Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra fanadihadiana “An’iza ity hira ity”? ny mpitoraka bolongana maro Masedoniana tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Tale Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

Ny Blaogy Arheo no namoaka ny sombiny tamin’ity tahiry ity voalohany.

[…] Na dia eo aza izany, tsy misy firehan-kevitra politika ny tahirin-tsary, mampiseho ny hitadiavanany maha izy azy sy ny hasosorana nasionaly ho an’ireo firenena avy ao Balkana ny fitadiavana ny maha izy azy asehon’ny hira. Ho solon’ny fifandraisana amin’izy ireo, eo amin’ny tsy fahafantaran-draharaha, dia voatery i Peevas tamin’ny fotoana sasantsasany no tsy maintsy miatrika ny fihetsem-pon’ireo olona nametraham-panontaniana milaza fa manohina ny fon’izy ireo izy.Raha niezakany hampifandray amin’ny lova kolotoraly ho an’ny Balkana amin’ny alalan’ny mozika amin’ity indray mitoraka ity I Adela Peeva dia nofehezina fa tsy mampino fa hoe amin’ny fomba ahoana ny hira iray tsy fantam-pihaviana no mahatonga fankahalana eo amin’ny vahoaka. Hita izany eny amin’ny faran’ny horonantsary, ka eo amin’ny fisehon’ny sary no miova ho tanimboly miroborobo ilay lapihazo (Fiesta) ary nanavotra “olona avy amin’ny firazanana samihafa”. Nitranga izany tao amin’ny sisin-tany anelanelan’ny Bulgaria sy Tiorkia.

Na dia izany aza dia tahirim-pahalalana lehibe izy ity, nahaliana ahy ireo seho anankiroa voalaza ao anatin’ny horonantsary – “hiran’ny ady ity ka ny rima/venty entiny dia avy any Eropa avaratra, satria tsy natao an’ny Balkana mihintsy izy ireo”. Anjaranao no mamantatra hoe aiza izany hira izany.

Rehefa nozaraina tao amin’ny tranok’ala Kajmak .ot ny bolongan’I Arheo dia maro ny fihetsika nivohitra:

Arwena:

Tsy fantatro hoe fa maninona no misy ny fitongilanana mankany amin’ny fifandirana sy mankany amin'ny firehan-kevitra nasionaly. Izay foana no toe-javatra misy ho an’I Balkana, satria mifandray tsy tapaka amin’ny tantara ny politikany. Mijoro aho : “fa tsy misy firehan-kevitra politika izany mihintsy ilay tahirin-tsary”, satria antony hafa no nanaovana izany. Angamba aloha tsy izany antony izany no nanamboarana azy tamin’ny voalohany, fa ny vokany kosa dia mitarika zavatra hafa tanteraka. Zavatra iray mety efa fahitantsika matetika izy ity rehefa misy ny fifangaroana eo amin’ny lova ara-kolotoraly sy ny zava-bita mahakasika ny firazanana sy ny sivilizasiona. Ny zava-drehetra ara-java-kanto izay misandrahaka, araka ny endriky fisehon’ny faritra dia mitarika firehan-kevitra politika mahaleo tena (nationalisme) ary ho eritreretina fa antony mahatonga ny resaka mirona any amin’ny politika izany.
Zlochko:

Eny, eny, vita tamin’ny endrika tsotra ilay izy mba hijevana ny tena maha izy azy ny hira. Izay no antony nilazany tamin’ireo Bosnianina fa ny Serba no manana ny raki-tsary fototra (eny fa na dia tsy mbola tany Serba aza izy), lazainy fa an’I Serba izany rehefa Bosnianina no resahina, ary kosa rehefa Bolgarianina no resahina dia milaza izay fa ny Tiorka no manambara fa azy ireo io hira io.
Tsy misy endrika fahatsorana ao anatin’ny tahirin-tsary…ary raha toa ka feno karazandrazan-javatra ao anatiny dia politika izany. Kanefa mety anie raha vita arak’izay koa izy e – mampiseho amin’ny fomba tsara ireto firenena ireto izany 🙂

Namoaka ilay horonantsary ny mpitoraka bolongana Razvigor ary nanoratra izy [mkd]:

[…] Ny mpilalao ao aminny horonantsary eo amin’ny sary misy an’I Albania dia milaza fa hiverina izy, ary nitranga tokoa izany tao amin’ny horonantsariny farany “Divorce Albanian Style” [mkd]. Mety hita ao amin’ny aterneto ve io horonantsary io?

Ireo no zavatra nolazaiko rehefa nitady an’ilay Macedoniana antsoina hoe Michael Moore aho [mkd]

Misy dikan-teny roa ity hira ity any Masedonia: avy any amin’ny vohitry Prilep ny iray “Oj ti Paco Drenovchanke” ary koa avy any amin’ny vohitry TetovoOj devojche, ti Tetovsko jabolche.”

Elena Ignatova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.