Korea Avaratra: Mpanao gazety Amerikana roa voasazy hiasa an-terivozona

Tsy dia mandrisika loatra ireo vaovao avy any Pyongyang. Taorian’ny niampangana azy ireo ho niditra an-tsokosoko tany Korea Avaratra, voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny 12 taona ireo mpanao gazety Amerikana Laura Ling sy Euna Lee (araka ny re tao amin’ny CNN). Namoaka fintina am-blaogy momba ity raharaha ity ho an’ny Global Voices i Jillian York talohan’ny namoahana ny sazin’ireo mpanao gazety.

Miteraka hetsika goavana avy amin’ireo mitolona ho an’ny fahafahan’ny fanaovan-gazety eto amin’ny aterineto io vaovao mampivalaketraka io ary takiany ny famotsoran’i Korea ireo mpanao gazety roa ireo.  Misy takelaka Facebook ho an’i Laura sy Euna efa manana mpikambana maherin’ny dimy arivo sahady. Androany dia niangavy ny vahoaka izy ireo mba hanaja ny fiainana manokan’ ny fianakaviana amin'izao fotoana izao ary mba tsy ho entanin'ny fihetseham-po  be loatra:

““Ho feno ny fonareo. Miangavy, ezaho fehezina ny hatezeranareo . Fandanian-kery ny hatezerana ary izay no tadiavin’ny Korea Avaratra aminareo. Afaka ary ho afaka hiasa hiaraka isika ary hampiasa ny fahaizantsika mba hivoahana amin’izao zava-misy izao.”

LiberateLaura, blaogy nosoratan’ilay mpanao gazety avy any Los Angeles Richard Horgan, dia manoritsoritra ny zava-mitranga any Korea Avaratra ho “mendrika an’i Shakespeare” ary manontany tena momba ny fanapahan-kevitry ny “Fanjakana Hermit  [mpitoka-monina]” hisambotra an’i Laura Ling sy Euna Lee:

“Indrisy, tao amin’ity fanjakana adala ity, efa manoloana ny faharavàna, no namaranan’ireo mpanao gazetin’ny Current Laura Ling sy Euna Lee ny dia. Tamin’ny Talata 17 Martsa, na noho ny tsy nahy, na noho ny fitaky ny Sinoa iray ‘mpitari-dàlana’ azy ireo, voavidy, nampangaina izy ireo ho nandika an-tsokosoko ny faritra tsy hita maso teo amina tetezana iray mampitohy an’i Sina amin’i Korea Avaratra. Nanaraka izany ireo fanadihadiana hentitra sy fanokana-monina roa volana sy tapany, ary ankehitriny, taorian’ny fitsarana fohy, sazy mafy asa an-terizvozona mandritra ny 12 taona noho ny fidirana an-tsokosoko tany an-toerana sy  ‘heloka goavana’ tsy voafaritra.

Ilaina ilay fampitoviana amin’i Shakespeare satria manampy antsika kely ihany  hanisy dikany an’ity valim-pitsarana saro-takarin’ny 8 Jona an’i Ling-Lee ity. Tena mampiasa ireo vehivavy Amerikana tsy manan-tsiny mihitsy i Kim Jong-il eo amin’ny olana ara-diplomatika, ara-nokleary, mba hampitony ireo  mahery loha ao amin'ny tafiky ny firenena fa hotazonin'ny mpandimby an’ i Kim Jong-un tsy hihetsika ny tafika.”

Ao amin’ny YouTube, mandefa horonan-tsary ireo mpanohana izay mitaky ny famotsorana tsy misy hatak’andro an’i Laura sy Euna. Misy koa horonantsary sy sarin’ireo mpitaky am-pilaminana [mpitily] any Korea Atsimo, San Fransisco ary koa any Etazonia.

Ity misy fanambarana am-pahibemaso avy ao amin’ny Pacific Rim Video sy Kelly Hu:

Raha miara-miaky ny famotsorana an’i Laura sy Euna ny vahoaka sy ireo fikambanana maro isan-karazany ho an’ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, ny sasany kosa dia manontany tena momba ireo fihetsiky ny departemantam-pitondràn’ny Etazonia sy ilay filoha lefitr'i Etazonia teo aloha Al Gore (nanorina sy filohan’ny Current TV, izay mpampiasa an’i Euna sy Laura) manoloana ny zava-misy.

