Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!

Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy:

I understand Hong Kong people’s feelings about June 4, but the incident happened many years ago. The country’s development in many areas has since achieved tremendous results and brought economic prosperity to Hong Kong. I believe Hong Kong people will make an objective assessment of the nation’s development.

Azoko ny fahatsapan'ny mponin'i Hong Kong raha ny 4 jona no resahina, saingy toe-javatra efa nitranga taona maro lasa anie iny e! Efa nahitam-bokatra goavana ankehitriny sy nitondra ho any amin'ny fampivoarana ny toe-karen'i Hong Kong ny fampandrosoana ny firenena any amin'ny faritra (sehatra) maro. Mino aho fa hahay hijery ny fandrosoan'ny firenena ny vahoakan'i Hong Kong

Avy eo dia nambarany fa mahasolo ny hevitry ny olona amin'ny ankapobeny izany fomba fijeriny izany, ary io no tena niteraka ny tsikera fa tsy nofidian'ny vahoakan'i Hong Kong izy. Nandika (ho amin'ny teny anglisy) ny valin'ny fitsapan-kevitra avy ao amin'ny HKU ny vohikala ESWN ary dia navoakan'ny 58%n'ny fanehoan-kevitra fa diso ny fitondrana shinoa tamin'ny famoretana nataony tamin'ny 4 jona, na izany aza dia matoky ny ankamaroan'ny olona fa nisy fivoarana ny fanajana ny zon'olombelona nandritra ny telo taona farany. (ao amin'ny ESWN ny antsipirian'ny tatitra sy ny valin'ny fanatsafana ny hevitry ny olona)

Tahaka ny ahoana moa ny fahatezeran'ny olona tamin'ny fanehoan'i Donald Tsang ny heviny? Mampiharihary ny fihetseham-pon'ny olona izay nahazo mpijery mihoatra ny 30 000 nandritra ny faran'ny herinandro monja ity raki-kira an-tsary mitondra ny lohateny hoe Donald Tsang, Please Die,(Donald Tsang, aza fady matesa) ity:

Donald Tsang, please die
我哋實上街 (translation: we will definitely take on the street to protest)
Donald Tsang, please die
When will you be fired?

Donald Tsang, aza fady matesa
我哋實上街 (dika: tapakevitra izahay hidina an-dalambe)
Donald Tsang, aza fady matesa
Oviana ianao no ho voaroaka?

假設donald今日你俾人斬左隻手
二十年後嗰個人發咗達又做埋特首
你會否因為佢嘅成就
然後叫自己不要追究?

Hevero ry Donald ny tananao nisy nanapaka tarangana
Roapolo taona taty aoriana dia lasa filohan'ny mpanatanteraka ny olona iray
Hitsahatra tsy hitady ny rariny ve ianao noho ny zava-bitany?
Ka izany no hijanonanao tsy hitory hanjakan'ny fahamarinana?

Donald Tsang, please die
我哋實上街 (translation: we will definitely take on the street to protest)
Donald Tsang, please die
We’re all poor guys

Donald Tsang, aza fady matesa
我哋實上街 (dika: tapakevitra izahay hidina an-dalambe)
Donald Tsang, aza fady matesa
fadiranovana avokoa izahay rehetra

董建華雖然做野係渣
但係良心都唔會好似你咁差
你任內最驕人既成就
就係強化市民對民主嘅要求

Tsy dia nahavita azy i Tung Chee Hwa (Lehiben'ny mpanatanteraka teo aloha)
Saingy manam-panahy kokoa noho ianao.
Inona ny vitanao nandritra ny fitondranao
Moa ve ny fanamafisana ny demaokrasia tadiavin'ny olona.

Donald Tsang, please die
When will you die?
Donald Tsang, please die…
When will you be fired?

Donald Tsang, aza fady matesa
Oviana ianao no ho faty
Donald Tsang, aza fady matesa
Oviana ianao no ho voaroaka?

Nosoratan'i Ah P avy amin'ny tarika antsoina hoe “my little airport” ity hira ity.

Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.