Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana amin'ny filaminana sy ny fahaizan'ny mpitandro ny filaminana eto amin'ny firenena mitondra tena.

Niha-niroborobo ihany nandritra ny herinandro vitsivitsy izay ny sivana, tamin'ny fisamborana ny mpanangom-baovao Evariste Ramanatsoavina, nampidirina am-ponja tamin'ny 5 Mey, sy ny fandroahana an-d Ravoajanahary Johary, talen'ny Televiziona Malagasy tamin'ny 19 May. Nanao fihetsiketsehana ho amin'ny fahafaham-piteny moa ny mpanao gazety tamin'ny 15 mey, nitatitra ny Committee to Protect Journalists (CPJ) [komity fiarovana ny mpanao gazety] sy ny Reporters without Borders (RSF) [Mpitati-baovao tsy voafehin-tsisintany]

Nanazava i Mohamed Hassim Keita avy ao amin'ny CPJ :

The protestors were showing solidarity for Ramanatsoavina, a presenter held in Antananarivo's Antanimora Prison on charges of “incitement to rebellion” and “civil disobedience,” according to defense lawyer Fidele Rakotondrainibe. The journalist, who denies the charges, is expected to appear in court for sentencing on Wednesday.

Naneho firaisan-kina tamin-d Ramanantsoavina ny mpanao fihetsiketsehana, Ramanantsoavina izay mpanolo-baovao notazonina ao amin'ny fonjan'Antanimora Antananarivo ary ampangaina ho “mandrisika fikomiana” sy ny “tsy fankatoavam-bahoaka” araka ny nolazain'ny mpisolovavan'ny voampanga ny maître Fidele Rakotondrainibe, . Mitsipaka ny fiampangana azy ny mpanao gazety ary miandry ny didim-pitsarana amin'ny alarobia.

( lahatsary avy amin'i pakysse )

Nanome ny antsipiriam-baovaon'ny fisamborana an-d Ramanatsoavina ny Mpitati-baovao tsy voafehin-tsisintany (RSF) avy eo :

He was arrested at his home at 5 a.m. on 5 May by masked soldiers as his daughters looked on, and was taken to the National Mixed Committee for Investigations (CNME), which is located in the suburb of Ambohibao, in premises that used to be the headquarters of the former domestic intelligence service, the DGID [..] The decision to bring charges against Ramanantsoavina contradicted an initial statement by communication ministry secretary-general Charles-Aimé Randriamorasata that the authorities had arrested him simply to find out where Radio Mada was broadcasting from.

Nosamborin'ny miaramila misarontava tao an-tranony izy ny 5 mey tamin'ny 5 maraina araka ny nolazain'ny zanany vavy, ary dia nentina teny amin'ny Komity marolafy momba ny fanadihadiana (CNME), izay miorina eny Ambohibao foiben-toeran'ny sampam-pitsikilovana DGID tamin'ny androny[..] Nifanohitra tamin'izay nambaran'ny tale jeneralin'ny minisiteran'ny fifandraisana Charles-Aimé Randriamorasata tamin'ny voalohany izay lazaina fa fitadiavana ny misy ny fampielezam-peon'ny Radio Mada fotsiny ny fiampangana an-dRamanantsoavina.

Ny Famotsorana an-d Razily

Etsy andaniny kosa dia heniky ny vaovao tsara tamin'ny namotsorana an-d Razily ny tontolom-bolongana Malagasy. Ndimby ao amin'ny bolongana fijery no namelabelatra ny andraikitra goavana noraisin'ny mpamaham-bolongana tamin'ny fanerena ny fanjakana sy ny ventin'ny fanafahana azy eo imason'ny fiaraha-monina an-tserasera manaraka ny vaovao'ny krizy eto Madagasikara:

