Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika

47 taona aty aoriana dia nanala ny fanilikilihana natao tamin'i Cuba ny Fikambanan'ny Firenena any Amerika, indrindra koa moa fa efa niara-niasa tamin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpikambana. I Etazonia, izay mbola manao fahirano ara-barotra amin'i Cuba hatramin'izao, irery no tsy tratra, satria nitaky fanovana demokratika sy fanajana ny zon'olombelona amin'i Cuba ny sekreteram-panjakana Hillary Clinton, mba hahazoany miditra ho mpikambana indray. Na dia eo aza izany dia nahazo tombony ny hevitr'ireo mpanao politika ambony amerikana izay nanatanteraka ny fivoriana an-tampony faha 5 natao tany Trinité et Tobago. Manomboka izao dia malalaka amin'ny fandraisany anjara ao amin'ny OEA i Cuba, na dia nanambara aza ny fitondrana any an-toerana fa tsy mahaliana azy izany fidirana ho mpikambana izany. Milaza ny heviny ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy…

Circles Robinson, nanoratra tao amin'ny Havana Times:

Nandao an'i San Pedro de Sula i Hillary Clinton ny talata teo ary nihazo an'i Ejipta, nanontany tena raha nahomby ny ezaka nataony ho fampandrosoana ny fitantanan'i Obama ny amin'ny fampihatoana an'i Cuba ao amin'ny OEA. Tsia no valiny!

Ny hafatra avy any Honduras dia nilaza fa tsy misy antony tokony hanilikilihana an'i Cuba, ary avela ny governemantan'i Raul Castro hanapan-kevitra malalaka na handray anjara izy na tsia ao anatin'ny fikambanana.

Ao amin'io lafiny io ihany dia nanavao indray ny fifanantonana ara-diplomatika tamin'i Cuba i Salvador ny alatsinainy lasa teo. I Etazonia irery no firenena tsy manana fifandraisana tsara amin'i Cuba manerana ny kaontinta.

Milaza ny vontoatin'ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin'ny OEA ny Cuban Triangle, raha toa ka lisitra ankapobeny fotsiny ny amin'ny hevitr'ireo firenena mpikambana no nolazain'ny Along the Malecon. Indro misy teny nampiasain'ny filohan'i Honduras, Manuel Zelaye: “Nifarana androany teto San Pedro Sula ny ady mangatsiaka. Manomboka vanim-potoana vaovao hanjakan'ny firahalahiana sy fifandeferana isika”, izay nahatonga ilay mpitoraka bilaogy hanao sangisangy hoe:

Raha misy vanim-potoana vaovao hanjakan'ny firahalahiana dia tsy resy lahatra aho hoe avy any Washington izany – na koa avy any atsimon'i Floride.

Hanamafisana ny ahiahiny dia nanao teny farany ny mpitoraka bilaogin'ny diaspora Uncommon Sense:

Nanome alàlana an'i Cuba handray anjara indray ny OEA… kanefa ireto Kiobana voasoratra anarana eto amin'ny ilany ankavanana ireto dia mbola any am-pigadrana daholo.

Nanao dingana lehibe ho an'ny demikrasia i Amerika Latina tato anatin'ny taona vitsivitsy izay. Firenena anankiray ihany, Cuba, no hany tokana mbola entin'ny mpanao didy jadona nanendry tena, kanefa taloha dia ny tahaka izany no nanara-dalàna tany amin'iny faritra iny. Fanampin'izany, nandritra ny fotoana naharitra nanjakan'i Castro dia nihantsy ireo mpifanolobodirindrina taminy izy.

Tahaka ny hoe mamadika ireo rehetra izay niezaka nampanjaka ny demokrasia tany amin'ny fireneny tsirairay avy ny fanapahan-kevitra hamerina an'i Cuba indray ao amin'ny OEA.

Betsaka ny fiovana (izay azo antoka ny ampahany) nitondran'izao tontolo izao an'i Cuba, ao anatin'izany koa i Etazonia. Na izany aza anefa raha tsy misy fiovana any Cuba, avy amin'i Cuba, dia hitongilana sy ho lavaka ihany izany ka ho maimbo.

Mety ho fanampiana tànana ihany no nentin'ny OEA: miankina amin'ny fanapahan-kevitry Cuba irery ny handray izany na tsia.

Janine Mendes-Franco

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.