Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana

Image by Mr. Kris

hunger

Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana. Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo lahatsary mitondra anao hiresaka ny momba ny hanoanana omaly, ankehitriny ary amin'ny fotoana ho avy.

Ity lahatsary manaraka ity dia efa vonona ao amin'ny Culture Unplugged vohikla iray mampiroborobo ny lahatsarim-panadihadiana, fohy na sarimihetsika finday, ary manome loka amin'ny alalan'ny vola ireo izay tena malaza. Eo ho eo amin'ny 6 minitra eo ny faharetan'i Chicken A la Carte ary ny fisongadinan'ny an-tsary ao aminy no mahatonga azy mahahoatra ny fisakanan'ny tsy fifankahazoan-teny:

Maro tamintsika fahakely no nandre ny renintsika hanapitra ny sakafo eo ambiliantsika, sy hoe misy ny ankizy kepaky ny hanoanana any amin'ny faritra hafa eto ambonin'ny tany any: ny marina dia mety hoeo amin'ny manodidina antsika eo dia efa misy ankizy kere.

Ity lahatsary manaraka ity kosa indray izay notontosain'i CarolinaMed dia mampahatsiahy antsika ny tsy rariny amin'ny fanariana sakafo na fandanilaniana azy amin'ny tsy antony ary mametraka isa raha jerena ny lanin'ny firenena voalohany manerantany, sy ny isan'ny olona mety hahazo tombontsoa tamin'ny sakafo nariana.

Ary avy any Singapore, azahahasupernova no manontany: Inona no fialantsininao amin'ny fandanilaniam-poana ny sakafo, ary omeo ny antony mety hanimbàny ny tontolo iainana.

Tsy zava-baovao ny hanoanana any Philippines: Misy ny angano mifototra amin'ny fitadiavan-tsakafo hihinanana hialana amin'ny hanoanana: Tahaka izany ity lahatsary ahetsika fohy natao tamin'ny lokorano manaraka ity. Mitantara kely ny momba azy ity ny mpanetsika tokomokolika:

Ny tantaran'i Bontoc dia miresaka hazo iray mijoro eo ekani'ny ony Danum akaiky an'i Sagada. Ity dia angano mikasika vehivavy iray antsoina hoe Maeng, ary ny tena masaka ao an-dohany dia ny hamonjena ny fianakaviany hiala amin'ny hanoanana.

Tantara namboarina avy amin'ny angano Philippine nangonin'i Damiana Eugenio izy io. Ao amin'ny boky dia tsy manana anarana ny olona resahina ao fa ny anaran'ny tanàna niaviany dia hoe Maeng.

Ny sary hajia dia Give us This… by Mr. Kris

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.