Ekoatera: Resadresaka miaraka amin'ny mpandresy tamin'ny blaogy Amerikanina Latina tsara indrindra

Na dia tsy afaka nandeha tany Espana[es] mba hahazo ny loka (prize) amin'ny “Blaogy Latina Amerikanina tsara indrindra”  tao anatin'ny fifaninanana[es] notohanan'ny mpampahalala vaovao  Espaniola 20 Minutos aza,  Carlos Suasnavas dia nahazo voninahitra tamin'ilay mari-pahatsiarovana ary nanolotra izany kosa ho an'ireo mpamaky azy. Ny blaogy, izay iarahany manoratra amin'i Evan any Argentina, izay antsoina hoe Sentando Frente Al Mundo [es] (mipetraka manoloana ny tany (in Front of the World)) ary nofidin'ny mpitsara sy ireo mpitoraka blaogy hafa. Ao anatin'ity fanadihadiana ity izay natao tany aminy tany Quito ity, asehony ireo antony nanosika azy ireo hamorona blaogy  ary manazava amintsika hoe fa maninona no ny teratany vahiny no maro noho ny Ekoatorianina amin'ireo mpamaky.

Carlos Suasnavas anatina sary nalaina manokana ho amin'ity  fanadihadiana tany Quito, Ekoatora ity. “Courtesy of Suasnavas”

Milton Ramirez: Iza moa I Carlos Suasnavas?

Carlos Suasnavas: Carlos Suasnavas dia 37 taona, Ekoatorianina, tia mamaky ireny boky tsara ireny, literatiora klasika [classic], siansa amin'ny ankapobeny ary miezaka haneho ao anatin'ny blaoginy ny zavatra izay novakiany, henony ary izay zavatra nahaliana azy fatratra. Izy koa dia mpandraharaha, izay liana amin'ny momba ny toekaren'ny taniny, amin'ny hasambaran'ireo mpiasany sy manome fahafaham-po ny mpanjifany.

MR: Ny blaoginao dia nofintinina tao amin'ny  “mipetraka manoloana ny tany ” inona no dikan'izany aminao?

CS: Ny dikany dia izaho sy ianao na ny olona hafa koa  dia manana tombon-dahiny afaka  mipetraka manoloana ny varavarankelin'ny aterineto izay manome antsika fahalalana momba ny kolontsaina, ny ny fomba amam-panao samihafa, ny tantara, ny fomba fiaina sy ny zavatra manintona amin'ity planeta manga ity. Raha izao manokana, mahatsapa ny tenako fa tena niangarana raha  teraka amin'ity vanim-potoana ity izay ananantsika eo ambony latabatry ny biraontsika io varavarankely mahafinaritra io izay ahatsinjovantsika izao tontolo izao.  Tsy azoko mihitsy hoe maninona no  misy olona dia ny hijery ireny zavatra vetaveta [pornographie] sy ireny vaovao people ireny no iazakazahany, nefa ianao manana eo an-tananao ilay HANY fitaovana iray mitondra ao an-tokantranonao amin'ny fomba virtoaly ny tantaran'ny zanak'olombelona, ny zavakantony, ny siansa, ny haitao, ny pôlitika, toy ny hoe ny planeta iray manontolo mihitsy, ny haibolantaniny, ny biby ary ny zavatra maro an'arivony ao amin'ny taninao. Matetika isika no tsy mahatsapa akory ny fiangaran'ny vintana atsika hahazo izay fahalalana rehetra avy any lavitra any eran'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny tsindry bokotra iray monja. Ny anaran'ny blaogiko, Sentado frente al mundo, dia mahafaoka izany rehetra izany.

MR: Inona no eritreritretinao momba ny tontolon'ny blaogy Ekoatorianina  ary amin'ny maha mpamaky blaogy, iza no tianao indrindra?

CS: Raha ny momba ny blaogy Ekoatoranianina, toy ny any rehetra any, dia manana blaogy tsara voatra ianao,  nefa misy koa ny an'ny hafa. Misy ny mpitoraka blaogy sasany no mihevitra fa ny mahaliana antsika dia ny fiainany, ny fihetsem-pony, ary ny fiainany ny firaisana ara-nofony, nefa hatramin'ny nampahalalaka ny fitorahana blaogy, afaka manao izany ry zareo ary tsy misy lalàna manokana arahana izany, izany no antony ahitànao hadalàna maro ihany koa ao anatiny.  Ary nanomboka tamin'ny nampivelatra be ny blaogy, dia manana mpamaky momba ny zavatra rehetra foana ianao.

Ao amin'ny rohy fanarahako maso ny blaogiko dia mahita blaogy Ekatoriana tsara mihitsy aho,  izay tao hatramin'ny nanombohako ary avy amin'ireny no nahalalako, ohatra an'i  CeroCuatro [es], Aura Neurotica [es], La Gaby [es], Atrapasueños [es], Ecuador Ciencia [es], Tecnodatum [es], Sueños y Cuentos [es], ary El Apestado [es]

MR: Ao anatina ampahantsary fanadihadiana ianao dia namboraka fa ny olona dia mitoraka blaogy mba ho “fanalàna azy” [rehefa reraka]. Ianao ve manana hafatra tiana manokana izay netinao  “nanalàna azy”  ary nahoana?

