Iran: Novonoina ho faty i “Voafonjan'ny loko”

Novonoin'ny fitondram-panjakana Iraniana tamin'ny Zoma maraina tamin'ny faha-23 taonany ny tovoavy 23 taona antsoina hoe Delara Darabi

Delara Darabi

Delara Darabi

, izay voaheloka ho namono olona tamin'ny faha-17 taonany ary notazonina nandritra ny taona maro tao amin'ny Fonjaben'i Rasht Central. Nahazo ny lazan'ny anarana ho “voafonjan'ny loko” i Delara noho ny fahaizany mandoko ny fiainana am-ponja izay mampiaiky volana ny maro.

Namoaka fanambarana ny Amnesty International fa novonoina i Delara Darabi na dia eo aza ny famelana azy hiaina mandritra ny roa volana navoakan'ny Lehiben'ny Fitsarana tamin'ny 19 Avrily.

Mpamaham-bolongana maro, ary tafiditra amin'izany ihany koa ny mpahay lalàna, no nizara ny fahatsapany tamin'ity famonoana ity ary mitsikera ny rafi-pitsarana Iraniana mamono olona amina heloka azo lazaina fa madinika.

Mohmmad Mostafai, mpahay lalàna izay nanaraka akaiky ity raharaha Delara ity no , nilaza [fa]:

قاضی جاوید نیا حکم اعدام دلارا را صادر کرد. پس از مدتی دادستان رشت شد. از زمانی که او متصدی این پست گردید. یک نفر در این شهر سنگسار شد و امروز دلارا دارابی جانش از بدنش جدا شد.
ولی چرا؟
عده ای می گویند دلارا مقصر است. عده ای می گویند پدرش مقصر است و عده ای می گویند وکلیش؟ من می گویم دستگاه قضایی. چرا با وجودی که بسیاری از کشورهای دنیا اعدام اطفال زیر ۱۸ سال را منع کرده اند دستگاه قضایی بر اعدام اطفال پافشاری می کند؟

Nanome baiko ny famonoana ny Mpitsara Javid Nya. Taorian'izay dia izy no mpampanoa lalàna tamin'i Rasht, izy no nanome baiko ny fitoraham-bato, ary ankehitriny dia efa nandao ny vatan'i Delara Darabi ny fanahiny. Misy ny manameloka an’ i Delara. Ny sasany milaza ny rainy ho meloka, ary ny hafa kosa indray miteny fa ny mpitsara azy no meloka. Fa izaho kosa miteny fa ny rafi-pitsarana no diso. Nahoana no mikiry mamono zaza tsy ampy taona ny rafi-pitsarana, nefa maro ny firenen-kafa manerantany no mandrara ny famonoana olona latsaky ny 18 taona?

Nanampy io hevitra io ihany koa i Mostafai izay niaro zaza tsy ampy taona maro tany amin'ny fonja iraniana, fa novonoiny tsy nisy fampilazana ny mpisolovaa azy sy ny fianakaviany i Delara satria fantatr'izy ireo tsara fa “vahoaka an'arivoarivony” no hanohana azy manerantany.

Mampitombo be loatra ny isan'ny olona mahalala ity raharaha ity angamba i Mostafai, saingy fantatra mazava kosa fa maro ny mpanohana an'i Delara na amin'ny fiainana andavanandro na an-tserasera.

Vao nikarakara fihetsiketsehana manoloana ny masoivohon'ny Repaoblika Islamika tany Londres hampitsaharana ny famonoana azy indrindra ny Amnesty International.

Tao amin'ny tontolon'ny virtoaly, dia nisy ny Fampielezan-kevitra hamonjena an'i Delara tany amin'ny sehatra twitter sy Facebook.

Baloch nilaza ny fitondrana Iraniana ho “mamafy sy mijinja ny fahadalan'olombelona”. Manontany ny hevitry ny mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena moa ny mpamaham-bolongana amin'ity resaka famonoana ity.

Sassan Aghayi indray nanoratra tononkalo [fa] mitondra ny lohateny hoe “Rahampitso angamba” mikasika an'i Delara. Nolazainy fa mihoatra (ho toy ny sakelimihoajoro) ity tantara ity ka mendrika hanaovana pôezia. Misy andininy manao hoe:

شاید همین فردا
و باز همین فردا، پس فردا
فرشته‌ی مرگ سیراب نشده،
آغوش تازه‌ای می‌خواهد؛
شاید همین تو را.

Rahampitso angamba na rahafak'ampitso
No haka olona hafa indray ny anjelin'ny fahafatesana tsy mety afa-po
Angamba io olona io dia ianao

Ardavan indray moa nanoratra [fa] fa hatory tsy hanonofy ratsy intsony i Delara rahalina.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.