Filaharan'ny bolongana Afrikana

Raha mpanaraka ny bolongana Afrikana ianao dia mety ho liana ihany koa amin'ny filaharana ankapoben'ireo bolongana ao amin'ny tontolom-bolongana Afrikana. Azontsika fantarina amin'ny alalan'ny fampilaharana ataon'ny Afrigator ireo mitana ny lohalaharana sy bolongana be mpamaky indrindra eto Afrika. Nandahatra lisitry ny vehivavy Afrikana mpamaham-bolongana mitana ny laharana 45 voalohany koa ny mpanangona bolongana Afrikana Afrigator.

Indreto ary ny lisitry ny bolongana 10 voalohany:

1. Thought Leader: (Mpitarika fisainana) izay vondrom-bolongana mpanadihady sy mpanome hevitra avoakan'ny M&G Online (an-tserasera)

2. iMod: Bolongana mitana ny laharana faharoa eto Afrika sy ao Afrika atsimo. Bolongana anoratan'i Chris M izay mipetraka ao Le Cap, Afrika Atsimo. Mpiasa tenany misahana ny php i Chris.

3. Times Multimedia: Fampirantiana ny lahatsary, sary, feo ary sombin-tsarimihetsika atolotry The Times.

4. Web AddiCT(s): (Miankin-doha amin'ny web) izay fahanana Afrikana Tatsimo telo. Web AddiCT dia fanafohezana ny hoe Web “2.0″, Applications, Developments,Designs & Innovation in Cape Town (na Fampiharana, Fampandrosoana, Haiendrika & Fanavaozana eto an-Tananan'i Le Cap).

5. My Heart's in Accra: (Ny foko eto Accra) dia bolongana miresaka ny momba an'i Afrika, ny fampitam-baovao ary ny fampandrosoana iraisam-pirenena anoratan'i Ethan Zuckerman. Mpiara-manorina ny Global Voices Online moa i Ethan. Mitana ny laharana fahadimy manerana an'i Afrika fa voalohany any Ghana ny bolongany.

6. Blat: Mamoaka feo tsy am-pisainana.

7. Adii: bolongana miresaka ny haiendrika (fananganana) mahaleotena, Web 2.0, fandraisana andraikitra & tetipanorona avy amin'ny mpihira rock Adii.

8. Urban Sprout: (Tsimoka an-tanandehibe) Bolongana Afrikana Tatsimo mampisongandina ny tontolo maitso, ny vaovao sy ny hevitra mikasika izany, ary mifantoka ihany koa amin'ny vokatra misakaiza amin'ny tontolo iaianana.

9. So Close:(nanakaiky tokoa) Bolongana tanan'ilay mpamaham-bolongana malaza Afrikana Tatsimo Tertia. Misy soratra toy izao moa milazalaza momba ny bolongany : Tonga ihany aho rehefa tena nanakaiky nandritra ny fotoana maharitra. Fiainana taorian'ny fahamombana. Niainga tamin'ny fitantarana ny fiainany anaty fahamombana moa ny bolongany, So Close.

10. Wonkie Cartoons: Bolongan-kisarisary (samy hafa amin'ny bolongan-tsary) maneho ny vaovao ao haingana, ny tsahotsaho momba ny olo-malaza, fahagolan'i (sarimihetsika malaza) bollywood ary fanehoan-kevitra politika.

Ho tsikaritrao fa ankoatra an'i My Heart's in Accra (ny foko eto Accra) dia Afrikana Tatsimo avokoa ireo bolongana folo ambiny voalohany. Ny bolongana tsy Afrikana tatsimo ao anaty lisitra dia Black Looks (laharana faha-14) avy amin'ilay mpamaham-bolongana Nizeriana Sokari Ekine, Bankelele (laharana faha-18)avy any Kenya miresaka momba ny fahandroan-tsakafo fanao @ lafaoro (baking), fitantanam-bola ary ny fampiasam-bola any Kenya ary ny Bongo Celebrity (laharana faha-20), bolongana amin'ny teny Swahilimiresaka momba ny olo-malaza Tanzaniana. Mahaliana ny mahita bolongana tsy miteny anglisy tafiditra anaty laharana 20 voalohany eto @ kaontinanta.

Ndesanjo Macha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.