CS: Araka ny efa fantatrao, ny blaogiko dia nivoatra, niala tamin'ny naha-blaogy ahy manokana azy ho amin'ny toerana misy azy ankehitriny.  Aanatin'izay fivoarana izay, dia misy ireo hafatra karazana romantika mijanona ary tadidiko fa feno fitiavana toa ny  “Angels and Demons‘  ohatra izay lahatsoratra tsotra mikasika ny vehivahy iray izay tena nanana ny toerany manokana tamin'ny fiainako, tena tiako izay lahatsoratra izay ary hitako any amin'ny blaogy hafa, ny sasany dia mametraka ny loharano niaviany, ny hafa tsia (tsy dia raharahiko loatra). Hitako tany amina pejy manokana hafa tany, “forums” , ary indray andro dia nisy olona nampiseho ahy ilay lahatsoratra tanatina karazana karatra postaly natao niaraka tamin'ny photoshop. Zavatra iray hafahafa koa satria nisy e-mail iray izay azoko ary niaraka tamin'ny lahatsoratra avy tamin'ny hafatro hafa,”Thrown Cards.’

Ireny rehetra ireny dia nahasosotra ahy tany am-boalohany, nefa ankehitriny dia tena tsapako ho mampirehareha ahy. Ary araka izay efa noteneniko, dia fotoana hafa iny ary tamin'iny fotoana iny, ny hery nanentana ahy koa dia hafa.

Nanoratra foana aho mba hanala ny sorisoriko, nefa nitandrina aho ny amin'izay mety ho famborahako ny fiainako manokana . Tsy namboraka tamin'ny olona afa-tsy izay tiako ho fantatr'izy ireo aho. Raha misy iray mamaky ny blaogiko ka miteny hoe izaho mahalala tsara an'I Carlos Suasnavas, dia diso izy.

MR: Ahoana ny fomba fandraisan'anjaran'ny blaogy Ekoatorianina amin'ny adihevitry ny mpiara-belona? Ahoana no ilazànao hoe ireo hafatrao dia ny vahiny no maro mamaky azy fa tsy ny  Ekoatorianina?

CS: Tsy mino aho hoe nahavita lahatsoratra  toy ‘ireny satria ara-boajanahary, ny blaogy manana firehana.  Manomboka amin'ny Filoha, dia mba mitaraina koa izahay ny amin'ny fitongilanan'ny gazety an-tsoratra sy ny fahitalavitra, inona no andrandrainay amin'ny blaogy soratan'ny tompony  miainga amin'ny tena marina niainany? Misy ireo blaogy mpomba sy tsy mpomba ny governemanta. Hatramin'izao dia mbola tsy nahita aho na dia iray aza tsy mitanila. Raha mbola tsy misy ny tsy fombana ny atsy sy ny aroa, tsy misy ny fifanakalozan-kevitra. Ny mahazo vahana izao dia ny adihevitra iheveran'ny tsirairay, na lahy na vavy, fa ny azy no marina.

Ny mahatonga ny blaogiko ho ny vahiny no maro mamaky azy, dia noho ny  antony roa. Voalohany, noho ny “charme”-n'ilay mpiara-mitantana azy io amiko, Evan, izay tera-tany argentina ary mitovy fitiavan-javatra amiko amin'ny resaka izay ataonay any anatin'ny hafatra.  Raha nisaina hanova ny hafainganam-pandehan'ny blaogiko aho taona iray lasa izay, azony tsara ny hevitro. Ny antony hafa kkoa ny tsy fisian'ny resaka fahafatesana, politika na koa ny fiainako manokana, izay zavatra tian'ny Ekoatorianina ny mamaky azy.

MR: Ahoana ny fiovam-pijerin'ny mpitoraka blaogy/mpandraharaha Carlos Suasnavas amin'ireo fampahalalam-baovao  nasionaly nanomboka tamin'ny nahazoanao ny loka tamin'ny fifaninanana blaogy Amerikana-Latina tsara indrindra?

CS: Fifandrifin-javatra ny maha mpandraharaha sy mpitoraka blaogy ahy, ary ity dia mbola fifandrifin-javatra hafa koa ny nivoahako ho mpandresy  tamin'ny fifaninanana blaogy Amerikanina-Latina tsara indrindra. Ny mpianatra amin'ny lycée sy ny kolejy, ny vehivavy tsy miasa na mpiasa tsotra dia mety ho afaka nandresy. Nety  ho mpanao gazety koa no nandresy , saingy izay ny fahatsaràn'ny fahalalahan'ny aterineto, ianao dia tsy voafetra ho ao anatina sehatra iray monja  na koa mampiseho ny diplaomanao mba hahafahanao manokatra blaogy manokana. Ity dia sehatra tsy ilàna diplaoma, ny zavatra ilaina fotsiny dia ny hoe tian'ny mpamaky ny zavatra izay apoitranao ary manohy mamaky  ry zareo.

Tsy fantatro ny mpampahalàla vaovao na mijery ahy amin'ny fomba hafa. Fantatro fa tsy manao toy  izay ny fahitan'ireo namako. Tsy azo lavina, iny fandresena iny dia nanome ahy nahatonga ahy ho fantatra be teo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao, tamina fanadihadiana maro isan-karazany, nefa hatreto, tsy dia nanova zavatra iny. Ny zavatra iray izay tiako fotsiny dia ny fitomboan'ny fitsidihana ao amin'ny blaogiko, ny fahitako fa be mpamaky ny blaogiko sy ny fahasambarana amin'ny fahalalako fa manampy ny mpamaky amin'ny fivoarana ara-kolontsaina izy io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.