Indonésie: fitaovam-piadiana mihasimba

Elikopteran'ny tafika indoneziana anankiray indray no nianjera ny alatsinainy lasa teo tany Cianjur, any andrefan'i Java, ka miteraka fanahiana eo amin'ny vahoaka indoneziana manoloana ny fiarovan-tenan'i Indonésie amin'ny lafiny fitaovam-piadiana (Alutsista).

Ny volana lasa teo dia niaiky ny filoha Susilo Bambang Yuhoyono (SBY) fa nehana ny toe-bola hamatsiana fitaovam-piadiana hiarovan-tena. Nilaza kosa anefa izy fa tsy nokitihan'ny governemanta ny vola natokana hokojakojana izany fitaovam-piadiana izany.

Amin'izao fotoana izao dia manana disadisa amin'ny mpiray vodirindrina aminy i Indonésie dia i Malaisie izany noho i Ambalat. Samy mitonona ho tompon'ity fari-dranomasina manan-karena solintany ao amin'ny faritry Célèbes ity avokoa ny roa tonta, faritra tafiditra ao amin'ny firenen'i Malaisie ao Sabah.

Na dia eo aza ny fifanarahan'ny roa tonta fa hampitsahatra ny fampisehoana hery dia mahatsapa kosa ny rehetra fa saro-pady ho an'ny fiarovana ny fiandrianan'i Indonésie ny fotoana iainana.

Mametram-panontaniana momba ny hatsaran'ny tafika indoneziana ny biloagy Pemuda Indonésie Baru:

 

Kembali Pesawat TNI jatuh padahal belum lama tragedi Hercules berlalu. Pesawat jenis Helicopter Bolco milik TNI angkatan Darat (AD) ini yang membawa 3 penumpang dan 2 kru. Pesawat ini dikabarkan jatuh di desa Pagelaran, Cianjur Selatan, Jawa Barat.

[…]

Kejadian naas ini membuat kita bertanya-tanya, Sekuat apakah TNI kita? Pertanyaan ini timbul dikarenakan saat ini bangsa kita dihadapkan pada situasi yang sangat penting untuk membuktikan bahwa TNI kita Kuat. Dimana Negara tetangga kita saat ini sedang asyik-asyiknya memamerkan kekuatan (Show Force) tentaranya di Ambalat.

[…]

Menurut salah seorang Anggota DPR, bahwa kekauatan TNI saat ini masih diatas Tentara diraja Malaysia, Tolak ukur dari pernyatan beliau adalah kuantitas, dimana Jumlah personel dan peralatan TNI masih lebih banyak bila dibandingkan dengan Tentara Diraja Malaysia. Tapi bagaimana dengan kualitas?

 

Jatuhnya pesawat milik TNI yang terjadi beberapa kali belakangan ini dapat dijadikan sebagai indikasi bahwa kualitas Tentara Nasional Indonesia (TNI) perlu dipertanyakan. Benar memang dari jumlah kita menang tapi dari kualitas sangat diragukan.

Nianjera indray ny fiaramanidin'ny tafika, nefa vao tsy ela akory izay no niharan-doza ny Hercules. Eloikoptera Bolco an'ny tafika indoneziana, nitondra sivily 3 sy miaramila 2. Nianjera tany amin'ny tanànan'i Pagelarana any Cianjur, andrefan'i Java izy ity. Io toe-javatra mampalahelo io no mahatonga antsika hanontany tena mikasika ny herin'ny tafintsika.

[…]

Mipetraka ny fanontaniana ao anatin'ny vanim-potoana saro-pady indrindra izay tokony hanehoan'ny tafika ny heriny. Maneho ny heriny am-pahavitrihana anefa ny tafiky ny firenena eo akaikintsika any Ambalat.

[…]

Araka ny voalazan'ny manam-pahefana iray dia matanjaka noho ny tafiky ny Maleziana ny tafika indoneziana, nefa araka ny isa ihany io tombatombany io, satria fantatra fa betsaka ny miaramilantsika no sady maro koa ireo fitaovam-piadiana raha ampitahaina ny an-dry zareo Maleziana. Kanefa inona moa izay isa?

Mampametram-panontaniana momba ny hatsaran'ny tafika ireo lozam-piaramanidina nisesisesy tato ho ato. Marina fa mandresy isika raha ny isa no jerena, nefa mampanahy kosa ny kalitao.

 

Nanoratra tao amin'ny Think and Think Act for National Defense i Dwi Eka, fotoana fohy taorian'ny loza nahazo ny Lockheed C-130 tany antsinanan'i Java ny volana lasa teo, izay nahitana mpandeha 101 sy miaramila maty. Nohamarininy fa lasa resabe teo an'ivon'ny governemanta ny fomba fiarovana ary hatramin'ny 2007 dia nihena foana ny vola natokana ho an'ny tafika izay nahatonga azy ireo hitaky hitazonana ny Alutsista.

 

TNI adalah ujung tombak pertahanan negara, dan pertahanan negara adalah penentu kedaulatan dan kelangsungan negara.

