blaogy ao amin'ny Satwiker dia manome rohy mankany amina horonan-tsarina resadresaka niarahana tamin'i Benchemsi talen’ ireo gazetiboky , nivoaka tao amin'ilay fantsona fahitalavitra frantsay France 24, nanambaran'ilay mpanao gazety ny tsy fitoviany hevitra sy ny fanoherany ilay fampiatoana tamin'ny filazàana fa tsy nandika lalàna ireo gazetiboky ireo ary tsy nihoa-pefy.

Fatima (La Marocaine) mpitoraka blaogy ao amin'ny Agora dia manameloka [Fr] ilay fandraràna. Manoratra izy:

A l’air des nouvelles technologies, il faudra que nos dignitaires se rendent à l’évidence que ce genre d’action revient à chercher à cacher le soleil par la paume de la main. Sans oublier que l’info a déjà fait le tour du monde. Comme on dit chez nous » kaye fye9o l’7m9 bederribe l’7jerre» !!! Ce qui aurait pu passer pour une info banale devient une affaire.

Amin'izao fotoanan'ny teknolojia vaovao izao dia tokony manaiky ireo mpitondra antsika fa tahaka ny miezaka manakona masoandro amin'ny fela-tanana ny karazana fihetsika tahaka ireny. Tsy adino koa fa efa niparitaka manerana izao tontolo izao ireo vaovao […] Izay noraisina ho vaovao diso izao no lasa resa-be.

Mamarana i

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.