Miteny i Donald Kirk ao amin’ny Asia Times:

“Tohina foana ireo Koreana Tavaratra isaky ny misy manam-boninahitra Amerikana mitsidika ny faritra, ary olana iray avy hatrany tamin’ny fitsarana ny fifanindriany amin’ny dian’ny delegasiona Amerikana notarihan’ny Minisitra lefitra misahana nyraharaham-bahiny James Steinberg nankany Korea Atsimo, Sina ary Japana.
Tsy niresaka am-pahibemaso momba ireo vehivavy roa i Steinberg nefa nanambara mazava tsara izy nandritra ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Korea Atsimo Lee Myung-bak sy ireo mamnampahefana ambony hafa fa tsy manan-kevitra ny hiady varotra momba izay mahazo azy ireo i Etazonia. Mety mba ho  nieritreritra azy ireo ihany  izy tamin’ny nanambarany tamin’i Lee fa tsy hanome fanampiana an’i Korea Avaratra intsony i Etazonia. “

Manohy amin’ny firesahana ny fandraisan’i Al Gore anjara amin’ny ady varotra izy:

“Fa maninona izany no avela ho andraikitry ny delegasiona manampahefana ambony Amerikana? Tonga ao an-tsaina  ilay hoe i Gore no olona afaka mamaha io olana io raha mijery ny toerana misy azy amin’ny fandrindrana ny tamba-jotra niasan’ireo vehivavy roa.
Toa nangina hafahafa izany i Gore momba an’iny, izay mahatonga hieritreritra  fa hoe  miandry ny ho tonga eo anoloan’ny Koreana Tavaratra izy hamonjena ireo vehivavy roa – fiafarana toa mampilendalenda nefa sarotra inoana.”

Mety tsara ho an’io iraka io i Gore. Ny fandraisany anjara dia mety hanome ny fanekena tadiavin’ny Korea Avaratra ho fanekena azy ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny firenena nokleary nefa tsy hitondraamin'ny faneken'i  Etazonia am-pahibemaso mihitsy.

Tsy ny rehetra no mandray ny fahanginan’i Gore ho maivana. Tsy nohamaivanin’i John in Condition Yellow ny tsy fahampian’ny fandraisan’i Gore anjara, tamin’ny fitenenana fa:

Tsy mihevitra aho fa hamela ny asany fotsiny amin'izao  Ingahy ‘Fihafanan’ny Tany’  ka hitety ranomasina ho any Korea Avaratra mba hiady varotra fotsiny amin’ny famotsorana ireo olona roa miasa ho azy. Mbola sahirana mamonjy ny planeta ilay nahazo ny lokan’ny Nobel ho an’ny fiadanana. Sa tsy izany? Fa hafiriana no ho laniny mba hamoahana teny kely toy ny hoe, “Eh, Kim Jomg Il! Avelao ny oloko handeha, raha tsy izany dia hotsoahinay lavitra anao ny ‘carbon credits’ -nao.”

Nefa am-pahamatorana, Izaho irery ve no mieritreritra fa na dia fanambarana am-pahibemaso tsotra avy amin’Atoa Pulitzer aza, hanamelohana ilay fitsarana, dia efa  zavatra tso-po kely indrindra tokony hatao ho an’ny olona izay miasa ao aminy?

Hmmm. Eny ary, mety ho i Bill Richardson no hahomby kokoa .

Fa misy zavatra iray tena azo antoka, araka ny lazain'i Jo ao amin'ny blaogy Jo's Department – maniry ny fiverenan’ireo mpanao gazety am-pilaminana ny rehetra:

Manantena aho fa tsy hiaritra ny haratsian’ny rafi-pigadràna any Pyongyang (araka ny voasoritsoritr’ireo afaka tamin'izany) izy ireo ka ho afaka hiverina am-pilaminana sy hihaona amin’ny fianakaviany tsy ho ela ireo mpanao gazety roa ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.