Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo

Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon,  izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny  fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana tsy miankina iray any Barselôna, avy amin'ny “loharano tena akaiky tokoa amin'ireo manodidina ny filoha”. Ny  AFP, etsy andanin'izay, dia  nitatitra loharanom-baovao iray avy amin'ny governemanta Frantsay. Saingy fotoana fohy taty aoriana dia niteny ny Praiminisitra  Jean Eyeghe Ndong araka ny Fahitalavitra Gabone fa hoe  “tena zendana tokoa” izy namaky ireo tatitra.

Omar Bongo

Vantany vao nampidirina tany amin'ny clinique Quirón any Barselôna i  Omar Bongo tany amin'ny fiandohan'ny volana Mey, fanamarihana iray napetrak'i Akin tao amin'ny  the African Loft no efa naminany ny fahafatesany lavitry ny vahoakany:

Ny tena zava-mahamenatra goavana indrindra tamin'ny fitondrany nandritry ny  42  taona dia i Gabon tsy mba nanana akory toeram-pitsaboana afaka hitsabo, na izy tenany, na ny vadiny.

Mba karazana fitondrana inona koa izany tsy afaka manome tombontsoa azo tsapain-tànana ho an'ny vahoakany izany, nefa ny mpitondra lasa mikopak'elatra mankany ivelany vantany vao misy olana ara-pahasalamana kely monja?

Io zava-mahamenatra io dia saiky ny mpitondra afrikana rehetra no tondroina ho mampihatra azy, tsy fahaizana manatsara foto-drafitrasa, ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fanomezana ainga vao.

Rahoviana isika rehetra no afaka hitaky fanazavana marina amin'ireo mpitondra rehetra nanao fitantanana tsy mahomby ?

[…] Ny lesona ara-moraly tsoahana amin'ity tantara ity dia tsy Afrikana mihitsy raha ny tranga misy no jerena, ny mpanjaka dia tsy mahazo miamboho ao an-dapany otronin'ireo vahoakany izay  “nanompo” azy fa any amin'ny efitranon'ny toeram-pitsaboana tsy hay faritana any, ary otronin'ny vahiny.

Ny mpanjaka iray nandika ny fitsipiky ny fahamarinana sy ny fandehanana amin'ny fahitsiana dia ho faty any an-tany lavitra any, ao anaty henatra ary hampakàran'ny maro sentom-pitoniana lalina  – Ipitsiho tany [‘ndeha mahazo any]! Ho azy rehetra mihitsy.

Rodrigue Kopgli mpitoraka blaogy Tôgôle, ao amin'ny Jeunesse Unie pour la Démocratie en Afrique [Fr], dia miantso an'i Bongo ho “iray amin'ireo voaybe sisa tavela tamin'ny  Françafrique“:

Ami de tous les gouvernements français depuis De Gaulle, Albert-Bernard Bongo devenu El Hadj Omar Bongo puis Ondimba (le peuple lui réclame du changement démocratique, il lui offre des changements de nom personnel), n’a jamais cessé d’être l’Agent des Services secrets français qu’il était à sa prise du pouvoir. Fort de sa longévité et de la fortune amassée au sommet du Gabon, Le Hadj s’octroie le luxe de financer des campagnes électorales en France notamment celle de François Mitterrand comme l’a écrit Pierre Péan dans « Affaires africaines ». Il laisse aussi un gigantesque parc mobilier et immobilier en France et des comptes bancaires secrets qui bien évidemment font et feront le bonheur des paradis fiscaux qui les hébergent. Le peuple gabonais pendant ce temps manque de tout. Avec un tel bilan, la terre ne lui sera pas légère du tout. Et les Africains qu’il prétendait cyniquement représenter ne se mettront pas en deuil, non plus.

