Fiji: Fanehoan-kevitra manoloana ny fisamborana ireo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy

Notaterina teto amin'ny Global Voices vao tsy ela akory izay fa notazonin'ny polisy ireo solosaina findain'ireo olona telo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Raw Fiji News manohitra ny governemanta.

Ireo mpanao lalàna telo, ankoatry ny maro hafa, dia notononina anarana vao haingana tao amin'ny vohikala Real Fiji News manohana ny governemanta. Rehefa nohamafisin'ny polisy ny fisamborana sy ny fitazonana ireo solosaina finday dia tsy nilaza mikasika ny fitazonana ireo olona telo ireo ny mpitondra teny. Navotsotra avokoa moa izy telo ireto kanefa tsy nisy resaka kosa ny mikasika ireo solosaina finday.

Kanefa raha hiverenana ny anton'ny fisamborana – na ny marina ny fitakiana mikasika ireo olona izay mamahana bilaogy ao amin'ny Raw Fiji ankehitriny – aleo hatombontsika amin'ny hoe nahoana no nanonona anarana ny Rean Fiji News.

Ao amin'ny fitakiana ilay mpanao lalàna Richard Naidu izay noheverina ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny sita manohitra ny governemanta, dia mamely ny bilaogin'ny Raw Fiji News ny Real Fiji News.

Mamotika fiainan'olona maro izy ireo, olona izay nantsoiny hoe “Coup Apologists”, mandainga amin'ny lafiny ekonomika, mandainga amin'ny fitantanana, mandainga amin'ny vola azo avy amin'ny makarakara, mandainga amin'i Foji, mandainga amomba ny miaramila, mandainga momba ny governemanta. Toa mora loatra ny miafina ao andamosin'ny sita mitoraka bilaogy ary mamafy lainga rehefa avy eo. Ity sita ity ihany no ahazoana mamantatra ny marina, ary noporofoanay matetika fa ny Raw Fiji News dia tsy mihevitra afa-tsy ny mandrangitra korontana sy herisetra eto amin'ny firenena ary manao izay hahatonga ny rehetra ho sodokan'ny hoe ara-dalàna.

Ny mpamaky iray antsoina hoe Boo Boo no nanoratra ao amin'ny Real Fiji News taorian'ny fanambarana ny fisamborana.

Izay zavatra neritreretin'izy ireo sy noheveriny ho mety dia nifototra tsy tany aminy fotsiny fa tamin'ny firenena manontolo mihitsy amin'ny lafiny maro. Voavakin'ny olona rehetra ny fanehoan-kevitra navoakany ary maro tamin'ireny mpamaky ireny anefa no nihevitra ny hitsidika an'i Fiji; fitsudihana izay nofoanana indray vokatry ny endrika ratsy mikasika ny firenena. Tsy ho avy aty amintsika intsony ireny mpitsidika ireny! Misaotra an'ireo olona ireo aho. Ny lavaka lalina efa misy eo amin'ny lafiny ekonomika, izay tsy inona fa ny fizahan-tany, no avelanareo ho lova. Mahakasika ny mpiasa marobe sy ny fianakaviany miasa amina trano fandraisam-bahiny marobe izany. Avelantsika eo ny olana mahazo ny lafiny ekonomika, fa ireny olona ireny no nanapotika an'i Fiji. Tsara be!

Nilaza ny Fiji Girl fa diso lalana ny governemanta raha nisambotra ireny olona ireny

