Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel

Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit (efa voafafa!) ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008.

Teto dia nanambara I Ahmed Abdel Fattah ary nanambara ihany koa I Arabawy ao amin’n bolongany fa I Maeit dia ho foanana.

Nanoratra I Karim Beheiry :

اصدرت نيابة امن الدولة العليا طوارىء بالتجمع الخامس قرار بأخلاء سبيل محمد عادل صاحب مدونة ميت والذى تم اعتقالة منذ اكثر من ثلاثة شهور على خلفية اتهامة بالانضمام الى جماعة سرية مسلحة تقوم بالاتصال عن طريق الانترنت هدفها دعم حماس … وحتى كتابة هذه السطور مازال عادل داخل نيابة امن الدولة العليا بالتجمع الخامس ولم يتم تنفيذ قرار الاخلاء فعليا
مدونة عمال مصر تتقدم ببالغ الفرحة والتهنئة لاسرة عادل واصدقائة وتتمنى له الاخلاء الفعلى خلال وقت بسيط
Nataon’ny Biraon’ny Fandriampahalemana Avo momba ny Fanamelohana an-taratasy ny famotsorana an’I Mohaamed Adel tompon’ny bolongana antsoina hoe Maeit izay fantatra fa voatazona am-ponja nandritra ny 3 volana. Voampanga mantsy ny blaogy Maeit fa niditra tao anatin’ny vondrona aterineto mitam-piadiana miafina izay manohana an’I Hamas. Mandra-pahatongan’ny fotoana nanoratana ireto teny ireto dia mbola voatazona to amin’ny Biraon’ny Fahandrimpahalemana Avo momba ny Fanamelohana I Adel ary tsy mbola afaka madiodio tanteraka. Miarahaba an’I Adel, ny fianakaviany, sy ireo namany bolongan’i Egy Workers ary manantena koa izy fa ho votsotra tsy ho ela izy.

Afaka hitano eto ny mahakasika misimisy kokoa ny fisamborana an’I Adel, eto ihany koa, ary ato anatin’ity vondrona facebook ity e

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.