Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa

Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Araka ny gazety Meksikana El Universal [es], ny  Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika.

Mba hisorohana ny haintany sy ireo olana hafa mafy kokoa, nandritra ny Herinandro Masina no nanapahana ny hetsika fandraràna voalohany, ary nahakasika olona 7 hetsy. Nampiasa ny rano fampiasa ho an’ny raharaha an-trano taterin’ireo fiarabe mpitatitra rano mandalo matetika isaky ny fokontany ireo olona mijaly noho ny fahatapahan-drano ireo, hoy ny blaogy Vivir México [es]. Tamin’ny Mey, efa nahatratra hatramin’ny 25%-n’ny rano no nahena nandritra ny faran’ny herinandro [es], ary hijanona amin’io mandra-pisian'ny fiovàna.
Na izany aza, raha amin’izao fiharatsian’ny toe-draharaha izao noho ny fahavakisan’ny fantson-drano tany amin’ny firenen’i Meksika [es] dia nahena 50% ny famatsian-drano tany amina faritra maromaro nandritra ny 48 ora tamin’ny faran’ny volana Mey.

Sary nalaina tao amin’ny Flickr-an’i Wonderlane ary ampiasaina eo abanin’ny Creative Commons license, ao amin’ny http://www.flickr.com/photos/wonderlane/3388022312/

Sary nalaina tao amin’ny Flickr-an’i Wonderlane ary ampiasàna ny Creative Commons license, ao amin’ny http://www.flickr.com/photos/wonderlane/3388022312/

Jessica Uribe, ao amin’ny blaogy Vivir México [es], dia manoratra momba ny tsy fahamatoran’ny fanapaha-kevitry ny governemanta manoloana ny olan’ny rano:

A pesar de todas estas afectaciones y de que es obvio que se necesita el gobierno federal no ha podido dar una respuesta al gobierno capitalino sobre la inversión que necesita el Sistema Cutzamala para ser rehabilitado y modernizado en su totalidad, esperemos que sea pronto cuando decidan el futuro del más importante sistema de abastecimiento de agua de la Ciudad de México, pues cada vez son más los problemas que tiene y más tiempo el que se tardan en solucionarlos.

Na dia efa hita izao aza ireo vokatra sy ny mampitombona ny hoe tsy nahavita namaly ireo Fiadidiana ny tanàna ny governemanta federaly momba ny fandraisana anjara ilaina mba hanamboarana tsara ny  Cutzamala System, ndeha hanantena ihany fa handray fanapahan-kevitra momba ny hoavin’ny fotodrafitrasa momba ny rano izay manan-danja tokoa ao an-tanànan’i Meksika izy ireo, satria miha-mitombo ihany ny olana ary ela izy ireny vao voavaha.

Lesley Tellez, mpanoratra ilay blaogy The Mija Chronicles dia mizara ny zava-niainany tamin’ny andro voalohany teo amin’ny fiainany tsy nisian’ny rano tamin’ny volana Aprily:

Ary androany, vao nifoha izahay dia nahita fa tsy nisy rano. Olana zakain’ny fokontaninay iray manontolo izany. Na dia tsy nitsahatra ny niezaka ho ilay vehivavy madio indrindra eto Meksika aza aho, nisasa tamin’ny fomba ntaolo  ihany anefa aho, nanafana rano teo am-patana aho ary nentiko tany amin’ny trano fidiovako tamin’ny kovetako lehibe indrindra. Tsy dia naninona ihany raha ny tena marina. Toa misy zavatra miteny amiko hoe tsy hahafinaritra toy izany ny rahampitso.

Na dia eo aza ny fahasahiranan’ireo mpifanolo-bodirindrina noho ny rano tsy misy, misy mieritreritra ireo olona fa tsy izany no vahaolana tsara indrindra. Ilay mpitoraka blaogy Daniel Hernández dia mitanisa ampahany amin’ireo tsy fitovian’ny tsy fahampian-drano, ao amin’ny blaoginy Intersections:

12 andro nisian’ny rano tapatapaka sy kely fandeha teo amin’ny fantsakana izao ho an’ny tsy haiko na olona firy na firy tapitrisa. Ary tsy fisian-drano — tsisy — ho an’ny tapitrisa maro fanampiny. Izay midika fa tsy mandeha ny kabone, tsy misy mandro, maina ny voninkazo. Tsy dia voakitika loatra ireo mpifanolobodirindrina sasany sy ireo fokontany voafantina (fantaro hoe iza avy), ary ny sasany kosa tena mizaka ny mafy (fantaro indray hoe iza).

(…) Fotoana fanaovana sorona matotra ho an’i [andriamanitra ‘prehispanic’] Tlaloc ve izao?

Ao amin’ny blaoginy manokana, maneho ny heviny i Jesús Chaírez momba ilay fifanoheran’ny tsy fahampian-drano sy ny fomba fanadiovana an-tanan-dehibe ataon’ny governemanta:

Avy eo, tahaka ny isa-maraina, nitazana teo am-baravarankely aho – tamim-pahagagàna kosa tamin’ity: na teo aza ireo adihevitra maro momba ny tsy fahampian-drano aty Meksika, nitazana teo am-baravarankely aho ary nahita andiam-pamafa làlana nanadio ny sisin-dàlana manodidina ny toeram-pitsangatsanganana tery ampitan’ny arabe Alameda Santa Maria la Ribera, tsy tamin’ny kofafa fa tamin’ny RANO! Mampiasa rano sarobidy ny governemantan’ny tanànan’i Meksika mba hanadiovany sisin-dàlana. Zavatra tsy misy fotony izany, nefa izany no Meksika.

Ao amin’ilay blaogy The Mex Files, miteny ireo mpanoratra fa ny firongatry ny  fihenan’ny famatsian-drano  any an-tanànan’i Meksika dia tokony ho raisina ho fampitandremana ho an’ireo tanàna mitombo malaky nefa tsy mijery akory ireo filàna fototra tena ilaina:

Mazava ho azy, “¡Como México no hay dos!” rehefa miresaka momba ny ‘fanamby ara-jeografika’ sy ‘ara-jeolojika’, sy ny fanerena eo amin’ny famatsian-drano ho an'ny tanàna iray izay nitombo haingana dia haingana nandritra ny 25 taona farany teo, ampiana an’izay noheverina ho fampiharana ny fahaiza-manao avo lenta nandritra ny 500 taona teo (fitarihan-drano avy amin'ny  reniranon’i Tezcoco), dia nahatonga ny fotodrafitrasa momba ny ranon’i Meksika halemy kokoa manoloana ny olana lehibe raha mihoatra amin’ny tanàna hafa.

(…)

Tokony ho antso famohazana mba hanombohana handalina ireo filàna fototra, nefa miheritreritra aho fa hifoha any Chicago na New York na London isika indray maraina, tohina, tohina satria nijanona tsy niasa intsony ireo fotodrafitrasan-TSIKA ary tsy ho fantatsika akory hoe inona no nahatonga izany. Tahaka ny fomba fitrangany any an-tanànan’i Meksika. Noho ny tsy fandalinana ny lalàna fototry ny fiainana.

Nanambara tao amin’ny gazety El Universal [es] ireo mpiasa ao amin’ny Comisión Nacional del Agua (Conagua, Komisionam-pirenena momba ny rano) fa tokony ho hiverina tsikelikely ny laoniny ny  Cutzamala System amin’ny fanamboarana ireo tohodrano maromaro izay nanomboka tamin’ny volana Aprily.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.