Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity herinandro ity, nanampy trotraka ny fitantarana ny fahatsiarovana ny tsingerintaona voalohany ny ady sady nampitodika ny saina hjery any aza.

Tsy niharihary ny fifandraisany tamin'ny adin'i Rosia sy Georgia tamin'ny voalohany. Tamin'ny 6 aogositra dia namoaka ity naoty (ENG) ity ny mpampiasa LJ mhwest tao amin'ny lj_maintenance vondrona LJ, milaza fa “tratran'ny fanafihana” ity sehatra famahanam-bolongana ity:

Tontolo mahasondrianan'ny DDoS

Araka izay efa fantatry ny sasany aminareo dia nisy nanafika an-tserasera ny LiveJournal nanaomboka androany maraina tamin'ny 6:00 maraina PST mandra-paha??? Efa nandray andraikitra izahay hahalefy ny DDoS saingy mety mbola tratran'ny olana eo amin'ny fiseraserana ny sasany. […]

Nihoatra ny 250 ny fanehoan-kevitra tamin'ity lahatsoratra ity fa azo nisaina tamin'ny rantsan-tanana ny nampifandray ny fahasimbana tamin'ny antony jeopolitika. Indreto ny ohatra:

lavvyan – Aog. 6:

Ho avy ny Rosiana!

Tsia, andraso aloha…

[…]

nysidra – Aog. 7:

Tadidiko fa nahita ityhevitra ity aho omaly.

Mba mampahafantatra anao fotsiny hoe marina ny anao. ^_^

Twitter's Meltdown: Blame the Russians (miampanga ny Rosiana ny siokan'i Meltdown)

Tamin'ny 7 Aog tokoa i Eternal Remont no nanatsonga fehezanteny avy tamin'ny BBC (ENG), hanazavana ny raharaha:

Omaly, raha latsaka avy an-danitra ny ra, nangotraka ny ranomasina ary nitresaka ny Tany fa tratran'ny Denial of Service (mandà tsy mety hiasa) ny Google, ny Twitter ary ny Facebook (“OMG, Tsy afa-nisioka (tweet) aho satria tsy nandeha ny Twitter!) efa nieritreritra ity mety ho nitranga ity aho: tafiditra amin'ity raharaha ity ve i Rosia?

Angamba. Ny fahatapahan'ny serasera ara-tsosialy rehetra nanerana ny tany dia nikendrena olona iray:

BBC: “Olona iray, mpamaham-bolongana manohana ny Georgiana antsoina hoe Cyxymu, no nokendrena ka nahatonga ny fanafihana voarindra nahazo ny Google, Facebook ary Twitter… mpamaham-bolongana mazoto io olona io ary nisy botnet iray ‘nitifitifitra’ hatrany ny pejiny ka nahatratra ny an'ireo mpampiasa hafa izany.” […]

Ary amin'izao ankatoky ny tsingerintaona voalohany ny ady izao, dia lasa nalaza ho azy ny mpampiasa LJ cyxymu – izay nalaina avy amin'ny fanonona Rosiana natao endri-tsoratra latina ny anarana Sukhumi, renivohitr'i Abkhazia.

Nitatitra [amin'ny teny rosiana] ny mpampiasa amin'ny endri-tsoratra Sirilika ao amin'ny LJ toa an'i – diana-ledi, taki-net, markgrigorian sy ny hafa tsy tambo isaina – fa tsy tsy mety mivoaka ny lahatsoratra rehefa mametraka ny anaram-bositra cyxymu ry zareo.

Na ny bolongana LJ fototra na ireo roa hafa fanao tahiry – cyxymu1 sy cyxymu2 – dia samy tsy mety mipoitra avokoa (nefa efa nadikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices dia i Lyndon ny sasany aminn'y lahatsorany toy ny tamin'ny Oktobra 2007 sy jolay 2008: Ady tao Abkhazia – Mahatsiaro i ‘Cyxymu’, sy Abkhazia, Georgia: “Tonga.”)

Manana Bolongana Blogger, Twitter, takelaka Facebook ho an'ny daholobe, ary vondrona Facebook manana mpikambana mihoatra ny 750, izay natsangan'olo-kafa hanohanana azy i Cyxymu.

Evgeny Morozov misahana ny politika ivelany ao amin'ny bolongana Net.Effect no manoratra (ENG) fa efa “nantsoina izy volana maromaro lasa izay hijery ny olana mahazo an'i CYXYMU, fa tsynahita na inona na inona izy.” Toy izao ny hevitr'i Evgeny tamin'ity fanafihana an-tserasera ity:

[…] Raha fehezina dia tanjona iray no kendren'ity fanafihana ankehitriny ity: Mampiseho ry zalahy be sandry an-tserasera tanjaky ny mpanenjika an'i CYXYMU tamin'ny (fanembatsembanana) ny vohikala malaza indrindra amin'ny aterineto. Aoka tsy ho diso hevitra: TSY natao hampangina azy na hanakanana azy hamoaka vaovao mety henelingelina an'i Kremlin ny nahazo an'i Twitter sy Facebook. […]

Raha mandinika tsara izay voasoratr'i CYXYMU ao amin'ny Twitter (amin'ny teny Rosiana ny ankamaroany), dia hahatsikaritra fa TSY ahitanao resaka na sompirana politika velively ao. Hatramin'ny desambra 2008 no nisiahany, 41 ny isam-baovao, ary tsy misy idiran'ny resaka politika ny maro amin'izy ireo (jereo ny sasany: “Tsara ny fahavaratra!”, “Mahafinaritra ny fiainana! nahatsiaro ny hatsikana rehetra mikasika ny rafozana aho”, “Oadray ireto mpiasa am-birao”).

