Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy .

Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna azy  any  amin'ny  tobim-pahasalamana; Nanoratra momba ny fihaonany  tamin'ny  mpitsabo tao  amin'ny toeram-pitsaboana izy:

“يا مدام… دي نضافة عشانه”
آه… ده انت جاي لرزقك بقى، باعتبارنا في القرن الرابع للهجرة وما عندناش مية ولا صابون ولا “وِت وايبس” جونسون وجونسون

فكرت أن أشرح للطبيب الأنيق إنه في أغلب الظن حمار لا يقرأ ولا يعرف سوى ما قرأه في “كتيب الاستخدام”. فكرت أن أشرح له أيضا إنني لن أسمح لليهود أن يقرروا التقطيع من جسم رضيع أنا مسئولة عنه. إنما عدت وتذكرت: بالنظر لإنه حمار ولم يقرأ سوى كتيب الاستخدام ولا يعرف عن اليهود سوى إنهم أحفاد القردة والخنازير … إيه احتمالات إنه يفهم؟

Hoy ny mpitsabo: “Fepetra ho an'ny  fahadiovana ara-pahasalamana  ho azy  izy  io”

Hoy ny navaliny: “Eny e! .. satria ao anatin'ny taona faha 4-n'ny Hijri [fanisàn'andro Arabo] isika ary tsy mbola naheno mihitsy izany atao hoe savony, shampoing, ary ny lafika Johnson & Johnson natao ho an'ny zazakely?”

Nihevitra aho ny hanazava tamin'ilay mpitsabo,  izay angamba tsy mahafantatra firy ny momba ny tenan'olombelona ankoatr'izay nampianarina azy toy ireny anaty  boky “Ho an'ny mpampiasa [user manual]” ireny . Tao an-tsaiko ihany koa ny hiteny taminy fa tsy hamèla Jiosy mihitsy hanery ahy  hanapaka na dia singam-bolo iray amin'ny tenan-janako aho saingy niniako nohidiana ny molotro  – noho izy mety tsy mahafantatra zavatra firy momba ny Jiosy ankoatra izay rèny momba an-dry zareo hoe taranaka rajako sy kisoa… inona no mba vintana anànany hanakatra ny amin'izay tiako hambàra azy?

Avy eo nanopy maso an-janany izy no sady niteny  hoe:

لا أعرف النقطة التي خرج عندها الطبيب الأنيق تحديدا، كان الولد ملفوفا بعمر يوم واحد يكاد لا يلاحظ لو طويت عليه معطفي وهم يريدون أخذه ليوخزوه بالإبر ويقصوا من جسده المنهك بالمقص، ويعذبون أيامه الأولى بالبول الحمضي السائل على جرحه المفتوح. آه يا جزارين يا مجرمين يا جهلة. ما تخافش يا واد، ولا حد يقدر يلمسك وأنا موجودة، أمال إنت فاكر إيه؟ لما تكبر ابقى قطع في روحك زي ما أنت عايز، إنما لحد ما تكبر لك عندي أسلمك لنفسك صاغ سليم.
Tsy haiko hoe rahoviana ny mpitsabo no tena hamèla anay saingy inona no tena mba ao an'eritreritr'izy ireo rehefa te-haka ny zanakolahy izay vao iray andro monja ka hanindrona fanjaitra ity vatana keliny  mbola marefo sy hanàpaka ampahany aminy aminà hety mamanàla iray? Ireo mpanimbin-kena ireo dia te-hampangirifiry anao dieny aty amin'ny andro voalohany iainanao eto amin'ity tany ity ary hampangirifiry mafy anao rehefa injay mahakitika io fery misokatra io ny pipy [amany] .. Ireo  mpanimbin-kena vendrana ireo! Aza matahotra azy ireo izany zanako lahy malalako izany, tsy misy olona afaka hanainga ny tanany aminao raha mbola velona koa aho. Rehefa lehibe ianao dia azonao atao ny manapaka izay tianao tapàhana amin'ny tenanao … mandrapahatongan'izany tsy misy olona afaka hikitika anao.

Eo ampisainana ny zanany vao teraka, dia naniry izy hoe:

كنت أود أن أعده إن تلك هي المرة الأخيرة التي سيتهدده الجهل والقسوة فيها، ولكنني كنت أعلم إنها ليس كذلك، وإن هذه ليست سوى الموقعة الأولى … فحسب.
Tiako tokoa ny hampanantena anao hoe ity  no farany hikirakirana anao ao anaty tsy firaharahiana sy halozàna saingy, indrisy, fantatro loatra fa tsy izany no fizotry ny tantara …Vao ny dingana voalohany ity!

