Malawi: Mpilatsaka ho fidiana vehivavy sy ny pôlitikan'ny faritra

2 volana mialohan'ny latsa-bato hifidianana izay ho filoham-pirenena sy fifidianana parlemantera hatao ny 19 may 2009 ho avy izao dia namelabelatra mikasika ny zava-misy 2 ny “soup du jour”, ny fampidirana sy ny famoahana am-ponja vao haingana sy ny fanodinkodinana nataon'ny Filoha teo amolha Dr. Bakili Muluzi, ary ny fitsidihana nataon'ny solon-tenan'ny Fikambanam-be Afrikana an'ireo fioloham-pirenena Afrikana 2 teo aloha. Ireto farany no nanamaloka ny ankamaroan'ny fisainana hanova ny tontolon'ny pôlitika ho an'ireo vehivavy mpilatsaka ho fidiana any Malawi.

Ny voalohany dia, efa nitondra in-droa i Dr. Muluzi tamin'ny taona 1994-2004 kanefa nanova ny lalàm-panorenana izy hahazoany milatsaka ho fidiana indray. fanovana izay nampisy vokany 2 teo amin'ny firenena. Ny faharoa dia ny momba ireo filohan'i ghana sy Mozambique, John Kuffor sy Joachim Chissano, izay nahavita, tsy ara-drariny, araka ny bilaogy Chingweshole, niomana ny amin'izay mety hatahorany dia ny hisian'ny korontana mandritra ny fifidianana sy ny mety ho vokany aty aoriana.

Na izany aza, ny tena ao ambadiky ny tantara dia ny fahafantarana fa ny fiandog=han'ny volana febroary dia efa nolazaina ny mikasika ozay ho lohany anankiroa any Malawi: vehivavy iray mpanara-dia ny filoha, sy vehivavy iray hafa mahaleo tena mirotsaka ho fidiana. Hon. Joyce Hilda Banda, Minisitry ny Raharaham-bahiny tany an-toerana, sy Hon. Loveness Gondwe, mpikambana ao amin'ny parlemantera sady filohan'ny antoko vaovao New Rainbow Coalition Party, ireo vehivavy ireo.

Raha nahagaga sy nahatalanjona ny filatsahan'i Hon. Loveness Gondwe dia safidy kosa ny an'i Hon. Joyce Banda nanaitra ny firenena raha nanolotra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana izay ho filohan'i Malawi ny tompon-toerana Dr. Bingu wa Mutharika ny 06 febroary lasa teo, ary fantatra fa i Hon. Joyce Banda no mpilatsaka ho fidiana natolotry Dr. Mutharika. Aorian'ny fahafantarana ny anaran'ireo mpilatsaka ho fidiana vao ho fantatra ny hoe iza no hanaovan'ny olona fanamby, mandram-piandry izay ho tafavoaka voalohany. Natao “adin'ny mpivady” sy “mifanafina” izy ity, araky Boniface Dulani, mpitoraka bilaogy.

Maro amin'ireo tombatombana ny amin'izay ho mpifaninana amin'i Dr. Mutharika no mitangorona manodidina ny Minisitry ny Vola any Malawi, Hon Goodal Gondwe, ekônômista ambony manan-kaja sady noheverin'ny mpamatsy vola FMI fa ati-doha nanosika ny ekônômia sy ny fambolena tany an-toerana hatramin'ny 2004, niaraka tamin'i Dr. wa Mutharika. vao nahazo ny loka ho an'ny >Minisitry ny vola nahomby indrindra taty Afrika tamin'ny taona 2008 i Hon. Goodal Gondwe. manampy ireo rehetra ireo dia avy any amin'ny faritra Avaratra koa izy, faritra izay hita araky ny tantara fa vitsy mponina raha ampitahaina amin'ny faritra 2 hafa dia ny afovoany sy ny atsimo.

Ny filoha voalohan'i Malawi, Dr. Hasting Kamuzu Banda dia avy any amin'ny faritra afovoany, izay nofantohan'ny herin'ny fitondrany nandritra ny 30 taona. Nanomboka ny 1994 hatramin'ny 2004 dia nifindra nankany amin'ny faritra atsimo ny hery, izay niantsoana an'i Dr. Bakili Muluzi teo aloha. Ny filoha am-perin'asa, Bingu wa Mutharika, izay avy any amin'ny faritra atsimo, no nahita fa tokony homena ny faritra avaratra izay hadino teo amin'ny lafiny pôlitika, miaraka amin'ny fitantanana ny vola notarihan'i Goodall Gondwe, ny fitantanana raha ilaina ohatra.

joyce-banda-hunger-project1
Hon. Joyce Banda–Hunger Project Photo

Niteraka resabe fankahalana ity vaovao ity indrindra ho an'ireo mpiresaka an-tserasera, izay nahatsapa fa ny nifidianan'i Dr. wa Mutharika an'i Hon. Joyce Banda dia mitondra ainga vao ho amin'ny fahombiazana satria ny filoha lefitra hatramin'ny taona 2004 dia tsy mitovy toerana nihaviana amin'ny filoha. Mahita koa ny sasany fa ohatry ny famadihana ny faritra avaratra izy ity, izay fari-pifidianana ara-dalàna. Nandinika ny mpitoraka bilaogy mpanao gazety, Bright Sonani:

Tsy zavatra afenina izy ity. Naneho ny fankasitrahany ny safidin'ny filoha Bingu wa Mutharika an-dRamatoa Joyce Banda hilatsaka ho fidiana ny Livingstonia Synod raha toa ka tokony ho ny Minisitry ny Vola Goodall Gondwe no narotsaka, izay fantatra fa malaza ankehitriny ary afaka miaraka tsara amin'ny mpitarika ny DPP.

