31 Janoary 2009

Tantara tamin'ny 31 Janoary 2009

Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tany

  31 Janoary 2009

( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) ) Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny firenena ankehitriny. Mivezivezy manerana an'Antananarivo ny miaramila ary samy miantso fitoniana ny roa tonta ankehitriny. Miantso hanaovana an'Antananarivo ho “tanàna...

Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2

  31 Janoary 2009

Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka izany koa ireo tendrombohitra an-dafin-toerana nianjera ary ireo fihotsahan'ny tany noho ny dibo-drano. Azo fantarina aloha ny mety iharan'ny loza, fa hatreto kosa dia 3 no voamarina fa maty.