Sary mihetsika : ankalazaina ny vehivavy amin'ny andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireo

Efa nankalazaina nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1900 ny Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: raha hiverenana kely ny tantara dia fampahatsiahivana ny fitondrana tsy nety natao tamin'ny vehivavy sy ny tolona mafy tsy an-kijanona natao hahazoana fitovian-jo. Na izany aza, tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia maro amin'ireo tsy fitovian-jo ireo no efa voavaha ary ankehitriny dia fanao ny mankalaza ny andron'ny vehivavy hitadidiana ireo efa nahazoana valiny mahafa-po fa tsy hoe hitadidiana ireo fotoana mampalahelo akory. Ary hita taratra eny amin'ny asan'ny mpanoratra tononkalo sy mpihira fa izay tokoa no ataon'ny olona maro manerana ny tany.

Nikarakara seho an-tserasera ny Ministeran'ny Fiainam-pianakaviana any Chili hankalazana ny andron'ny vehivavy, ary hatramin'izao anio izao, dia mitondra tononkalo mahafinaritra ho antsika izy izay novakian'ny vehivavy maro. Ilay tononkalo mitondra ny lohanteny hoe “Ode to the Washerwoman” na Kalo ho an'nilay mpanasa lamba, nosoratan'i Pablo Neruda, izay mamaritra amintsika ny sarina vehivavy iray manasa lamba amin'ny alina mba hamelomany ny ankohonany, ny labozia sy ny volana no mba hany namany:

La nocturna
lavandera
a veces
levantaba
la cabeza
y ardían en su pelo
las estrellas
porque
la sombra
confundía
su cabeza
y era la noche, el cielo
de la noche
la cabellera
de la lavandera,
y su vela
un astro
diminuto
que encendía
sus manos
que alzaban
y movían
la ropa,
subiendo
descendiendo,
enarbolando
el aire, el agua,
el jabón vivo,
la magnética espuma.

Isak'alina
Ilay mpanasa lamba
Indraindray
manatsika
ny lohany
mitaratra eny amin'ny volony
ny kintana
satria
ny aloka
mampifangaro
ny eny an-dohany
alina tamin'izay, ny lanitra
ao anati'ny alina
ny volon’
ilay mpanasa lamba,
sy ny jirony
kintana
kely
manjelatra
ny tanany
miakatra
mihetsika
ny lamba,
miakatra
midina,
atontona
ny rivotra, ny rano
ny savony,
ny raotrany.

Any Pero, nivory tany Lima ny mpikambana ao amin'ny Colective Canto a la Vida, nangataka ny fanajana ny zon'ny vehivavy sy ny zo aram-pananahana: ny zo amin'ny fanalan-jaza, manohitra ny fanerena tsy fahazoana miteraka ary ny fidirana ao amin'ny Day After Pill.

Tsy ny vehivavy Peroviana ihany no nivory. Taterin'ny Nepalnews.com ao amin'ny serasera mailaka Nepali news channel koa ny fihetsiketsehana nokarakarain'ny vehivavy tao an-drenivohitra ao Kathmandu:

Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra, ilay mpihira Bielorussina Dmitry Koldum, nanohitra ny Eurovision tamin'ny taona 2007, no namoaka ny sariny mihetsika amin'ilay hira hoe  “ny tovovavy rehetra eran-tany”, amin'izao androny izao:

Ho an'ny vehivavy rehetra maneran-tany, arahaba tratry ny Andron'ny Vehivavy!

Juliana Rincon Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.