RDC: Mandroba tranon'olona ireo miaramila tsy mandray karama

Ny herinandro lasa teo dia nolazain'ny fampielezam-peo Radio Okapi fa mpikambana ao amin'ny FRADC, miaramila any Repoblika Demôkratika Kongo, no nandroba trano maro tany Kirumba, 200km any avaratry Goma. Ireo miaramila, izay tsy nandray karama nandritra ny 3 volana izay, no mangalatra vola, telefona sy ireo fitaovana eletronika:

D’autre part, dans la cité de Kayna, à plus de 150 km au Nord de Goma, dans le territoire de Lubero, les paysans ne se rendent plus dans leurs champs, depuis 2 semaines en raison des tracasseries des militaires FARDC. Des autorités administratives dans les 2 cités indiquent que, depuis plusieurs jours, les militaires vivent au dos de la population au motif qu'ils ne sont payés depuis 3 mois.

Fandrobana mandeha ho azy ny alin'ny alahady hatramin'ny alatsinainy tao Mbogho ao an-tanànan'i Kirumba, 200km any avaratry Goma. Trano 21 no voaroban'ireo lehilahy mitondra fitaovam-piadiana sady manao akanjo miaramila, araka ny loharanom-baovao avy amin'ny tompon'andraikitra any an-toerana tao amin'ny radiokapi.net.

Eo an-kilan'izany, ao an-tanànan'i Kayna, 150km any avaratry Goma, ao amin'ny faritry Lubero, dia tsy ma,kany an-tsaha intsony ny olona efa ho tapa-bolana izay noho ny afitsok'ireo miaramila FARDC. Araka ny fanamarihan'ireo tompon'andraikitra any amin'ireo toerana 2 ireo dia efa nandritra ny andro maromaro izay ireto miaramila ireto no mivelona amin'ny hatsembohan'ny olona satria hoy izy ireo efa tsy nandray karama ihany efa ho 3 volana izay.

Ao amin'ny bilaogin'i Alex Engwete, maro no miresaka ity tantara ity.

Manankiana ny tsy fahampian'ny fahatokisana amin'ny tafika i Wavre izay mampijaly ny olona raha tokony hiaro azy:

Il nous faut reformer notre armee de fond en comble. Un nouvel esprit civique, un sens du devoir, un respect et une sympathie pour la population.Un soldat n'est pas une race etrangere qu'un civil, ni le protecteur automatique d'un pouvoir aussi inepte soit-il. Retablir la solde des soldats est essentiel et indispensable.Mais est-ce que nos dirigeants le veuillent vraiment???J'en doute grandement, car nos dirigeants trop souvent se garantissent le pouvoir grace a cette horde de sauvages affames et indisciplines, commandees par des officiers souvent incompetents, mercantiles,peureux et affairistes.

Sans une armee bien entretenue et disciplinee, nous n'aurons qu'une democratie de nom et tout a fait de facade. et malgre notre immense avantage numerique,nos “soldats” continueront a deguerpir au premier coup de feu face a une quelconque petite armee organisee.

Tokony havaozina hatrany amin'ny fotony mihitsy ny tafika. Toe-tsaina vaovao, fandraisana andraikitra, fanajana sy fanehoam-pitiavana amin'ny vahoaka. tsy olona hafa amin'ny sivily ny miaramila, ary koa tsy natao hiaro ny fitondrana foana izay hita fa tsy mahavita azy. Zzava-dehibe sady tena ilaina ny fandoavana ny karaman'ny miaramila. Kanefa tena mahafantatra izany ve ny mpitondra antsika??? Manahy aho, satria ireo mpitondra ireo matetika dia mahazo fahefana amin'ny alalan'ny olona mirenireny foana sady noana no tsy mpanara-dalàna, tarihan'ny manam-boninahitra tsy hanino tsy haninona, loham-bola, saro-tahotra sady mpanao afera.

Raha tsy misy tafika tena voakajy tsara sady manara-dalàna dia anarana fotsiny ny demokrasia ary endrika ivelany fotsiny. Na dia eo aza ny tombony ananantsika amin'ny isa dia hitohy hiforitra eo anoloan'ny tafika kely sy vitsy an'isa ny miaramilantsika.

