Haiti:Na Fetibe [carnaval], na tsy misy

Ny fifandimbiasan'ny loza voajanahary tany Haiti tamin'ny 2008 toy ny orambe narahin-drivotra mahery Ike, Hannah sy Gustav ary ny firodanana mahatsiravin'ny sekoly fanabeazana fototra tamin'ny Novambra, tany Pétionville, dia nahatonga ny fankalazana ny fetibe [ny karnavaly] ho mitombina sy tena  ilaina tao Haiti tamin'ity taona ity..

Hatramin'ny 4 Janoary,  ny mpitoraka blaogy Darlie dia nanomboka ny fanisana miverina ‘ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny fetibe (Carnival) – ny daty nambaran'ny mpitoraka blaogy Haisianina Elsie, izay namoaka hafatra avy ao any amin'ny Espace Loas Centre d'Art Haitien dia manazava ireo fototra ara-pinoana niavian”ny fetibe [karnavaly] [Fr]:

[…] La saison dite de carnaval se déroule suivant le calendrier catholique du jour des rois et a donc commencé le Dimanche après l'Epiphanie (4 Janvier) pour atteindre sa culmination le 24 février, dernier jour des “ trois jours gras ”.

[…] […] Ny fotoan'ny fetibe karnavaly dia manaraka ny tetiandro katolika ka noho izany, manomboka ny Alahady voalohany aorian'ny Epifania (4 Jan.) mba hatrany amin'ny “climax”  ny 24 Febroary,  izay andro farany amin'ny “telo andro matavy”.

Ny tena mahazava tsara ny toerana lehibe tanàn'ny Karnavaly eto Haiti dia ny fanekena fa ity fomban-drazana ity dia tena mamaka lalina ao anatin'ny kolontsain'ny vahoaka Haisianina. Ireto misy fomba fijery  momba ity fanadihadiana ity  izay sady ifampizaran'i  Elsie [Fr]:

Le Carnaval ou « mardi-gras » demeure l'une des grandes manifestations socioculturelles du peuple haïtien.

Ny fetibe  karnavaly na ny “Talata matavy” dia iray amin'ireo fihetsiketseham-be sosialy sy kolotoraly eo amin'ny mponina Haisianina.

sy  Darlie [Fr]:

C'est devenu au fil du temps, la plus grande manifestation culturelle haïtienne où l'on voit des millions de gens de tout âge, de toute culture, de tout horizon…

Ary tsikelikely teny dia lasa fihetsiketsehambe kolotoraly Haisianina izay ahitanao olona an'arivony avy amin'ny sokajin-taona rehetra, kolontsaina marolafy ary avy amin'ny vazantany rehetra…

Araka ny nosoratan'i Elsie, ny fetibe karnavaly dia manana asa hafa – “Karakaraina ihany izy ity na dia eo aza ny fahasahiranana ara-tsosialy, ara-toekarena sy ara-politika [Fr]:

[…] Comme a dit un ancien maire de Port-au-Prince, dans la société haïtienne, cette festivité n'est pas négociable. […] Tacitement, il y a une trêve politique; les problèmes sociaux passent au second plan pour laisser place au défoulement indispensable.

[…] Araka izay notenenin'ny Ben'ny tanàna teo aloha tao Port-au-Prince dia tsy azo iadiam-barotra mihitsy ity fankalazàna ity ao anaty fiaraha-monina Haisinina.[…] Toa mandeha ho azy ny fisian'ny fifandeferana ara-politika; ny olana ara-tsosialy dia navela any aoriana any mba hiatrehana ny tena votoatin'ny filàna manadino ny zavatra rehetra  aloha.

Manoloana izay, Darlie dia mandray endrika hafa momba ny fetibe karnavaly izay ampiasana azy ity ho toy ny lafika dokambarotra goavana ho famarotana entana ho an'ireo orinasa lehibe [Fr]:

C'est un atout majeur pour les commerçants et fabricants de faire connaître leurs produits en investissant fort dans la publicité.

Izy ity dia tombony lehibe  ho an'ireo mpivarotra sy mpamokatra  izay mampahafantatra ireo vokatra avoakany amin'ny fampiasam-bola be amin'ny sehatra dokambarotra.

Julie dia mamahana blaogy amin'ny traikefa ananany momba ity  fetibe karnavaly any Haiti ity  ary maneho izany amin'ity sary ity miaraka amin'ny fanamarihana avy aminy [Fr]:

J'aurais pû faire un zoom sur les magnifiques costumes mais il aurait été dommage de vous priver de la grosse campagne de promo des compagnies américaines qui importent le riz en Haiti, anéantissant la production rizicole nationale.

Azoko nalaina akaiky kokoa  ny momba ireny fitafy tsara tarehy  ireny aho nefa indrisy, mety ho tsy nahita ny fanentanana goavana nataon'ireo orinasa Amerikana mpanafatra vary eto Haiti ianareo, izay mamotika ny famokarana vary ato anatiny.

Ao amin'ny blaoginy, mampiseho sary avy amin'ny fetibe karnavaly izy – tsy ny avy any Port-au-Prince irery fotsiny, fa misy koa avy amin'ny fetibe karnavaly majafinaritr'i Jacmel, miaraka amin'ny sarontavany, ireny “monstres” na biby ireny.

“I Darlie dia sady  manameloka ny herisetra mitranga eny antsefantsefan'ny hetsika eny no koa mitsetra ireo tratry ny fahavoazana aterak'izany, mitsetra izy fa hoe tsy mbola be mpahalala loatra any ivelany ny fetibe karnavaly Haisianina ary tantarainy  ihany koa ny hafaliany tsy omby tratra amin'izy ity. [Fr].


Ny sary kely izay nampiasaina tamin'ity hafatra ity, “Karnavaly ao  Haiti”, dia avy amin'I Ben Gancsos (photo © Ben Gancsos / Wonderful Machine) ary dia nampiasaina nahazoana alalana taminy. Tsidiho ny tranonkalan-tseraseran'i Ben sy ny sariny ao amin'ny flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.