Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana

Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny.

Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny vondrom-piaraha-monina lehibe misy azy. Maro koa anefa ireo antoko tia tanindrazana tery saina miditra an-tsehatra manimba ny firaisan-kinan'i Azia Atsimo Atsinanana.

Angamba ny vohikala miteraka adihevitra indrindra any Indoshina amin'izao fotoana izao dia ny ilovethailand.org na tiako i thailand. Natsangan'ny praiminisitra Thailandey io vohikala io mba hampiakatra ny lazan'ny firenena. Ny tanjon'ny vohikala koa moa dia ny manambatra sy mampahazo hevitra ny Thailandey izay maro no tsy faly amin'ny fifandroritana ataon'ny vondrona politika ao aminy.

Hitan'i Chang Noi ho paika ataon'ny governemanta thailandey ho teknikam-pampielezan-kevitra ny vahoaka ihany anefa ity fanentanana ity:

Tsy fantatry [ny roa tonta] manentana akory ireo mety ho antony lalina mampisongadina ny fisaratsarahana. Tahaka izany ihany koa ny tsy fahafantarany izay mety ho fanefitr'ireo antony ireo. Tsy fantany ihany koa fa mety hirotsaka lalina amin'ny sehatra politika ny olona satria heveriny fa adidiny izany ary mitady ny tombotsoan'ny firenena izy ireo. Te-hanafina ny tena olana ho any ambany tsihy ny roa tonta nefa mety hiotrika ao ny olana ka ho masaka

Nahatonga savorovoro ihany koa ny vohikala satria notakiany ho “anisan'ny tanin'i Thailand very” ny sasany amin'ny sombitanin'i Kambôdza.

Efa ampolony taona maro moa no nifandiran'i Thailand sy Kambôdza ho tompon'ny tempoly fahagola Preah Vihear . Efa imbetsaka io ampahantany io no niteraka ady mangotraka teo amin'ny mpiaro sisintany roa tonta.

Naneho ny fahadisoam-panantenany ny mpamaham-bolongana maro raha nisafidy ny hampiray hina ny iray firenena ny fitondrana Thailandey higidragidra firenena hafa any amin'iny faritra iny. Heverin-dry zareo fa tsy tokony hiroso amin'izany fandikana diso ny fitiavan-tanindrazana izany ny mpiserasera.

Araka ny efa nampoizina dia nitsipaka ampahibemaso amin'ny fomba diplaomatika ny fananganana io vohikala io ny governemanta Kambôdziana. Niteraka fananganana vohikala pro-Kambodziana tokoa manko io: ilovekhmer.org na tiako ny khmer. Ny tanjon'io vohikala io dia ny hampisehoana ny heverina fa filazana diso hita ao amin'i ilovethailand.org.

Samy lasa vavahadin-tserasera malaza sy be mpamaky any amin'ny firenena misy azy avy na ny ilovethailand.org [tiako i thailand] na ny ilovekhmer.org [tiako ny khmer]. Raha heverina ho efa tsara ny nifindran'ny fifandirana sisintany ho any amin'ny kianjan'ny serasera dia mampalahelo kosa fa lasa mandranitra ny fifankahalan'ny andaniny sy ny ankilany kosa izany.

Nahita ny hery vaikan'ny fampiasana ny aterineto hampivondronana ny fireneny ihany koa ny praiminisitra Maleziana. Ankoatra ny famahanam-bolongana sy ny fisiahan-tserasera [tweeting] fanaony isan'andro dia nanangana ny 1Malaysia.com.my ihany koa ny praiminisitra Najib Abdul Razak hametrahana “sehatra ifanakalozana” eo amin'ny mpitondra sy ny vahoakany. “1Malaysia: Vahoaka aloha, asa vita (performance) izao” no tarigetran'ny praiminisitra.

