Febroary, 2009

Tantara tamin'ny Febroary, 2009

Eritreritra mamono: Endriky ny ditra ara-nofon’ny Ejipsiana

  28 Febroary 2009

Mba afaka mampitsahatra ny herisetra ara-nofo ao Ejipta ve ny Facebook groups, ny T-shirts mpanohitra fanadalana, ny bolongana, ny lahatsoratra, ny mpitoraka bolongana, na ireo tia fihetsiketsehana? Tsy azoko eritreretina aloha raha izay hoy i Wandering Scarab (ilay kadradraka mirenireny).

Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!

  26 Febroary 2009

Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay avy amin'ny nahandro Arabo, Espaniola, Tiorka, Jiosy, ary fomban-drazana Amazigh sady fantatra amin'ny fampiasana anana sy episy (mpampatsiro hanina). Mahalala...

Colombia: Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana

  26 Febroary 2009

Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

  26 Febroary 2009

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

  26 Febroary 2009

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

Ejipta : ny efatra andro nanagadrana an'i Philip Rizk

  26 Febroary 2009

Andro iray taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra hoe “Ejipta : mitohy ny fisamborana ireo mpanao pôlitika mahery fihetsika sy ny mpitoraka bilaogy” tao amin'ny Global Voices Online, dia nahoraka eran'izao tontolo izao ny vaovao mikasika ny nisamborana an'i Philip Rizk – ka niafara tamin'ny famotsorana azy izany rehetra izany. Mitantara ny nanafahana azy i Arabawy ...

Ekoatera: Resadresaka miaraka amin'ny mpandresy tamin'ny blaogy Amerikanina Latina tsara indrindra

  26 Febroary 2009

Na dia tsy afaka nandeha tany Espana[es] mba hahazo ny loka (prize) amin'ny “Blaogy Latina Amerikanina tsara indrindra”  tao anatin'ny fifaninanana[es] notohanan'ny mpampahalala vaovao  Espaniola 20 Minutos aza,  Carlos Suasnavas dia nahazo voninahitra tamin'ilay mari-pahatsiarovana ary nanolotra izany kosa ho an'ireo mpamaky azy. Ny blaogy, izay iarahany manoratra amin'i Evan...