Devant la démission des médias traditionnels sur le sujet, et il faut bien le dire, de l’opinion publique nationale devenue par la force des choses blasée, ce sont les blogueurs qui ont mis la pression. Alors qu’on n’a jamais vu un article de la presse écrite malgache poser la question, les internautes malgaches se sont mobilisés aux quatre coins du monde. Des gens qui ne se connaissaient pas, qui ne se parlaient pas, qui ne connaissaient pas Razily, en ont fait le symbole de leur lutte pour la démocratie et les droits de l’homme. Rappelons que suite à la mobilisation de la société civile et des blogueurs, le haut-commissaire des Nations unies aux droits de l’homme a envoyé discrètement un émissaire discuter avec le pouvoir de transition. Ce diplomate a rencontré à plusieurs reprises le Colonel Rakotonandrasana, le chef des mutins devenu Ministre de la défense

Eo anoloan'ny fialana andraikitry ny fampahalalam-baovao mahazatra amin'ity raharaha (Razily) ity, ary tsy maintsy itrikitrihina izany, sy ny fahitana ny olona eto an-toerana ho leo ambony ihany, dia ny mapmaham-bolongana no niasa mafy. Ny mpiserasera malagasy manerana ny tany no nihetsiketsika raha tsy nandrenesam-peo mihitsy ny gazety an-tsoratra (an-taratasy). Olona tsy nifankahalala, tsy nifampiresaka, tsy nahalala akory an-dRazily no nandray azy ho olomangan'ny tolona hampanjakana ny demaokrasia sy ny zon'olombelona. Aleo ampahatsiahivina fa noho ny firaisan-kinan'ny mpamaham-bolongana sy ny fiaraha-monim-pirenena nanao fanangonan-tsonia dia nandefa iraka tsy nisehoseho nivantana ny tompon'nadraikitra ambony misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Maromaro ny fihaonana nataon'ity diplaomaty ity tamin'ny Kolonely Rakotonandrasana, (iray amin'ny) lehiben'ny mpioko izay lasa minisitry ny fiarovana avy eo.

Ny mpamaham-bolongana Avylavitra no manontany fa nahoana no mihetsiketsika fatratra amin'izao fotoana izao ary taizan ny nalehan'ny rehetra nandritra ny fifanandrinana teo aloha teo (mg) ?

Fanamarihana kely avy amiko fotsiny ny hoe: fa maninona moa no tsy nihetsika toy izao ny mpanao gazety fony nitranga ny fahafatesan’i ANDO (RTA)?[tamin'ny volana febroary]

demonstration photo by http://gazetyavylavitra.wordpress.com/

Sarin'ny fihetsiketsehana tao amin'ny http://gazetyavylavitra.wordpress.com/


( Sarin'ny fihetsiketsehana manohitra ny sivana nalain'i Avylavitra)

Nomarihan'ny TopMada, vohikala malagasy malaza iray fa leon'ny firoborobon'ny fitongilanan'ny mpanao gazety sasany ny komitin'ny mpanao gazety raha itodihana ny tontolo politika malagasy:

Selon le comité des journalistes, l’image du journalisme est fortement ternie suite à la participation active de certains de leurs confrères dans les actions et activités politiques. Les journalistes veulent revenir à la déontologie et à l’éthique de la profession

Simba dia simba tokoa ny asam-panaovan-gazety, araka ny nolazain'ny komity mpandrindra ao amin'ny fanaovan-gazety, noho ny nidiran'ny sasany lalina tamin'ny resaka sy fihetsiketsehana politika. Te-hiverina amin'ny fahaiza-mitondra tena sy ny fahaiza-miasa (ankehitriny) ny mpanao gazety

Lova Rakotomalala

1 hevitra

  • TOKONY IRAY SAINA NY MPANAO GAZETY HOY AHO SATRIA SAROTRA BE NY RAHARAHA POLITIKA ETO AMINTSIKA .
    IZAY NO LAKILEHAN NY FIVERENANAREO AMIN NY FAHAIZA MITONDRA SY HAMPANJARY TANTERAKA NY ASA FANAOVA NGAZETY . MAZOTOA DAHOLO DE MAHEREZA AMIN NY ASA NAREO

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.