Nanangana ny vohikalany ihany koa ny mpikatroka pro-demaokrasia any Malezia ka nametraka ny lohahevitra hoe “1BlackMalaysia: Demaokrasia aloha, fifidianana izao.” Mihevitra izy ireo fa nanimba ny fototra demaokratika any Malezia ny mpitondra vaovao. Vao tsy ela akory izay tamin'ity volana ity dia nanangana takelaka Facebook sy bolongana ity vondrona ity ary mandrisika ny Maleziana hamorona sy hisintona afisin-tserasera “Aiza ny demaokrasia?”.

Efa noporofoin'i Indonezia fa ahafaha-mampivondrona mpiserasera ny voina nihatra tamin'ny firenena. Ora vitsivitsy taorian'ny fanapoahana baomba nahafatesan'olona nahazo an'i Jakarta tamin'ny volana lasa teo iny , dia nifandefa sioka hoe “tsy matahotra izahay” ny mpisioka an-tserasera Indoneziana [twitterrers]. Nandritra ny andro maromaro dia ny #indonesiaunite no fangitra [hashtag] nironan'ny olona be indrindra tamin'ny Twitter. Maro ny mpampiasa ny Plurk sy ny Facebook no nanova ny sarintavany ho loko mena sy fotsy ahafantarana ny fanevan'i Indonezia. Hitan'ny mpamaham-bolongana ao an-toerana ny tombotsoan'ny fampiasana famahanam-bolongana fohy (sa hataontsika hoe siokam-bolongana?) ahafahana manao zavatra haingana. Nitanaka vava ny mpandinika nahita ny tanora Indoneziana tsy manao politika niaraka tamin'ireo liana politika samy nanameloka ny fampihorohoroana an'i Jakarta.

Nanangona ny fanampiana tamin'ny alalan'ny paypal ho an'ny tra-boinan'ny tondra-drano tany Mindanao ny mpampiasa plurk tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Nanampy ruban mavo tamin'ny sarintavany ho fahatsiarovana ny filoha teo aloha nodimandry tamin'ny faran'ny herinandro teo ny mpisioka an-tserasera (Twitter). Nahavory sonia sy mpanohana an'hetsiny, indrindra fa tao amin'ny Facebook ny fanangona-tsonia an-tserasera manohitra volavola hanitsiana ny Lalampanorenan'ny taona 1987.

Henjana ny fanentanana sy ezaka fanerena hampalalaka kokoa ny aterineto any Vietnam amin'izao fotoana izao. Tsy tambo isaina ny fanehoam-panohanana an-tserasera ny olomangan'ny fanoherana Aung San Suu Kyi avy any Myanmar. Mikofokofoka manao zavatra maro hahazoana fitia tsy mba hetra ho ana ekipam-panatanjahantena, sy tra-boinan'ny tondra-drano ary ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana isan-karazany ny mpamaham-bolongana any Brunei.

Lohahevitra malaza sy miteraka adihevitra be ny fitiavan-tanindrazana amin'ny aterineto. Mitozo sy mazoto hatrany ny mpanao politika sy ny antoko mpanohitra any Azia atsimo atsinanana hampiroboroboana ny fitiavan-tanindrazana. Misy ny lafy tsaran'izany firoboroboana an-tserasera izany hampandraisana anjara mavitrika ny olo-tsotra amin'ny resaka politika. Saingy ny lafy ratsiny kosa dia rehefa miteraka fifanilikilihana sy fankahalana vahiny ilay izy.

Manahirana ihany koa ny fampiasan'ny mpanao politika fampielezan-kevitra nasionalista azo iadian-kevitra ny serasera hanafenany ny zavatra tsy mety ataony. Na izany aza dia mitoetra ho fitaovana sy sehatra mahomby ho an'olona sy vondrona hiresahana lohahevitra matotra tahaka ny fitiavan-tanindrazana ny aterineto. Tsy tokony hanaiky fahatany ny sasany hanimba ny fampivelaran-tsaina ateraky ny fampiasana ny vohikala manerantany ny mpiserasera isam-paritra.

Mong Palatino

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.