The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Morocco
Lohahevitra:
Zavakanto & Kolontsaina, Gender, Haisoratra
Teny:
Anglisy

 

Efa ho taona vitsivitsy izay no nanoratany ny bokiny voalohany, vokatra azo avy amina fanakambanan tantara mitondra ny lohateny hoe Hope and Other Dangerous Pursuits (Fanantenana sy ny Fanenjehana hafa atahorana), no navoaka. Tafiditra tao anatin’ny mpanoratra fanta-daza ao Morocco I Laila Lalami. Rehefa voadika tamin’ny teny Anglisy ny asa soratra vitsivitsin’ny Marokana, eny fa na ny an’ireo mpanoratra vehivavy vitsivitsy koa aza, dia nameno ny banga eo amin’ny fifandraisan’ny literatiora Morokana amin’ny literaora tandrefana ny bokin’I Lalami voasoratra amin’ny teny Anglisy.

Mpamaham-bolongana ihany koa I Lalami izay matetika resahin’ny Global Voices. Ao anatin’ny lahatsoratra nampidiriny vao hiangana dia maneho ny hafaliana tamin’ny famoahana ny bokiny vaovao antsoina hoe Secret Son izy, ary zarainy ny sary eo amin’ny fonosan’izany:

Rehefa mihamanakaiky ny datin’andro farany entina amoahana an’I Secret Son, dia hitako fa tena sahirana mihintsy ny tenako mikarakara ny zava-drehetra izay miseho ao ambadik’izany toy ny: fitetezana isan-karazany, ny dokam-barotra, ny fanaraha-maso/fanitsiana misimisy kokoa, ny fanatontana ny boky any am-pitan-dranomasina, sns… Hita eto, ohatra, ny fonosan’ilay boky vita farany, miaraka amin’ny tokotanin-doko misongadina tsara sady vita soritra malefaka aok’izany:

secretson

Manamarika mikasika ny fivoahan’ny bokin’I Lalami ihany koa I the a la menthe, mpamaham-bolongana Amerikana mijery akaiky ny mahakasika an’I Moroko, ary zarainy ny dokadokan’ity boky ity:

Vonona ho an’ny mpanjifa ny boky amin’ny faha 21 Aprily 2009

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.