[…]

Boleh jadi, permasalahan alutsista bukan hanya karena terbatasnya anggaran melainkan serapannya yang juga rendah. Anggaran yang telah ditetapkan dalam APBN ketika dicairkan tidak tepat sasaran, atau mengalami kebocoran. Adanya sistem fee yang telah membudaya sangat mempengaruhi kualitas proyek. Sehingga tidak heran jika ada yang menginginkan audit ditubuh TNI. Ini tentunya didasari atas niat yang baik, bukan sama sekali untuk menggembosi TNI itu sendiri, melainkan sebaliknya, dengan sistem pengadaan & perawatan alutsista yang transparan & terukur, kita ingin agar TNI dapat menyerap anggarannya sebesar-besarnya untuk peningkatan kekuatan pertahanan. Audit dimaksudkan untuk melihat sejauh mana serapan anggaran itu berlangsung dan jika ada indikasi penyimpangan maka dapat segera dicari solusinya.

Selain itu, untuk meningkatkan serapan anggaran, masing-masing pihak secara jujur dan ikhlas harus menjunjung profesionalisme dengan mengedepankan aspek moralitas bahwa semata-mata kita berjuang untuk mempertahankan harkat dan martabat negara.

Berikutnya perlu dikaji ulang secara mendalam pula tentang bagaimana menata kembali sistem perekrutan, meningkatkan standar pendidikan prajurit dengan mengutamakan profesionalisme bukan pengharapan materi semata, dan mengisi kembali pos-pos yang selama ini terabaikan seperti memperkuat kembali wilayah perbatasan dan pemeliharaan aset negara serta kemampuan tempur personil TNI.

Upaya ini diharapkan dapat meningkatkan serapan anggaran yang terukur kinerjanya. Dengan demikian publik pun akan paham dan merelakan sebagian anggarannya dialihkan untuk sektor pertahanan.

Ny TNI  (Tafika Indoneziana) no andrin'ny fiarovan-tenam-panjakana ary ny fiarovan-tenam-panjakana no mamaritra ny fiandrianam-pirenena.

[…]

Azo heverina koa fa olan'ny Alutsista dia tsy vokatry ny fahakelezan'ny toe-bola fotsiny fa ao koa ny fahakelezan'ny vola nampiasaina avy amin'io toe-bola io. Tsy voafaritra mazava na misy fahaverezana ny fampiasana ny toe-bola voatokana, izay ao anatin'ny toe-bolam-panjakana. Misy akony eo amin'ny hatsaran'ny vinavina (fividianana) ny fanakaramana olona ivelany. tsy mahagaga raha toa ka tsy misy manara-maso ny ao anatin'ny tafika indoneziana. Mandeha ny fanaraha-maso, mazava ho azy, , fa hiheverana hanatsarana zavatra, fa tsy natao handemena ny TNI akory, ny mifanohitra amin'izay aza, amin'ny alalan'ny fanampiana eo amin'ny famatsiana sy ny fikojakojana mazava sy voamarina, dia manantena ny rehetra fa hiakatra ny fomba fampiasan'ny tafika ny vola natokana ho azy hahafahana mitady vahaolana raha sanatria ka misy tsy fetezana eo amin'ny lafiny toe-bola .

Ambonin'izany raha te hampiakatra ny toe-bola isika dia tokony ho marina ny tsirairay, tokony ho tsotra, manam-pahaizana ary mametraka foto-pisainana tsara satria voninahim-pirenena no arovantsika.

Dingana manaraka koa ny fijerena ny fomba fandraisana miaramila, amin'ny fanatsarana ny sandan'ny fanabeazana noratovin'izy ireo ary tsindrina tsara ny fahaiza-manao ambonin'ny fitaovana hampiasana, jerena tsara ny toerana banga, tahaka ny nanamafisana ny herin'ny miaramila any amin'ny sisin-tany sy ny fiarovana ny herm-bakoka dia hatao toy izany koa ny fahaiza-miadin'ny miaramila ao amin'ny TNI.

Ireo ezaka rehetra ireo dia afaka hanatsarana na dia kely fotsiny aza ny fandaniana ny toe-bolan'ny tafika. Amin'izay dia ho azon'ny vahoaka tsara ka hanaiky ny hampiakarana ny toe-bolan'ny tafika izy ireo hiarovana ny firenena.

Naneho nyheviny tao amin'ny gazety any an-toerana iray ny vice-maréchal ao amin'ny tafika anabakabaka, Sagom Tamboe, nanambara izy fa ny firesahana am-pahibemaso ny fiarovam-pirenena dia miteraka loza ho an'ny firenena sy ny vahoaka.

Any Indonésie mantsy dia mbola mijanona ho tsiambaratelo ny vaovao rehetra mahakasika ny fiarovam-pirenena, na dia eo aza ny lalàm-panorenana.

 

Amin'ny volana jolay ho avy izao dia hifidy izay ho filoham-pireneny ny vahoaka indoneziana. Ho lasa lohalaharana eo amin'ny resaka rehetra hataon'ireo mpilatsaka ho fidiana 3 matanjaka indrindra any an-toerana ny momba ny Alutsista, ary milaza ny tsirairay fa hampiakatra ny toe-bolan'ny tafika raha voafidy eo.

Carolina Rumuat

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.