Irak : Enin-taona no lasa

Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy.

Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay nanomboka ny tontolon'ny bilaogy tany Irak no mijery ny 6 taona lasa tamin'ny fotoana nanombohan'ny ady. Ao amin'ny sorany maromaro no hamborahan'i Salam ny soratra tsy vitany tami'nny fotoana nahatapahan'ny herinaratra. Te handositra ny lasa izy ary manoratra hoe:

Ato anatin'ny herinandro no hifaranan'ny 6 taona nahalavoana / nampianjera an'i Bagdad. 

Lavo i Bagdad/ Afaka i Bagdad: toa teny foana anefa izany. Ny tena marina dia nifarana tamin'iny fotoana iny ny fiainanay aty Irak.

Hatramin'ny nanombohan'ny ady tamin'ny taona 2003 dia efa in-3 izahay no nifindra trano noho ny antony samy hafa.

Rehefa nisava baoritra nisy ny entanay izahay dia hitako tao ny kahie, miaraka amin'ny gazety, ny sarysy ny taratasy hafa notehiriziko. Efa 5 taona no lasa ary hiditra amin'ny faha 7 taonan'ny fiainanay taorian'ny ady/ taorian'i Saddam izahay, dia hitako fa tsara raha aparitaka ireo zavatra ireo aryhozaraina aminareo izay sisa voatahiriko nandritra izay fotoana izay…Hosoratako an-tserasera mailaka izany ary hariako ireto taratasy ireto. Nankaleo ny miaina miaraka aminy nandritra ny 6 taona.

Ho an'i Sunshine kosa dia tafaraka tamin'ny fotoana naha mpianatra tany amin'ny lycée azy ny ady. Mamndritra ny fety fanaovam-beloma ny toeram-piananrany dia tsaroany ny tsara sy ny rasty tany am-pianarana nandritra ny 6 taona:

Ny fahatsiarovana tsara indrindra tamiko dia ny fangatahako tamin'ny namako hanao zavatra tsy ampoizina ho an'ny namanay R izay namoy ny rainy sy ny havany maromaro. Nataoko fa hahafinaritra raha mampifalifaly azy izahay, noho izany dia nividiananay solosaina izy, nandray anjara daholo ny namako rehetra ary izaho no novidy ilay solosaina, namono ny fanomezana ary nitondra azy tany amin'ny lycée. Taitra daholo ny  mpianatra, ny mpampianatra ary R, iny no fanomezana fahatsiarovana tsingerin-taona nahaterahana tsara indrindra… 

Eo ankilan'izany zavatra tsara rehetra izany dia nisy koa ny nangirifiry, dia tamin'ny fotoana nahafatesan'ny rain'i R sy ny havany, ny fotoana nahafatesan'ny renin'i M, ny fotoana rehetra nandozan'ny namana an'i Irak, na ny nandraisan'ny hafa fampitahorana, ny fotoana nisian'ny ady mahamay teo akaikin'ny toeram-pianaranay, indray mandeha dia nianjera ny rindrina be fitifirana, fiara maro voasisika baomba, ny baomba milevina, etc…Matetika dia voatery mandeha eny an'elanelan'ny fiara mifono vy izahay, mampidi-doza ho anay ny lalana mankany am-pianarana.

Tadidiko foana ny fotoana nahafinaritra ary mampihomehy ahy ireny, ho an'ny fotoana sarotra kosa dia nataoko hanome hery sy tanjaka ho ahy izy ireny, hahafahako mivonona hiatrika izay lety ho fotoan-tsarotra lalovako any aoriana. Sunshine.

Mitantara ny nofiny sy ny zava-marina i Laith:

Rehefa nanomboka nanafaka an'i Irak araka ny filazany ny Amerikana dia faly be aho noho ny antony tokana. Nantenaiko fa ho afaka tokoa i Irak ary hisy governemanta tena izy miaraka amin'ny mpanao politika tena marina hieritreritra ny ho avin'i Irak sy ny vahoakany. Noheveriko mihitsy fa ho ny tsara indrindra ny fanompoana ny vahoaka ary hiaina finaritra izahay rehetra. Tsy nampoiziko mihitsy hoe hifamono ho an'ny tombotsaon'ny vahiny izahay, na koa hoe hifampaka an-keriny noho ny vola, tena diso aho. Nampoiziko mihitsy sady tena azoko antoka fa nanomana tsara izay ho afaran'ny ady ny fitantanana Amerikana, kanefa diso koa aho tamin'iny. tsy nisy zavatra niova taty Irak tato anatin'ny 6 taona. raha ny tena marina dia nisy fiovana lehibe tokoa. Amin'izao fotoana izao dia manana antoko politika an-jatony izahay izay tsy manao na inona na inona ho an'i Irak akory fa ny zavatra tena manahirana azy ireo dia ny fitadiavana ny tombotsoany maanokana. Afaka 6 taona dia nivaky ihany ny Amerikana fa tonga taty izy ireo tsy nanana planina mazava, satria ny ankamaroan'ny vahoaka dia mahantra ary tsy misitraka ny zo mahaolona farany kely akory. Tsy nahomby ny governemanta Irakiana sy ny fitantanana Amerikana tamin'ny famerenana an'i Irak ho amin'ny lalana tsara. 