Efa an-taonany maro dia niaina tao anatin'ny horohoro ataon'ireo miaramila vitsy an'isa, milisy tsy manara-dalàna ny mponina mipetraka any amin'ny faritra andrefana any Congo. manazava i Gangoueus:

Il n'est pas bon d'être né à l'est de la RDC. A quel saint vont se nouer les populations de ces régions? Quand ce ne sont pas les rwandais qui les rançonnent, ce sont les ougandais et si ce ne sont pas les ougandais, ce sont les rebelles de Nkunda ou d'un autre chef milicien. Sinon, c'est l'armée congolaise qui les maltraite. On fait comment?

Ratsy vintana izay teraka tany amin'ny faritra andrefan'ny RDC. Andriamanitra iza no hivavahan'ny olona any? Raha tsy ny Rwandais no maka ny volan'ny olona atao takalon'aina dia ny Ougandais. Raha tsy ny Ougandais indray dia ireo mpioko ao amin'ny Nkinda na ny anankiray amin'ireo sefo milisy. raha tsy izany dia ny tafika Congolais no mampijaly azy ireo. Inona àry tokony hatao?

Matabeleland:

On feint d'être surpris par ces agissements, alors que tout le monde le sait que dépuis des lustres, je dirai dépuis la fin de la force publique la RDC n'a jamais eu d'armée, nos militaires ont toujours pris pour cible la population qu'ils sont censés protéger.

Mody gaga manoloana ny zava-misy isika kanefa hiaraha-mahalala fa efa hatramin'ny ela, raha ny marina dia hatramin'ny nifaranan'ny hery ho an'ny vahoaka dia tsy nanana tafika intsony ny RDC, ataon'ny miaramilantsika lasibatra ny vahoaka izay tokony harovany…

Miaro ny FRADC i Bakunde ary milaza ny asan'ny Katanga :

Et quand vous avez parlé des FARDC voleurs tour à tour vous palerez de quoi après? Hormis l'évocation de menus larcins commis par l'ensemble de 100000 soldats congolais quel sera le sujet de la prochaine conversation? Il es triste qu'un pays aussi vaste que le Congo ne susscite qu'un seul point de discusssion de votre part depuis plus de deux ans. C'est tout ce que vous savez du Congo. Tiens les gendarmes Katangais qui sont restés des années en Angola n'ont jamais fait parler d'eux sauf lorsqu'ils comùbattaient…

Lazainareo fa mpangalatra ny FARDC dia ataoanareo ho inona koa avy eo? Ankoatry ny fangalarana madinidinika ataon'ny miaramila congolais miisa 100 000 dia inona indray izao no hatao resaka? mampalahelo raha firenena lehiba tahaka an'i Congo no tsy manana zavatra horesahana afa-tsy izany tato anatin'ny 2 taona. Izay ihany no mba fantatrareo mikasika an'i Congo. Jereo ange ny miaramila Katangais, firy taona no nijanonany tany Angola kanefa tsy noresahana ny momba azy ireo afa-tsy ny fotoana niadiany ihany…

Mamaly i OURAGAN :

pauvre BAKUNDE plaindre les congolais qui veulent que leur armée soit exemplaire ,digne et forte …vous espérez que tout les congolais soit complaisant et indulgent comme vous ceux qui profitent du système désastreux et humiliant pour les congolais donnez nous les raisons d'être fier de vos 100 000 milles FADRC humiliés sur tout les terrains des opérations militaires ou de leur missions de rétablir l'ordre préférant les pillages et les viols a ce jour il n'y a pas de raisons d'être fier de cette armée de votre pouvoir

Mampalahelo ahy i Bakunde izay milaza ny tafika Congolais ho filamatra, mendrika sady matanjaka…manantena ianao fa hitovy aminao daholo ny vahoaka congolais rehetra ka handoka ny zava-misy izay hita fa mahamenatra ary hirehareha amin'ny miaramilanao 100000 izay manala baraka amin'ny lafiny rehetra na amin'ny maha miaramila azy na amin'ny asa ataony izay mandroba sy manolana ny vahoaka raha tokony hitandro ny filaminana. Tsy misy tokony hireherehana amin'ny tafika eo ambany fitondranao.

