Nakaton'i Maraoka ny ambasadiny any Caracas

Nanambara i Maraoka tamin'ity herinandro ity fa hakatony ny ambasadiny any Venezoelà noho ny faneken'ity firenena ity an'i Repoblika Arabo Saharawi Demaokratika (SADR) ho firenena, Ilay faritra fantatra hoe “Sahara andrefana manko” die eo ambany fanapahan'i Maraoka. Firenena 48 no manaiky ny fijoroan'i SADR ary ny 13 amin'ireo dia manana ambasady Saharawi any aminy (jereo ny sary eto ambany).

Ny mpamaham-bolongana Maraokana Ibn Kafka no mitantara ny fizotry ny tantara eo amin'ny fifandraisan'i Maraoka sy Venezoelà:

Ceux qui me lisent connaissent le peu d’estime que j’ai pour les séparatistes, et quelques uns me le reprochent même régulièrement. Je me sens d’autant plus à l’aise pour vous communiquer les éléments d’information suivants, sous forme de calendrier.

3 août 1982: le Vénézuela reconnaît la “République arabe sahraouie démocratique“, qui a une ambassade à Caracas depuis cette date – voir son site (qui ne fait pas très sérieux, mais c’est une autre affaire).

2 septembre 2004: le président vénézuelien Hugo Chavez rencontre officiellement Abdelaziz el Marrakchi, leader des séparatistes, et affirme publiquement le soutien du gouvernement de la république bolivarienne du Vénézuela à la cause séparatiste.

6 juin 2008: un nouvel “ambassadeur” sahraoui est accrédité à Caracas, et est reçu par le ministre vénézuelien des affaires étrangères pour lui remettre ses “lettres de créance”.

27 décembre 2008: Israël lance sa guerre d’agression contre Gaza.

6 janvier 2009: le président de la république bolivarienne du Vénézuela, Hugo Chavez, déclare persona non grata l’ambassadeur d’Israël au Vénézuela, qui a 72 heures pour quitter le pays.

15 janvier 2009: un communiqué de la MAP annonce que le Maroc a décidé de rompre les relations diplomatiques avec le Vénézuela “en réaction à l’hostilité ouvertement affichée par ce pays à l’égard de l’intégrité territoriale du Maroc, compromettant tout effort de développement de la coopération bilatérale“. Le communiqué rajoute: “La république bolivarienne n’a pas cessé d’afficher ouvertement [son] hostilité au Maroc, joignant la parole aux actes, au plus haut niveau de l’Etat, portant ainsi un grave préjudice aux relations de bonne entente entre les deux pays“. Tout ceci est vrai, mais les jalons de cette attitude vénézuelienne vis-à-vis de la question du Sahara ont été posés entre 1982 (date de la reconnaissance de la “RASD” par le Vénézuela) et juin 2008 (date de la dernière accréditation d’un “ambassadeur” de la “RASD” au Vénézuela). Le Maroc réagit donc avec entre 6 mois et 27 ans de retard, selon le critère que l’on pourrait choisir pour déterminer le moment à compter duquel le Vénézuela a “affiché son hostilité à l’intégrité territoriale du Maroc“.

Mahafantatra ny tsy fankamamiako loatra ny mpiendaka izay mamaky ahy, ary misy moa ny mitsikera ahy mandrakariva amin'izany. Tena amim-patsany tsara aho raha manolotra anareo ireto singam-baovao ireto, amin'ny endrika fanisan'andro.
3 Aogositra 1982: Neken'i Venezoela ny fijoroan'ny “Repoblika Arabo Saharawi Demaokratika”, izay nanana ny ambasadiny teto Caracas hatramin'izany fotoana izany – jereo ny vohikalany (izay tsy dia matihanina loatra saingy lohahevitra hafa indray ny amin'izay).

2 Septambra 2004: Nihaona tamin'ny lehiben'ny mpiendaka Abdelaziz el Marrakchi taminn'y fomba ofisialy ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ka nanambarany ampahibemaso ny fanohanan'ny Repoblika Bolivariana ny mpiendaka.