Ny lesona azoko notsoahina 6 taona aty aoriana dia ny hoe HO AN'NY NOFINOFIKO REHETRA, LASAN'NY RIVOTRA AVOKOA IRENY

Lavitra an'i Irak dia mahatsiaro i Attawie:

Nilaozako i Bagdad izay tiako tokoa. Nilaozako ny fianakaviako sy ny namako. lavitra ny tany nahaterahako aho; lavitra ny tany nianarako namindra voalohany, lavitra ny trano nahabe ahy, lavitra ny mpifanolo-bodirindrina amiko, lavitra aho…kanefa…sanatria tsy lavitra ao am-poko sy an'eritreritro. 

Ny ady, ny korontana, ny fahaverezana olona sy fananana marobe, ny fahaverezana asa, ny kolikoly, ny zava-miafina, ny famatoran'ny ratsy, ny trano may, ny fofo-paty, ny kamboty, ny ranomaso, ny tantara mampalahelo, ny fahatsiarovana mahatsiravina…Izay ve no avela ho antsika? Tsy te hahita aho. tsy te hampiseho endrika fahakiviana aho. Tiako ambara aminareo fotsiny fa tsy tsara ny mahita izany. mila fanamboarana betsaka izy. ny zava-mitranga ankehitriny aza efa tsy rariny.

Very hevitra aho ary tsy hitako izay hambara. Azoko antoka fa tsy dia midika zavatra betsaka izay noteneniko. Kanefa izay no zavatra misy “amin'ny andro tahaka ny androany”. Miato ny fiainana… vaky ny famantaranandro. Tsy misy valiny ny vavaka nataonareo ho an'i Irak… O Irak, miverina ihany no nofiko hitazonako ny fanantenako. Ny fahatsiarovana anao no manalefaka ity fiainana mangidy. Ianao no feon'ny hehy, mozika mabadink'ity fiainana mitabataba ity, oroky ny reny eny an-kandrin'ny zanany, ny rojovy ny zazakely mihatery.

Nanoratra lava mikasika ny aingam-panahiny i Faiza, 6 taona aorian'ny ady sy ny fanjanahana:

Mitsiky aho amin'izao fahatsiarovana ny faha 6 taona nanjanahana an'i Irak izao, na dia eo aza ny alahelo mitambesatra ao am-poko, kanefa tsy hanary toky aho, sanatria; amin'ny hinoako fa hiverina amin'ny vahoakany i Irak, hisy mpitantana terantany marina ho avy, mpitantana izay tsy hieritreritra afa-tsy ny tombotsoan'i Irak, handinika ny fialan'ny mpanjanaka, ary haka ny fahefana rehetra.
When will that day come?
Andriamanitra irery no mahalalaFa ho avy izy…satria izay no lalànan'Andriamanitra eto an-tany… 

Ary ao amin'ny endrika tsy misy mpanana an'i Layla, misy soratra mampitaha an'i Irak vaovao amin'ny reny miteraka ampiasana fitaovana fisintonana zazakely:

Zaza ngezabe ilay izy, biby be misy loha zato sy ati-doha zato, orita manana tanana zato, endrika hafa manana maso zato, toa mamdroso…hoditra rotidrotika sady mikotntoantoana, vatana malama, biby mandady tsy misy taolana, tsy misy tongotra ahafahana mijoro, ary misokatra ny vavany, tsy mamoaka feo mahafinaritra fa ando mahamay sy mandoro… 

6 taona izay no nandadizany, mitrerona tahaka ny alika romotra, manimbolo… miaraka amin'ny sisan'olona, ary mihaza ra vaovao sy mafana…hena misimisy kokoa…

6 taona izay isan'andro dia mbola mitsotra ao amin'ny efitrano fiterahana foana izy, izay zary tahaka ny tranom-paty maimbo…rakotry ny rany, voageja ao anatin'ny teny manaitra sy voamboatra…feno lahatsoratra an-gazety sy fanadihadiana ny tratrany sy ny vavany…teny maro…feno maty adino sina, tahaka ny rindrina adino sy simba eto an-tanàna, izay hanjakan'ny voalavo mirenireny sy ny kadradraka, mihinana ny lo sy ny malton'ilay bibidia…mihinana ny lavenona sy ny vovoka.

Ary amin'ity soratra ity, anjaranao ny mamorona ny hevitrao: 6 taona aty aoriana, tena nilaina ve ny ady taty Irak?.

Salam Adil

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.