Tsy misy zavatra tokony atahoran'i Kremlin mihitsy amin'izany rehetra izany. […] Famoaham-baovao goavana ihany koa ny bolongany: Mahatalanjona ny asa nataony hitazonany ny mpamaky azy aminn'y fitantarany izay mitranga any Abkhazia sy Georgia, faritra roa izay tsy manintona loatra ny media (eny fa na any Rosia aza). TSY tahaka an'i Anna Politkovskaia izy eo amin'ny totolom-bolongana; ny heviny sy ny lazany – fa tsy izay tantarainy – no nahatonga azy ho lasibatra lehibe.

Avy amin'izay no ieritreretako fa ny tanjon'ny mpanafika dia fampahamenarana fa tsy fanivanana (na izany aza tafiditra ihany ny resaka sivana). Ny tanjona faharoa dia ny hivoahan'ny lohateny lehibe, miharo hagagana, mikasika ny tanjak'i Rosia an-tserasera manerana ny tranonkala iray manontolo; tsy misy fomba tsara hafahafa kooka hanehoana izany afa-tsy ny tsy fampandehanana ny Twitter mandritra ny ora vitsy. […]

Ostap Karmodi no manoratra (RUS, rohin'ny mpampiasa LJ drugoi) fa tokony hieritreritra tsara ny “mpanafika” mialoha ny hanaovana zavatra tahaka ireny fa raha mba fantatr'izy ireny mialoha manko ny vokatry ny nataony:

Ny vokatry ny fanembatsembanana omaly dia lasa malaza manerantany i cyxymu, izay halan'ny jiolahy an-tserasera sasany koa. Nanoratra ny momba azy avokoa na ny Espaniola El Pais, ny Frantsay Liberation, ny Alemana Spiegel, ny Anglisy Guardian, ny Amerikana Washington Post, ary ny Japoney Yomiuri. Izany hoe ny gazety malaza manerantany. y sasany amin'izy ireo aza moa dia niresadresaka fohifohy tamin'i cyxymu. Manomboka izao raha vaky indray ny ady eo amin'i Rosia sy Georgia, dia ho fantatry ny gazety manerantany hoe amin'iza izy ireo no manatona.

Manomboka izao dia hahaliana an'izao tontolo izao ny hevitr'i cyxymu momba ny politika Rosiana – hahaliana mandrakariva izany hevitr'olona niteraka fahasimbana fidirana mpikambana [na fanisana] (compte) vohikalan'olona anjatony arivoarivo izany.

Afak'omaly dia tsy nihoatra ny iray alina no nahalala an'i cyxymu. Androany dia fantatry ny olona mahatratra – firy moa ny isan'ny mpanaraka ny media manerantany? 500 000 000? 1 000 000 000? Ary hirona hanakany aminy ny ankamaroan'izy ireo – tia mirona amin'ny iharan'ny fanenjehana manko ny olona. […]

Eto indray misy petra-kevitr'i Evgeny Morozov amin'izay mety nihavian'ny fanafihana:

[…] Iray amin'izay mahasarika ao amin'ny tontolon'ny virtoaly ny fampitiavana ny ady an-tserasera ary mahatafiditra an'i Rosia avokoa ny fanafihana an-tserasera rehetra faramparany teo; mety ho efa fomba fiasan'i Kremlin ny manapariaka na “crowdsource” ny fiarovany sy ny fanafihany amina vondrona nasionalista, tsy amin'ny sehatra an-tserasera irery ihany. Misy moa ny vaovao mitatitra fa hanangona tanora manana olana 100 000 ny Nashi, sampan'ny tanoran'i Kremlin hanofana azy ireo ho milisy mitam-piadiana hanara-maso ny arabe. Mety hisy dikany raha hametraka “vondrona an-tserasera” izy ireo, indrindra moa fa miha-mahazo vahana eo amin'ny fiainana andavanandro ao Rosia ny aterineto. […]

Ary mahatsapa ihany koa ny mpampiasa LJ olboeb fa, mety ho loharano iray ihany no nihavian'ny “fanapahan-kevitra farany teo hanangana ‘vondrona milisy’ an-dalambe eto Rosia” sy ny hevitra hanafihana ny bolongan'i cyxymu. Nosoratany fa (RUS):

[…] Nahoana no hampijaly tena ny fitondrana, miezaka ny hametraka lalàna manenjika ny aterineto, tahaka ny nataon'ny Kazakhs tsotrabe sy ny Lamaody shinoa taloha, raha efa misy andian-jatovo mihevi-tena ho tia tanindrazana eo am-pelantanana, vonona ny hamotika [izay rehetra ibaikoana azy (na tsy ibaikoana azy akory koa aza)]. […]

Nametraka lahatsoratra maneso fohy dia fohy somary miova fitàna kely ny mpampiasa LJ drugoi (RUS):

Fiangaviana

Kamarady [manamboninahitra], Nanoratra lahatsoratra momba ny The Beatles aho. Avelanareo hamoaka azy io ve aho? Tsy misy resaka momba an'i Georgia mihitsy ao. Mba afaka mamono dimy minitra monja ny milina fanaraha-maso ve ianareo aza fady?

(ato ny lahatsoratra momba an'i The Beatles (RUS) , fa eo ihany isika – fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-40 ny sarin'ny lalàna malaza Abbey Road izy io.)

Veronica Khokhlova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.