Alex Engwete, mamaly an'i Bakunde, no mino fa ny polisy any Katanga no tsy mendrika:

…Je connais donc intimement les anciens Gendarmes Katangais. Ce régiment était dirigé par le sanguinaire Colonel Tshimpola, l’assassin du Colonel Tshatshi. C’étaient des pillards et des tueurs — tout comme les autres soldats congolais. Sur ma rue à Pumuzika, à Kisangani, deux de ces tueurs — je me rappelle encore le nom de l’un d’entre eux : le Sergent Venant — ont abattu le père de mon copain, père d’une famille nombreuse, qui s’entêtait de ne pas leur céder son vélo Raleigh… Alors, ne raconte pas des bobards sur les Gendarmes Katangais…

Le Colonel Tshimpola avait lâchement assassiné le Colonel Tshatshi à Kisangani. Le Colonel Tshatshi, commandant du 3ème Groupement de l’ANC, s’était rendu au bureau du Colonel Tshimpola pour lui demander d’ordonner à ses hommes de déposer les armes en vue de commencer le processus d’intégration de ses hommes dans l’Armée Nationale Congolaise à Kitona. Le Colonel Tshatshi s’était déplacé sans gardes du corps, sans armes, avec son chauffeur. Ivre de chanvre, le Colonel Tshimpola l’a froidement abattu, dans son bureau, avant de sortir pour tuer le chauffeur ! Vers 10 h du matin ! Alors, ne nous parle pas des gendarmes katangais comme s’ils avaient l’éthique des samouraïs !

…fantatro ireo miaramila Katangais ireo. Notarihan'ny kolonely Tshimpola, ilay namono an'i kolonely Tshatshi, io rezimanta io. Mpandroba sy mpamono olona ry zareo – tahaka ny miaramila congolais rehetra ihany. teo amin'ny lalana Pumuzika any aminay any Kisangani no nisy mpamono olona anankiroa – mbola tadidiko ny anaran'ny anakiray: serza Venant – novonoin-dry zareo ny dadan'ny namako, raim-pianakaviana maro anaka, izay tsy nanaiky ny hanomezana azy roalahy ireo ny bisikeletany Raleigh… Noho izany tsy tsaho mihitsy ny zavatra ambara mikasika ireo miaramila Katangais ireo…

Novonoin'ny kolonely Tshimpola ny kolonely Tshatshi. Ity farany, nitarika tao amin'ny vondrona faha3 ny ANC (Armée Nationale Congolaise), izay tonga tao amin'ny biraon'ny kolonely Tsimpola nangataka azy handidy ny miaramilany hametra-piadiana hanombohana ny fampidirana azy ireo ao amin'ny ANC tany Kitona. Tonga tany tsy nisy mpiambina anefa i kolonely Tshatshi, tsy nitondra fitaovam-piadiana, niaraka tamin'ny mpamiliny. Satria lian-dra ny kolonely Tsimpola dia novonoiny tao amin'ny biraony ny kolonely Tshatshi, avy eo izy nivoaka namono ilay mpamily! Tokony ho tamin'ny 10 ora maraina! Noho izany, aza miteny aminay momba ny miaramila Katangais ka milaza azy ireo ho tahaka ny manana foto-pisainana samoray!

namaly an'i Alex i Bakunde, nanoratra, ‘ny olomangan'ny fahavalontsika dia tsy olomangantsika”.”

alex, afaka miaro ny hevitrao ianao kanefa aoka tsy hanararaotra. io miaramila antsoina hoe Tsimpola io, kolonely ao amin'ny tafika congolais, dia olomanga ho an'ny mpanara-dia azy, ho an'ny Takangais ary ho an'ny rehetra miara-manompo aminy ao amin'ny tafika.

Alex, afaka miaro ny hevitra ianao kanefa aoka tsy hanararaotra. Io miaramila be herim-po io, ny kolonely Tsimpola, dia olomanga ho an'ny vahoakany, vahoaka any Katanga ary koa ho an'ny rahalahany rehetra ao amin'ny tafika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.