Sakaizan'ireo governemanta nifandimby hatramin'ny andron'i De Gaulle, Albert-Bernard Bongo, izay niova ho  El Hadj Omar Bongo taty aoriana ary avy eo  Ondimba (nitaky  fiovana demokratika taminy ny vahoaka, ny fanovàny ny anarany manokana no natolony azy), dia tsy nitsahatra mihitsy nanohy ny maha-mpiasan'ny sampam-pitsikilovana frantsay azy hatramin'ny nahatongavany teo amin'ny fitondrana. Noho ny fahelàna velona sy ny harena nangonina nandritry ny fitondrana, ny Hadj dia afaka nidehaka nandray fanapahan-kevitra nanampy ara-bola ny fifidianana natao tany Frantsa, dia ny an'i  François Mitterrant manokana araka izay nanoratan'i Pierre Péan azy tao amin'ny “Raharaha Afrikana”. Namela fananam-be goavana  toy ny trano azy manokana any Frantsa koa izy sy kaontim-bola miafina izay hanjary fifalian'ireo paradisa ara-ketra izay mitazona azy ireny. Mandritra izany rehetra izany, ny vahoaka Gabône dia miaina tsy fahampiana lava izao. Miaraka amin'izany rehetra izany, tsy hisy hitomany azy mihitsy. Ary ireo Afrikana izay nolazainy fa nosoloiny tena koa tsy hisy hisaona  azy.

Amin'ny filazàna  ny zavatra efa nolalovan'i Tôgô, Kopgli dia miahiahy fa tsy hanova zavatra firy ny fahafatesan'i  Bongo:

La mort de Bongo n’apportera rien de salutaire au peuple gabonais, car les héritiers Ali et Pascaline Bongo sont déjà positionnés et portés par Bolloré – ami personnel de Sarkozy – et de Christophe de Margerie de TotalFinaElf et de bien d’autres vampires pour capter le pouvoir, comme ce fut le cas du Togo où les fils du défunt Gnassingbe ont été portés au pouvoir sous le double poids du viol et des violences.

Tsy hitondra tombontsoa na kely akory aza ho an'ny vahoaka Gabône ny fahafatesan'i Bongo, satria ireo mpandova, Ali sy Pascaline Bongo dia samy efa tsara petraka sy tohanan'i  Bolloré -namana akaikin'i Sarkozy- sy Christophe de Margerie avy amin'ny  TotalFinaElf ary ireo lian-drà [vampires] hafa mba haka ny fahefana, toy izay nitranga tany Tôgô raha nampakàrina teo amin'ny fitondrana ireo zanak'i  Gnassingbe tao anaty vesatry ny fanaovana an-keriny sy ny herisetra samihafa.

Théophile Kouamouo mpitoraka blaogy Ivoariana [Fr], izay miresaka koa an'i Tôgô, dia miresaka am-pahamalinana koa ny mety hitranga aorian'ny fahafatesan'i Bongo sady  manontany tena momba ny hoavin'ny  Françafrique:

Maintenant que le “patriarche” n'est plus, l'on entre dans l'ère des incertitudes et des questionnements. Le schéma constitutionnel – remise du pouvoir à la présidente du Sénat puis élections – sera-t-il respecté ? Va-t-on vers un schéma de bataille fratricide à la togolaise […]? L'armée gabonaise, totalement invisible, entrera-t-elle en scène ?

Puis profondément, quel est le bilan d'Omar Bongo Ondimba ? Après sa mort, la Françafrique, dont il était le pilier, s'affaiblira-t-elle ? Pour ma part, je pense que oui – mais peut-être que je m'avance trop. Ce système-là était trop centré sur un certain nombre d'hommes, de petits secrets, de règles de départ qui n'existent plus, pour perdurer éternellement.[…]

La Françafrique s'affaiblira, mais la démocratie avancera-t-elle ? L'Afrique se retrouvera bientôt face à son destin et aux contradictions de son Histoire. Personne ne l'aidera à en démêler les noeuds. Mais observons d'abord ce qui se passera dans les prochains jours au Gabon.

Amin'izao fotoana tsy maha eo intsony ny  “patriarka” izao, miditra aminà vaninandron'ny tsy fanànana fahatokisan-tena sy ny fametraham-panontaniana isika. Ho voahàja ve ny endrika manaraka ny Lalampanorenana – famindràna fahefana amin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona dia avy eo fifidianana-? Ho tonga amin'ny fifamonoan'ny mpirahalahy toy ny any Tôgô ve isika […]? Ny tafika  Gabône ve, izay tsy tàzana mihitsy, hirotsaka an-tsehatra ve?

