Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia

Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 tamin'ny novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe “Ny Demokrasia dia...”   tamin'ny alalan'ny sarimiaina, ‘seho mivantana’ fohy na ‘fanadihadiana’ tsy lava mihoatra ny 3 minitra. Taorian'ny fifidianana,  18 no voafidy tonga tamin'ny famaranana ary nifidy 6 tamin'ireo ny olona , iray isaky ny faritra jeografika: Ilabolantany Andrefana, Eoropa, Afovoany Atsinanana/Afrika Avaratra, Afrika Atsimon'i Sahara, Azia Atsimo sy Afovoany, Azia Atsinanana/Pasifika.

Miseho ato anatin'ity horonantsary ity ilay mpahay toekarena  Hernando de Soto miarahaba an'ireo mpandresy ary misaotra an'ireo nandray anjara rehetra:

Ireo mpandresy dia:

Avy any Brezila, Anna Carolina dos Santos Israel, mpianatra maneho amintsika fa ny demokrasia dia izay rehetra manodidina ny marimaritra iraisana, na dia eo amin'ny faritra samihafa amin'ny vatana aza:

Avy any Emirat Arabo Mitambatra, Rodin Hamidi dia mpaka sary maneho amintsika fa ny fahazoana demokrasia dia mety ho dingana maro mila fisisihana mafy, satria mety tsy ho tian'ireo olona tena mila azy ny ezaka rehetra atao:

Avy any Nepal, Tsering Choden, olona manana ny toerany ao amin'ny fampielezampeo sy ny gazetyboky, dia mamaritra ny demokrasia ho fitambaran'olona maromaro izay manana olana sy filàna samihafa:

Avy any Poland, Lukasz Szozda, mpanao sariitatra dia maneho amintsika amin'ny alalan'ny sarimiaina fa ny Demokrasia dia mifono zavatra betsaka fa tsy foto-kevitra  iray monja:

Avy any Filipina, Melissa Angela Verzosa Peñafiel, mpanao sarimihetsika, dia mitondra amintsika fijery hafa momba ny Demokrasia miaraka amina fijerina poety: angamba ny demokrasia amin'ny maha-teny azy lasa diso ampiasaina loatra, dia very ny tena dikany.

Ary farany, avy any Zambia manana mpanao sarimihetsika iray isika, Chansa Tembo, izay manoritsoritra fohy ny demokrasia ho fifangaroan-javatra izay tsara lavitra noho ny fangaro tsirairay ao aminy.

Mirary ny vintana tsara indrindra ho an'ireo mpandresy rehetra izahay ary manantena hiaraka amin-dry zareo mandritra ny dian-dry zareo aty Etazonia amin'ny volana Oktobra ho avy izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.