Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto

Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao amin'ny toerana nisy azy ho manao kolikoly ny tovolahy iray any Shanghai. Ny tena mahatalanjona amin'ity raharaha ity dia nandeha an-jatony kilaometatra mihitsy ny polisy tany an-toerana hisambotra azy rehefa fantany ilehio fa mpamaham-bolongana.

Ankehitriny dia tarataratra fa te-hanao ezaka mihoatra io voalaza io ihany koa ny mpitondra ao Hangzhou. Vao nolanian'ny antenimiera tao an-toerana fa tsy maintsy manoratra ny tena anarany avokoa ny mpampiasa aterineto rehetra ao an-toerana ary tafiditra amin'izany ihany koa ny mpamaham-bolongana.

Nalaza tamin'ny aterineto nandritra ny andro vitsivitsy izay ny lahatsoratr'i West-of-Lake-West. Nohazavain'ny bolongana tamin'ny antsipiriany tanaty lahatsoratra vitsivitsy ny lalàna vaovao izay hampiharina manomboka ny voalohan'ny volana mey. Nantsoina hoe ‘Fehezan-dalàna ho fiarovana ny fanomezam-baovao an-tsolosaina sy an'aterineto’ (计算机信息网络安全保护管理条例) ny volavolan-dalàna izay nolanian'ny antenimieran'ny tanàna.

Hitan'ny mpamaham-bolongana ao amin'ny andininy faha-18 fa

…..应当记录上网用户的上网时间,用户帐号,互联网网络地址或者域名,主角电话号码等信息。

Tsy maintsy raiketin'ny mpanao tolotra an'aterineto an-tsoratra ny ora, ny laharana, ny IP ary ny laharan'ny sofin-davitry ny mpampiasa aterineto.

Manontany ny mpamaham-bolongana:

我要问的是,如果我去杭州百货大楼去买某品牌的衣服,我需要向杭州大厦登记我的姓名,地址,身份证号码么?有这样的道理么?凭什么我去上网,我的上网信息要被他们记录。你给我个理由,你问过我们没有?

Te-hanontany aho hoe raha mividy akanjo any amin'ny mpivarotra ve aho dia tsy maintsy raisina ny anarako sy ny adiresiko ary ny laharan-karapanondroko? Misy dikany ve izany? Lazao ahy ny antony. Efa nanontany ny hevitrao ve ianao amin'ity lalàna ity?

Avy eo dia navoakany ihany koa ny andininy faha-19:

提供电子公告,网络游戏和其他即时通信服务的,具有用户注册信息和发布信息审核功能的,并如实想起申请开设上述服务的用户的有效身份证明。电子公告指的是户料网上的论坛,聊天室,留言板,博客等交互形式。

Tsy maintsy mahazo ny mombamomba ny mpanara-baovao an-tserasera, lalao an-tserasera ary ny fifampitan-kafatra mivantana ny mpanao ireo tolotra ireo. Ny tafiditra amin'ity lalàna ity dia ny fanaovana dinika, karajia, famoaham-baovao ary ny bolongana.

Fa ny andininy hitany ho fahadalàna indrindra dia ity:

鼓动公众恶意评论他人,公开发布他人隐私,或者通过暗示,影射等方式,对他人进行人身攻击的。

Tsy manara-dalàna ny mandrisika ny olona hanao fanehoan-kevitra misompatra ny hafa, ny fiainana manokan'ny hafa, na mitsikera ny hafa amin'ny alalan'ny resaka an-kolaka na fanendrikendrehana.

Nataony fanalana azy ny andinin-dalàna:

再说了,我想请教法律专家,如何操控定义恶意评论他人,更如何在法律的框架下定义影射与暗示。我说,在杭州有一个姓王的胖子很坏,我是不是影射那个胖子王姓市委书记?

Tiako anontaniana ny manam-pahaizana ny hamaritana ny atao hoe ‘fanehoan-kevitra misompatra’ araka ny lalàna vaovao ampifanarahina amin'ny fototry ny famoahan-dalàna? Raha miteny aho hoe, misy bandy ratsy matavy manana anaram-bositra hoe Wang eto Hangzhou. Miresaka momba ny tompon'andraikitra voalohan'i Hangzhou izay matavy sy manana anaram-bositra hoe Wang ve aho?

Farany dia nolazainy fa mpandika lalàna izy aorian'ny voalohan'ny volana mey satria

注意,我这篇帖子违反了法律:首先没有身份登记,还有鼓动公众恶意评论,第三,我还可能影射了一个胖子,这个胖子有人说是苹果王,有人说是王苹果,还有pgw,还有王书籍。。。

Raiso tsara, tena mandika ny lalàna mihitsy ity lahatsoratra ity! Voalohany tsy nilaza ny mombamomba ahy aho, faharoa ‘mandrisika ny fanehoan-kevitra misompatra’ aho ary fahatelo, miteny ankolaka olona matavy aho. Misy miteny fa Wang A io, ny hafa manonona fa Wang B io ary ny fahatelo miteny fa i Wang sekreteran'ny Antoko io….ka iza amin'ireo no izy?

我们该怎么面对这份法律,我们以后还能怎么说话?我们还有没有批评权利?谁能保证我们在批评的时候的权利?

Ahoana no hiainanay ity lalàna ity? Amin'ny fomba ahoana no hitabatabanay rahampitso? Mahazo mitsikera ny rehetra ve isika? Iza no manome antoka ny zonay hitaraina?

我们向全国网友求救。、。。。

Miantso vonjy ny mpiserasera rehetra manerana ny firenena izahay.

Bob Chen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.