Lalindalina kokoa noho izay, inona no azo amehezana ny zava-bitan'i Omar Bongo Odinma? Aorian'ny fahafatesany, hihena hery ve ny  Françafrique, izay izy no tena andriny? Amiko manokana, izay no hiseho – saingy mety ho lasa aloha ihany aho. Ity rafitra ity mantsy lasa mihodidina aminà olona vitsivitsy monja,  tsiambaratelo kely madinidinika, aminà fitsipika arahana raha hiala ny sehatra izay efa tsy misy intsony, ka hoe haharitra mandrakizay. […]

Hihena ny herin'ny Françafrique, nefa hatanjaka ve ny  demokrasia? Hiatrika samirery ny hoaviny i Afrika atsy ho atsy ary koa ireo fifanoherana misy ao amin'ny tantarany.  Tsy hisy olona hanampy azy hamaha ireo  fatotra. Saingy ‘ndeha aloha handrasantsika izay hiseho atsy Gabon ato anatin'ny andro vitsy ho avy.

Emmanuel Bellart avy any Cameroon [Fr] no naneho ny fahafaham-pony:

Dieu merci, car un autre est parti, l'afrique commence à respirer petit à petit, il ne fallait plus que ça pour que l'afrique puisse finalement ouvrir les yeux, monsieur omar bongo qui a mit 41 ans au pouvoir, ce qui est iraisonnable nous a montré combien ces vieux de la france voulaient vraiment detruire l'afrique, c'est claire que personne ne doit souhaiter la mort d'un être humain, mais d'un côté, c'est un soulagement pour le peuple gabonais, sauf qu'il y'avait une chose que monsieur bongo devait faire, c'est organiser le pouvoir et non de le preparer pour ses enfants […]

adieu le doyen, laissons le pouvoir au peuple et non à une personne, quand tu t'accapare du pouvoir , tu meurs et on t'oublit

Misaotra an'Andriamanitra, iraha hafa indray no lasa ary manomboka miaina tsikelikelyi Afrika. Izany no nokatsahantsika rehetra mba hahafahan'i Afrika manokatra ny masony amin'ny farany. Ingahy Omar Bongo nandany41 taona teo amin'ny fitondrana, izay tena tsy araka ny tokony ho izy mihitsy, nasehony antsika hoe hatraiza ny hetahetan'ireny oloben'ny frantsay ireny amin'ny famotehana an'i Afrika. Tsy dia azo eritreretina loatra ny hoe hisy olona haniry ny hahafatesan'olona iray hafa, saingy amin'ny lafiny iray dia rivo-baovao ho an'ny vahoaka  Gabône izy ity, ny fandrindràna ny fitondram-panjakana no zavatra tokony ho nataon'ingahy  Bongo fa tsy ny fanomanana izany holovain'ny taranany[…]

Veloma mandrakizay ry loholona [mpanao didy jadona], avelao ny fahefana ho an'ny vahoaka fa tsy ho an'olon-tokana, rehefa manao ampihi-mamba ny fahefana ianao ary maty dia ho adinonay.

Ao amin'ny vavahadim-baovao Gaboneco [Fr], mpamaky iray, Ogwer,  Gabône  no nametraka fanamarihana mangataka fifidianana demokratika:

Je suis un citoyen gabonais et j'exige des élections dans le strict respect de la constitution de La République!!!! et je dis non à ceux qui appelle la france à se mêler de la politique gabonaise notamment BEN MOUMBAMBA qu'on ne connait pas et qui pourrait être un pion de cette france! Les gabonais doivent s'unir et rester vigilants!

Teratany Gabône aho ary mitaky fifidianana manaraka tanteraka izay voalazan'ny lalampanorenan'ny Repoblika!!! ary tsia no havaliko an'ireo miantso an'i Frantsa hijabajabaka amin'ny  pôlitika Gabône, indrindra indrindra fa i  Ben Mouamba manokana izay tsy fantatray akory ary mety ho vatom-panoron'i Frantsa koa aza! Mila miray hina ny  Gabône ary tsy maintsy mailo fatratra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.