Mihevitra ve ny fitondrana sy ny Real Fiji News fa i Richard Naidu, Jon Apted ary Tevita Fa dia mpamahana bilaogy? Aleo lazaina hoe olona tsy mahita ny ambany masony akory! Tokony ho fantatry Real Fiji News fa ny TENA mpitoraka bilaogy – tahaka anareo – dia tsy mpanatrika fihetsiketsehana sy mpanakorontana. Tahaka ny mpampirisika ao andamosin'ny Real Fiji News dia mpaneho hevitra izahay, mpandinika – mpitazana, raha tianareo – ary hatramin'ny nanjavonan'ny fahalalahana amin'ny filazam-baovao , dia lasa mpanao gazety koa. Ny olona tahaka an-dry Richard Naidu, Jon Apted, Tevita Fa, Dorsami Naidu, Shamima Ali ary Virisila Buardromo dia olona sahirana mafy amin'ny filazana ireo asa tsara sy ireo zavatra nataony manokana ary manoratra mikasika izany fa tsy mandany fotoana amin'ny fanalikana ny fitondrana tsy ara-dalàna. Tahaka ny ataonay mpitoraka bilaogy rehetra ihany. Manana zavatra tsaratsara kokoa handaniany ny androny izy ireo.
Izahay mpitoraka bilaogy dia manana adidy – ary heveriko fa zava-dehibe izany – dia mamoaka ny vaovao mahakasika ity fitondrana tsy ara-dalàna ity, manohana izany hevitray izany ary mamelona ny ady hevitra.
Tokony ho nisy tehamaina moramora nitefaka taorian'ny nisamborana ireto mpahay lalàna, notondrina ho mpitoraka bilaogy, raha fantatra fa tampoka teo dia nahoraka tamin'ny sita rehetra iny fisamborana iny.

 Milaza i TeeJay ao amin'ny Free Fiji fa manelingelina ny fitondrana ny fisian'ny mpitoraka bilaogy miresaka iny fisamborana iny.

Ny vaovao momba ny fitondrana tsy ara-dalàna nisambotra, avy eo namotsotra indray mpahay lalàna anakiroa nahiana ho tao andamosin'ny sita Raw Fiji News, no manambara fa misy fiantraikany ny fitorahana bilaogy.

Na nisy na tsy nisy fandraisana anjara nataon'i Richard Naidu sy Jon Apted dia tsy misy dikany izany satria TSY mahafoana ny mpitoraka bilaogy ny fitondrana tsy ara-dalàna.

Ho anareo rehetra nahatoky sy mahafinaritra ao Fiji ary mitoraka bilaogy any ivelany, hotahian'Andriamanitra anie ianareo noho ny ezaka ataonareo ho an'ny firenena. Tazony hatrany izany satria tena misy dikany!!! Na dia vitsy ihany aza ny olona mahita ireny bilaogy ireny dia ireo vitsy ireo no manaparitaka sy milaza ny vaovao hitany amin'ny olona marobe araka izay tratrany.

Na izany aza dia miaraka aminareo mandrakariva izahay aty ivelan'i Fiji, mahatsiaro anareo isan'andro; ao andamosinareo ary manatanteraka izay tokony hatao ary misy dikany na dia kely fotsiny aza izay.

 Mampanontany tena ny polisy ny Raw Fiji News raha ny olona tena tokony hosamborina no notazoniny.

Inona no fantatry ny polisy aty Fiji mikasika ny teknolojia? Rehefa milaza ny manam-pahaizana momba ny solosaina ao aminy fa misy manaloka indray ka tokony hosamborina ny mpitoraka bilaogy tahaka anay, dia heveriny fa ny fampiasana ny hazony no hamahana ny olana .
Fa ny olan'izy ireo mantsy dia ny tsy fahazoany manakana ny hevitray tsy hivoaka any ivelany ary ny famerana ny “tsy fahazoana miditra ny taninay”.
Azafady e, tsy i Richrd Naidu sy Jon Apted no tokony hosamborinareo! Aza mandany andro misambotra olona fahatany na manakatona trano fahazoana mijery internet… –  mbola hotohizanay foana ny famahanana bilaogy ary holazainay foana izay hitanay!

Avy any New Zeland dia nilaza ny mpitoraka bilaogy iray ao amin'ny bilaogy “The Way it is, Was and can be” manohana an'i Fiji fa mahazo manohy miserasera ny mpitoraka bilaogy araka ny tenin'ny governemanta .

Tokony ho hita sy hampiharina ny rariny. Manome hafatra diso ihany koa ny tsy misy na inona na inona, ary tsy misy tamberina mankany amin'ny governemanta, (tsy misy) ny fanoloran-tsaina sy torohevitra hahatrarana ny tanjona lavitr'ezaka. Tsy mahatsara fahasalamana sady mampatahotra ny mpanohitra ny eto Fiji amin'izao fotoana izao.

Michael Hartsell

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.