Milaza ny sasany fa milalao “karatra ara-paritra” ny filoha, raha nanambara kosa ny hafa fa nanome lanja sady nampitovy ny rehetra izy, ary nanamarika fa ny vadin'i Hon. Joyce Banda, Andriamatoa Richard Banda, Filohan'n y Fitsarana dia avy any amin'ny faritra avaratra.

Ny fanamarihana hafa dia mikasika ny fahombiazany sy ny fitomboan'ny fahalalana azy, nanomboka ny taona 1997 nahazoany ny loka ho an'ny mpitarika mahay indrindra aty Afrika niaraka tamin'ny filoha Mozambikana Joachim Chissano, loka nomen'ny New York ao amin'ny Hunger Project.

nanampy izany ny bilaogy Malawi Politics :

Ity fanendrena ity dia narahan'ny toeram-piasana hafa toy ny Mpikambana ao amin'ny Parlemanta sy ny Ministera mikarakara ny Ankizy sy ny Sampan'Asa momba ny Fiaraha-monina izay nandraisany anjara betsaka vao haingana tamin'ny fanaovana lalàna mikasika ny herisetra ao an-tokantrano any malawi, izay rava 7 taona lasa izay. fanampin'izany, nataony ny Fihaonam-be Nasionaly momba ny Hetsika ho an'ny kamboty ny ny zaza sembana ary ny tsy fandeferana amin'ny herisetra atao amin'ny ankizy.

Nandroso hevitra ny amin'ny lalàna momba ny ny fanabeazana izy hampahomby ny lafiny ekônômika hivelaran'ny vehivavy sy ny tovovavy izay maro an'isa hampisy fiovana maharitra any Malawi.

Kanefa ho an'i Isaac Ziba, mpitoraka bilaogy, mitonona ho avy amin'ny faritra avaratra, dia tsy tokony hisy resaka ny maha avy any atsimo an'i Hon. Joyce Banda. Mahita izy fa ny fitomboan'ny maro “hanala devoly” dia tsy tokony harahan'ny firenena intsony ny foto-pisainana “fizarana ara-paritra”:

Raha izaho manokana dia faly aho ny amin'ny fiakaran'i Joyce Banda hirotsaka ho fidiana sy amin'ny filoha Dr. Bingu wa Mutharika amin'ny fifidianana ho avy tsy ho ela. Ny antony dia noho ny fanantenako fa tokony ary tsy maintsy tokana i Malawi ary entina tahaka ny firenena tokana – miaraka amin'ny fivakisana tokana – Malawi. Ao ireo milaza fa azo lazaina ho tokana i Malawi na dia mizara telo aza – avaratra, afovoany ary atsimo – tsy hoe akory fiovana eo amin'ny toerana misy azy fotsiny fa fiovana amin'ny lafiny ara-pôlitika sy ny ezaka rehetra koa – tafiditra amin'izany koa ny fivoarana.

Mpanao gazety mpitoraka bilaogy iray, Mzati Nkolokosa, mitonona ny tenany fa tsy avy amin'ny faritra avaratra, mitanisa ireo namany avy any avaratra kosa, ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe : “Ny namako avy any Avaratra”. Milaza izy fa ny mpiray mihira aminy, 25 hatramin'ny 35 taona, dia maniry Malawi vaovao izay hanome lanja kokoa ny hevitra noho ny fihaviana. Nohamafisiny fa ny fanatanjahan-tena any Malawi dia fehezin'ny avy any avaratra, kanefa ny tanora any an-toerana dia tsy manisy olana ny amin'izany, raha mbola voakarakara tsara izy ireo:

Tsy mampaninona anay ny maha avy any atsimo an'i Mutharika sy Banda raha mbola eo amin'ny Minisitry ny Fanatanjahan-tena ny avy any avaratra dia i Symon Vuwa Kaunda sy ireo hafa koa toa an-dry Walter Nyamirundu, CEO Charles Nyirenda, ny mpitantana Sugzo Niyeranda sy ny mpanazatra Kinnah Phiri.

Raha manao ny fivoriany any Tumbuka na any Tonga izy ireo dia tsy mampaninona anay izany. Ny hetahetanay dia ny fanatanterahany ireo toky nomeny ary ny hitohizan'izany. Nafindran'izy ireo ny fanilo ho an'izay resy lava. Ao amin'ny toerana tokony hahombiazany izy fa tsy miankina amin'ny seza.

Steve Sharra

Steve Sharra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.