Jordana: Fampisehoana andrana ny fitaovana ara-Teknolojia Arabo

Nanatrika ny fanombohan’ny  Andrana Hafainganana Arabo ( Arab Crunch Demo) ny tenako tamin’ny volana lasa teo, hetsika nokarakarain’ny blaogy  Arab Crunch, izay blaogy matihanina, mitodika bebe kokoa amin'ny fampisongadinana ny fisondrotry ny teknolojia  eo amin’ny tontolo Arabo, iarahany miasa  amin’ny ivon-toeran'ny mpanjaka vavy Rania momba ny fandraharahana (Queen Rania Centre for Entreprenuership), sy ny Anjerimanontolon'ny  Printsy vavy Sumaya momba ny Teknolojia (Princess Sumaya University for Technology (PSUT).

Mahavelom-bolo tokoa ny mahita ireo tanora Arabo mpandraharaha ara-teknolojia mandray andraikitra sy manatanteraka ny nofinofin’izy ireo. Niseho an-tsehatra ary nanao fampisehoana ny tetik’asan’izy ireo ho an’ny mpijery mafana fo ny orinasa toy nye-space sy Al-khawarizmy avy any Egipta, Ishki sy MailPacks avy any Jordan ary ny sasany hafa ihany koa.

arabcrunch-demo-9-logo-small-size (doka ho an’ny Arab Crunch)

Nanoratra ny mpandrindra Chaith Sager avy ao amin’ny Arab Crunch  fa:

Andro tokana ihany ilay fampisehoana voalohan’ny ARABCRUNCH DEMO (Andrana Hafainganana Arabo) izay nifarana tamin’ny Alatsinainy 23 Febroary 2009 teo, tao amin’ny Anjerimanontolo Pricess Sumaya, ao Amman, Jordana. Fiantombohana iandrandrana fahombiazana eo amin’ireo vokatra ara-teknolojia vaovao sy eo amin’ny karazan’asa ao amin’ny tontolon’ny Arabo ihany no tanjon’ity fotoana ity. Voalohany, ankoatry ny fanairana , dia tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana ny fandraisana anjaran’ireo olona ikoizana ao an-toerana sy any ivelany avy amina orinasa nosokajiana araka ny hai-varotra amin'ny aterineto (e-marketing), sy araka ny tanjaka ara-bolany, ary ny fahaizany ny Serasera ara-Teknolojia (IT= Information Technology).

Nasehon’I Ishki , Jordaniana , ny fiasan’ny tranonkalany nandritra ity fotoana ity, izay tranonkala arabo voalohany nanome ny mponina tao Jordana ny fahafahana hizara ny alahelo, ny olana amin'ny alalan'ny aterineto ary ny fitadiavam-bahaolana. Mijoro tokoa ireo tranonkala ho amin’ny feon’ny olom-pirenena tsotra mahakasika ny olana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, na ny olana eo amin’ny fandraharahana koa aza. Milaza I Ahmad Kharbat, lefitry ny fananganana an’I Ishki hoe: “Hanampy fantsona ho an’ny orinasa tsirairay izay miasa ao amin’ny tontolo arabo izahay, koa amin’izay dia afaka maneho ny heviny sy ny fihetsem-pony ny olona. Nampanantena ihany koa izy fa hanampy misimisy kokoa ny karazana tranonkala ao an-toerana ho an’ny firenena Arabo.

Napetrak'i Hamdy Khalil,  lefitry  ny fananganana an’i e-space avy any Alexandria Egipta tao anaty fitaratra lehibe ny toeran-tserasera mifandrafitra (framework) antsoina hoe weNear  izay mifaninana amin’ny Voromahery Afon'i Yahoo (Yahoo’s Fire Eagle). Ity sehatra ity dia notsinjovina indrindra ho an’ireo mpamorona serasera eo anivon'ny aterineto mba hahafahany mampiasa ilay API (ivom-piantsonana anterineto, “Serveur Internet”), koa amin’izany no ahafahan’izy ireo mampiroborobo kirakiram-pifandraisan-davitra avy amin’ny  fitaovam-pifandraisana an-tselika (devices, peripheries) toy ny finday iPhone, ao anatin’izany ny  Android sy Symbian.

Niseho tao anatin’ny fotoana ihany koa ireo mpandraharaha tsara toerana toa an'i  Sumaya Kazi, mpamorona ny the Cultural Connect, ary i Khaled Jabasini, mpamorona sady Tale Jeneralin’ny Dubai-baised E-Marketing

Nitondra ny kabary fototra izay nifototra tamin'ny lohateny hoe ‘ny fahatanorana sy ny faniriana’ i Sumaya Kazi, Tale Jeneraly sady lehiben’ny mpandrindra ao amin’ny Cultural Connect ary ihany koa mpitantana ambony ireo vaovao ara-tSosialy avy ao amin’ny Fortune 500 company Sun Microsystems.  Nitantara ny traikefany tamin’ny fiantombohan’ny Cultural Connect izy.  Nasehon'i Sumaya mazava tsara anaty fitaratra ireo mpandraharaha mahomby izay nanao  ny fiantombohana ombam-pahombiazana niaraka tamin’ireo mpandraharaha ara-tsosialy  izay efa nifampidinidinika taminy tany aloha tany. Nizara toro-hevitra 8 izy ary ity no fanombohana voalohany amin’ireo : “miaraha amin’ny olona kinga saina sy manana hevi-dehibe noho ianao, miezaha tsy ho toa azy ireny”
Ny fotoana, izay nahaliana ny mpandray anjara miisa 300, dia nifara tamin’ny hafaliana sy fanantenana teo  amin’ny roa tonta, mpandraharaha sy mpijery . Nilaza I Saqer teo amin’ny fiafaran’ny fotoana fa hanomana seho indray amin’ny endrika hafa izy amin’ny volana manaraka na amin’ny taona ho avy, mampanantena izy fa ho goavana kokoa io fampisehoana manaraka io ary amin’izany no hisokafan’ny fahafahana mampisongadina misimisy kokoa ny teknolojia ao amin’ny tontolo Arabo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.