Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!

Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro, anatin’izany ny grenady, ny roketa, ny basy marovava, sns. Tsara vintana fa tsy niharam-boina ireto mpilalao Sri Lankey ary efa eny an-dalana mody any amin’ny taniny izy ireo.

Tao an-tsekoly aho no naheno ny firefodrefotry ny tifitifitra. Liana te ahafantatra izahay ary nanomboka nananao fanadiahadiana hoe inona marina moa no tena nitranga, ny iray tamin’ny namakao aza moa dia nanao vazivazy madinika mikasika izany teny am-pandehanana. Kanefa tsapako fa zavatra hafahafa sady mahatsiraviana no azo antoka fa nitranga. Dimy minitra avy teo dia nahazo hafatra SMS avy tamin’ny namako aho ary azoko tamin’izany ny vaovao momba ilay fanafihana.
Natahotra avoko ny tsirairay niaraka tamin’ny mpampiantray ary hita fa tsara fanahy tokoa izy nanaiky anay hivoaka. Eo akaikin’ny toerana nisy ny fanafihana no misy ny anjerimanontolo ianarako, antsoina hoe Liberty Chowk. Hita fa mitohana ny fifamohivohizana ary hita ihany koa fa mihotakotaka ny eny amin’ny arabe ivelan’ny anjerimanontolo. Misiosio ny tsaho eny rehetra eny fa hoe mahatsiravina be hono ny fanafihana, vitsy no miteny fa anisan’izany ireo olona Sri Lankey.
Nandeha niazakazaka haingana teny amin’ny trano fijerena aterineto aho ka antenaina fa ahita mivantana ny zavatra tena nitranga marina. Tohina tanteraka ny tenako nahita ny fifampitifirana mahatsiravina nisy teo amin’ny mpampihorohoro sy ny polisy tao anatin’ny sary tapatapany omen’ny televiziona SAMAA. Nitony ny saiko rehefa nahafantatra fa tsy nisy naninona ny Sri Lankey, kanefa etsy andaniny, malahelo ihany ny tenako naheno ny nanjo ireo polisy tao an-toerana.

Raha te hijery ny antsipirihiny ny tantatra entiko, dia asaina ianao hiditra ao amin’ny blaogiko.

Nampiditra anterineto ny horonantsary manaraka tao anatin’ny YouTube miaraka amin’ny ampahan-tsarin’ny fanafihana I AljazeeraEnglish:

miaraka amin’ity teny manaraka ity no namborahan’I Naeem Sidhu ny vaovao:

Ny Talata maraina, nisy nanafika tao Lahore ny mpilalao Criket, namana ankafihizinay, avy any Sri Lanka, izany dia nametraka ny firenena iray manontolo tao anatin’ny henatra, dona ary miaraka amin’ny eritreritra voakorontan’ny tsy finoana. Miaraka amin’ny fanomezan-dalana avy amin’ny Governemanta Colombo, dia nanapa-kevitra ny hitety an’I Pakistan any ekipa SL na dia eo aza ny tahotra mahakasika ny fandriampahalemana ary toherin’izy ireo ny toro-hevitra avy amin’ny firenena mpilalao Cricket. Mimisy ihany vava ataon’I india izay manohitra ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipa SL. Noho ny fahadisoantsika teo amin’ny filaminana, ny fitifirana tamin’ny Talala dia nanampy ny fanamarinana ny fijorona ananan’izy ireo ary nahatonga ny fikatonan’ny varavarana eo amin’ny lalao iraisam-pirenena Criket ao Pakistana mandritra ny taona maro ho avy – Ny fihemorana ratsy indrindra ho an’ny lalao teo amin’ny tantara.

Niezaka ny ampifoha ny governemanta mitondra amin'izao fotoana izao i Yasir Imran amin'ny teny hoe:

“toe-javatra mampalahelo izy ity, izay azo amarinina fa ratsy ho an’ny mpilalao Cricket Pakistaney. Fa ny fihetsiky ny governemanta ankehitriny dia mety hanamaivana ny loza. Tokony miheritreritra ny tombotsoan’ny tenany ny vahoaka Pakistaney, mba hanokana fotoana ho an’ny firenena satria tao aorian’ny fanjakan’ny lalanan’i Bhutto, dia tsisy tamin’ny olona ao amin’ny antokon’ny governemanta no nanaporofo fa mendrika ny firenena. Tao anatin’izay governemanta rehetra nentin’izy ireo izay, dia nitombo hatrany ny fiakaran’ny vidin’entana sy ny tsolotra.”
Mizara ny fahasorenany I Pakistani Housewife blog:

Inona no nitranga teto amin’izao tontolo izao iainantsika? Mety misy farany ve ny hatezerana? Ny toe-javatra miseho eto amin’izao tontolo izao sy ao I Pakistana manokana no miharatsy andro aman’alina. Ireo no lalana diavintsika, ireo no arabe ivezivezen’ny fiarantsika miaraka amin’ny zanantsika kanefa tsy ohatry ny taloha intsony ny zava-drehetra. Mihevitra aho fa nahafaty olona vitsivitsy ihany ity asa fampihorohoroana ity kanefa kosa nampisavorovoro ny sain’ny olona an-jatony sy anarivony amintsika izany. Mahadonto anay, manala ny fanirinay hiaina sy hanana fanantenana satria ao anatin’ity  fotoana mahatsiravina ity dia efa tsy eto aminay intsony ny fahasambarana ho amin’ny andro ho avy.

Miteny I Teeth Maestro:

Azo antoka ankehitriny fa ity fotoana mampalahelo ity no manamarika ny faran’ny lalao Cricket ao Pakistana mandritra fotona maromaro, efa manakaiky ny sehatra korontana ilay lalao niarahana tamin’I India, tondroin’ny mpandinika toy  I Kamran Khan ao amin’ny Geo sy Hamid Gul sahady I India. Tokony ho voamarika tsara aloha fa mitovitovy tamin’ny fanafihana an’I  Mumbai ity asan-jiolahy ity kanefa araka ny tokony ho izy dia tokony ho fantatry ny olona iray fa mety ho mifono fiforonan’ny ady hevitra  eo amin’ny India sy Pakistana izany. Efa nangetaheta mafy mitady fialan-tsiny hamaliana an’I India mahakasika ny fanaratsiana an’I Mumbai ny mpanao politikantsika, ny biraom-pitsikilovana ambony sy ny gazety, ary mety hanome azy ireo fahafahana manatanteraka izany sahady ny toe-javatra niseho androany tao Lahore.

Mamintina I Kamran Abbasi ao cricinfo:

Ny voka-dratsy  faran’ny kely indrindra tao anatin’ity fahavoazana ity dia ny hoe voamarina fa tsy nekena ny hevitr’ireo mpisolovava – tao anatin’izany ny tenako  –  manohana ny fitohizan’ny lalao iraisam-pirenena Cricket ao Pakistana. Tsy hisy intsony izany ny ekipa iraisam-pirenena hamangy an’I Pakistana, ary ny fiadidian’ny lalao Cricket ao Pakistana dia tokony  efa manomboka ny fanoloran-tena  mikarakara  amin’ny endrika tsotra ny fitetezam-paritra ho amin’ny taona ho avy, na mihoatra izany. Ity no andro maizina indrindra ho an’ny tantaran’ny lalao Cricket Pakistaney ary nitranga izany tao anatin’ilay tanana mahate-ho-tia Lahore, renivohitra lehiben’ny zaridaina sy ny fandrihampahalemana izy tamin’izay andro izay,

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.