Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana

Bubisher..Books for Western Sahara children in refugee camps

Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana

Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana, dia anarana bus iray feno boky izy ity, fanazavan'i  Haz lo que debas.

Gonzalo Moure, mpanoratra boky ho an'ny ankizy sady tompon-kevitra tamin'ny famoronana ny Bubisher dia milaza fa:

El Bubisher no lleva libros regalados o sobrantes, sino un plan de lectura, con 4 o 20 ejemplares por titulo, para un fondo inicial de 1400 libros.

Ny Bubisher dia tsy mitondra boky tonta na boky amboniny, fa izy ity dia drafitra ho famporisihana vaky boky ahitàna dika mitovy 4 – 20 isaky ny lohateny ho fanombohana ahitàna hatramin'ny boky 1400 isa
Abueliki blog dia mandrisika antsika hamaky ny blaogy momba ny Bubisher , hamantatra ny bus-n'ny famoronana ary hanome fampaherezana ny asa fikarohan-javatra vaovao – tsy amin'ny resa-bola ihany fa koa amin'ny fizaràna fahaiza-manao sy manobo fahalalàna momba ny lalana nodiavin'ireo mpirotsaka antsitrapo amin'ny tetikasa sy ny fitiavany ilay asa. Isan'ireny ny mpanao politika, mpandraharaha eny amin'ny anjerimanontolo, trano manonta boky sy olona tsotra koa.

EL PAJARO QUE TRAE LA BUENA SUERTE avy amin'i Irene Bailo ao amin'ny Vimeo.

Kalandra Blog no manazava misimisy kokoa:

Además de libros en castellano, donados por editoriales como KALANDRAKA, el Bubisher también incorpora una selección de literatura infantil y juvenil en árabe, lo que afianza los lazos de la multiculturalidad. Frente a la carencia de libros y de espacios de lectura, el Bubi supone “una biblioteca abierta y que se acerca a los lectores”, tal y como ha expresado Gonzalo Moure. Una biblioteca rodante, en constante movimiento.

Ho fanampin'ny boky amin'ny teny espaniola [Castillian Spanish] natolotry ny trano famoaham-boky toy ny Kalandra, Bubisher dia manana karazana boky ho an'ny ankizy sy ny tanora amin'ny teny Arabo izay manamafy ny fizorana bebe kokoa ho any amin'ny kolontsaina marolafy. Manoloana ny tsy fahampian'ny boky sy ny toerana hamakiana io, ny Bubi dia famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe mandeha manatona ny mpamaky any amin'ny toerana misy azy, toy izay nazavain'i Gonzalo Moure. Toeram-pamakiana boky mifindrafindra toerana, mihetsika foana.
Te ho mpilatsaka an-tsitrapo ho amin'ny Bubisher ve ianao? Azonao atao tsara izany amin'ny alalan'ny fanatonana ny sakaizan-dry zareo Bubisher  miisa 120 izay fandraisana andraikitra iarahana amin'ireo mpiara-miombona antoka miaraka amina efitrano fianarana na sekoly mihitsy aza mba hanangona fanampiana, na koa afaka manolotra boky na fanampiana avy aminao mivantana ianao. Afaka koa ianao mandika ireo lahatsoratry ry zareo avy amin'ny teny Espaniola ho amin'ny tenim-pirenena hafa na koa azonao atao ny manely ny ny sary famantarana ny Bubisher ho an'ireo namanao na manonta printy azy io haseho amin'ny mpiara-monina manodidina anao. Ary misy tena lehibe mihitsy, afaka mitsidika ny toby ho an'ny mpitsoa-ponenana ianao toy ny hoe mpirotsaka an-tsitrapo ka mizara vakiteny tsara amin'ireo ankizy.

Ho famintinana, te-hanonona manokana ny mpanorina ny Bubisher aho, i Gonzalo Moure, mamahavaha ny resaka literatiora sy boky:

Eso es la literatura: corazones que no dejan de latir, pensamiento sin la barrera del tiempo. El corazón del abuelo latiendo en nuestro pecho. El aliento de Homero en nuestros oídos. Leer es vencer al tiempo, tener mil corazones

Literatiora ity: fo maro mitohy mitepo, eritreritra mamakivaky ny sisintany. Ny fon'ny dadabentsika midobodoboka ao an-tratrantsika ao. Ny fofonain'i Homer eo ampoto-tsofintsika. Ny mamaky boky dia fanaovana fanamby amin'ny vanim-potoana, fahatsiarovana fitepon'ny fo aman'arivorivony.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.