Siria: Manomboka ny fanentanana hanao ankivy ireo orinasan-tserasera ary fangatahana sarany mirary

Image by donknuth

Sary nindramina tamin'i donknuth

Ao anatina tontolo iray efa tena misandrahaka be, mbola taraiky any aoriana any foana i Siria; nialoha kely ny taona 2000 dia niseho vahoaka ny aterineto ary ny taham-pitsofohana amin'izao fotoana dia manodidina ny 17%. Na izany aza anefa, ny maro amin'ireo mpampiasa ny aterineto dia mbola mitohy mizaka hatrany ny filonan'ny modem 56k noho ny fandrakofan'ny ‘haut-debit’ mbola tsy mahenika ny firenena manontolo. Tamin'ny 2001 ireo tamba-jotran'ny finday no nahazo ny fahazoan-dàlana hiasa tao Siria, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany, dia nampita ny akon'ny tsy fahafaham-pon'ireo mpanjifa ireo mpampita vaovao isan-karazany manoloana ny vidin'ny tolotra. Ny fahasahiranana sedrain'ny orinasan-tserasera Siriana dia tondroina ho avy amin'ny ankivy ampiharin'i Etazonia amin'ny firenena no antony betsaka ary koa ny kolikoly misy eny anivon'ireny orinasan-tserasera siriana ireny

Nanapa-kevitra ny mpitoraka blaogy fa leo ireo sarany ankehitriny sy ireo tolotra omen'ny mpandraharaha siriana –  Syriatel sy MTN Syria [ar] eo amin'ny sehatra fifandraisan-davitra izy ireo. Ny fitroatran'izy ireo dia nàka endrika fanaovana an-kivy ireo kaompania ny 01 jona, araka ny tatitry [ar] ny mpampita vaovao any an-toerana.

Ireo nanainga ity hetsika ity dia samy nandefa ity hafatra manaraka ity:

قاطعوا الموبايل في واحد حزيران 2009

ساهموا معنا في الحملة الوطنية للضغط على شركات الاتصالات لتخفيض الفواتير أسوةً بالبلدان المجاورة […] ساهم معنا وانشر الخبر ليصل إلى أكبر عدد ممكن

Fanaovana ankivy ny finday ny 01  Jona 2009
Mandraisa anjara miaraka aminay amin'ny fanentanana manerana ny firenena izay ataonay mba hanerena ireo orinasan-tserasera hampidina ny vidin'ny tolotra ataony hitovy tàntana amin'ireo izay ampiharina any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina […] Mandraisa anjara miaraka aminay ka aparitaho ny vaovao hipàka amin'ny olona maro araka izay tratra.

Anarchist Queer dia nitondra ny fanohanany tamin'ny filazàna fa [ar]:

بالنسبة لي فأنا أقاطع الشركات ليس فقط لأجورها العالية وإنّما أيضاً

لأساليب النصب والاحتيال التي يتبعونها مع زبائنهم, وكنت شاهدة على ذلك

خلال فترة تدريبي في شركة إم تي إن قبل أن أقدم استقالتي.

Ho ahy, manao ankivy ny kaompania aho, tsy noho ny saran'izy ireo lafo fotsiny, fa noho ireo tetika feno fitapitaka ataon'izy ireo amin'ny mpanjifany, [izay] izaho no vavolombelon'izany nandritra ny fianarana asa nataoko tao amin'ny MTN talohan'ny nametrahako fialana.

Ary ao amin'ny  Twitter i Salamm milaza hoe[ar]:

"I Like the Mobile Boycott campaign, and I'm spreading it around (offline) it would've been better if it were for more than one day.

“Tiako be ilay Fanentanana ho fanaovana ankivy ny Finday, ary dia naeliko tamin'ny manodidina ilay izy (ivelan'ny aterineto)  Tsara lavitra kokoa izy ity raha naharitra mihoatra ny andro iray.”

Aty am-parany, Somar avy amin'ny Syria Talk no nilaza ho valin'ny fanamarihana iray fa:

الموضوع الأهم أنو يحس الشباب أنو نحنا كلنا ايد وحدة..بغض النظر عن الدين والطوائف…لازم نجتمع لنغيير الوضع نحو الأفضل…طالما الأفضل هوي لنا جميعاً
Ny tena zava-dehibe, dia ny fahatsapan'ny tanora rehetra fa singa iray ihany isika rehetra, tsy ijerena finoana na vondrom-pinoana sekta, tsy maintsy mivondrona isika mba hanatsaràna ny toe-draharaha iainantsika… raha mbola natao ho antsika rehetra koa ny fandrosoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.