Emad ao amin'ny  Something for the Soul nanoratra hoe:

الحمد لله نجحت حملة أوقفوا ختان الأولاد … ليس فقط البنات و إنضمت إلينا الدكتوره سهام عبد السلام و هى باحثه و مؤلفة لاحد الكتب و فى السابق أجرى موقع العربيه معها لقاء و نشره تحت عنوان باحثة مصرية ترى ان ختان الذكور جزارة ارتبطت بالمجتمع الذكوري وان الاسلام لا علاقة له بالختان و عنوان فرعى الختان جزاره لا طهاره و فتحت علينا كنز من معلوماتها العليمة و عن طريقها إتصلت بنا منظمه أمريكيه إسمها نوسيرك تتخصص فى محاربة ختان الأولاد تلك العاده التى أخذت تقل فى الولايات لمتحده
Misaotra ny Tompo, ny  Fanentanana nataontsika tao amin'ny Facebook ho fanoherana ny famoràna ny zazalahy dia nahasarika ny sain'ny mpikambana marobe  tokoa. Dr. Seham Abdel Salam - mpikaroka iray sady mpanoratra – dia nanohana ny fitakiantsika tamin'ny filazàna fa ny famoràna zazalahy dia asan'ny mpanimbin-kena tsotra izao ary ny fototra nipoirany mivantana dia avy  amin'ny fiaraha-monina anjakan'ny lehilahy; tsy misy idiran'ny Silamo mihitsy ao anatin'izany fomba izany. Ny  NOCIRC ihany koa – fikambanana Amerikana iray miady amin'ny famoràna ny zazalahy – dia nila resaka tamintsika.

Ao amin'ny Facebook-ndry zareo, tonga dia nokianin-dry zareo  ka nanaovany hitsin-dàlana ny resaka maro mifandray amin'ny fanoherana izay anaovan'izy ireo fanentanana; fivavahana, Siansa, SIDA, ary ny fahadiovana.

Ny mpitoraka blaogy Ahmad Al Sabbagh indray dia leo amin'ny karazana fanentanana toy itony ka  nilaza fa:

ثم فجاءة وعلى حين غرة وفى غفلة من الزمن وقد توقفت الساعة عن الدوران وجدت من يعبث بذكورتى .. أسف لا أعنى هذا المعنى الأبيح الذى برز إلى مخيلتك .. لكننى وأثناء جولة فيسبوكية إعتدت أن اقوم بها كل عدة أيام .. فوجئت بأن هناك حملة كبرى تم تدشينها للدعوة إلى وقف ختان الذكور وفوراً !!

ليس هذا فقط بل إن الجروب مدعم بالصور والرسومات التوضيحية التى تبين فظاعة جريمة ختان الذكور !!

طبعاً .. لن أخوض فى تفاصيل أخرى لإننى لست بعالم دين .. لكن يكفى بأن أقول أنك إذا حدثت أول شيخ أو عالم دين تقابله فى طريقك عن وقف ختان الذكور فى مصر فانه بالتأكيد سوف يتخلى عن وقارة ولربما ينصحك بإعادة الختان ..

أرحمونا يرحمكم الله

ختان إيه اللى نوقفه للذكور ..

على أى نص دينى تستندون ؟
على أى قاعدة علمية تستندون ؟؟

أم أنكم تعاطفتم مع الرجل فأردتم مساواته بالمرأة التى مُنع ختانُها ؟

هل إنتهت قضايا حقوق الإنسان فى مصر ، وأصبح للعضو الذكرى الحق الوحيد فى المطالبة بوقف ختانه ؟

السادة والسيدات أعضاء المجلس القومى للمرأة والرجل والطفل وكل المجالس القومية لكافة الكائنات الحية ..

عشان خاطر النبى،

أرحمونا يرحمكم الله ..

Tampotampoka eo ary amin'ny fotoana toa mampilamina ny zavatra rehetra, tafajabaka taminà vondrona  Facebook iray tsy mankasitraka ny famoràna zazalahy aho! Nandefa sary vitsivitsy momba ny fizotry ny famoràna mihitsy ilay vondrona mba hanehoany  ny endrika habibiana ananan'ity fomba ity.  Mazava loatra fa tsy hiditra amin'ny antsipirihany aho satria izaho tsy olona mpivavaka saingy heveriko fa raha mihazakazaka manàkana olona mpivavaka eny an-dàlana eny ianao mba mangataka azy  hizara ny fomba fijeriny ny amin'ny fandraràna ny famoràna zazalahy, azoko antoka fa tsy hahafaly azy velively ianao ary tsy ho tompon'ny tenany izy hiteny aminao ny mba hampiasanao saina tsara!
Mamindra fo aminay! Avelao  izahay hilamina.. feno ny kapoakanay!

Fototra toy inona no anorenanareo ny fitakianareo? Ara-pivavahana sy ara-tsiantifika? Sa fialonana ny vehivavy dia nanapa-kevitra ianareo hitaky fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy nony injay hoe famoràna no resahana? Efa lany balan'ny fiarovana ny zon'olombelona ve isika eto Ejipta ka tsy hiresaka intsony afa-tsy iny lohan-javatra kely iny?

Mamindra fo aminay ..Mitalaho aminao aho!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.