6 Jona 2008: Nekena ny hiasan'ny “ambasadera” Saharawi vaovao tany Caracas, ary noraisin'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Venezoelana izy tamin'ny fandraisana ny taratasiny.”

27 Desambra 2008: Nanafika an'i Gaza i Isiraela.

6 Janoary 2009: Nanambara ny filoha Bolivarianan'i Repoblikan'i Venezoelà, Hugo Chavez, olona “tsy tonga soa” (persona non grata) ny ambasaderan'i Isiraely any Venezoelà , ka nomeny fe-potoana 72 ora handaozany ny firenena.

15 Janoary 2009: Nisy fanambarana an-gazety tao @ MAP [Maghreb Arabe Presse, Masoivohom-baovao-mpanjakana Maraokana] fa nanapaka ny fifandraisany tamin'i Venezoalà i Maraoka “ho valin'ny fihantsiana ataon'ity firenena ity manao izay hampizarazara ny sisitanin'i Maraoka, izay manimba ny ezaka fampandrosoana iarahan'ny roa tonta.” Nampian'ny fanambarana fa: “tsy mitsahatra ny mihantsy ady amin'i Maraoka ny Repoblika Bolivariana, namadika ny kabariny ho asa hatrany amin'ny sehatra ambony indrindran'ny fanjakana izany, ary miteraka fahasimbana lehibe eo amin'ny fifandraisan'ny roa tonta.” Marina daholo izany, saingy ny fototry ny fihetsika nataon'i Venezoelà momba an'i Sahara dia efa hatramin'ny 1982 (daty naneken'i Venzoelà ny SADR) sy tamin'ny Jona 2008 (daty nanekena hisian'ny “ambasaderan'” i “SADR” tany Venezoelà). Izany hoe 27 taona sy 6 volana taty aoriana vao namaly i Maraoka, raha raisintsika ho masontsivana ny “nanehoan'i Venezoelà ny fikitikitihana ny tsy fisarasarahan'i Maraoka.”

Roads to Iraq no nzampifandray ity raharaha ity amin'Isiraely, niteny hoe:

Morocco cuts relations with Venezuela because the Latin-American country supports the Polisario, who are recognized by more than 64 countries in the world and Venezuela, had already relations with the Polisario since the 80s.

But if you read what Moroccan newspaper Attajdid wrote that Israel’s exports to Morocco last year reached $19.6 Million, Morocco’s exports to Israel about $3.6 Million, then you can understand the real reason.

Nanapaka ny fifandraisany tamin'ity firenena Amerika latina ity i Maraoka noho ny fanohanan'i Venezoalà ny Polisario, izay neken'ny firenena mihoatra ny 64 manerantany ary i Venezoelà ny efa manana fifandraisana taminy hatramin'ny taona 80.

Fa raha vakianao kosa ny nolazain'ny gazety maraokana Attajdid milaza fa mahatratra $19.600.000 ny entana naondran'i Isiraely teto Maraoka, ary tokotokony ho $3.600.000 kosa ny teti-bidin'ny entana naondran'i Maraoka tany Isiraely dia ho fantatrao ny tena antony.

Nimr avy ao amin'ny Bolongana Arabo-Amerikana KABOBfest no namoaka adihevitra ary nilaza fa nivoaboaka hatrany tao ho ao ny vaoao momba ny ambasady Venezoelana:

Well if you can dish it, hope you can take it: Now Morocco is closing its embassy in Caracas in protest over Venezuela's support for the Polisario:

The Foreign Ministry said in a statement that the decision followed “increasing hostility by the Venezuelan authorities regarding the Kingdom of Morocco's territorial integrity and recent measures to support (Polisario)”.Why do stern diplomatic communiques always sound like a passive-aggressive ex-girlfriend? “I mean, we are not mad at you, ya know? We are mad that you don't respect our, like, integrity…”

Fortunately, Kabob Mediation Services™ has stepped up and figured out a solution to everyone's benefit. Morocco, Israel and Morocco have all agreed that in the event of a future diplomatic row, participants will simply hurl metallic devices devices at the French.

Raha tianao ny mitsikera azy dia azonao atao koa ity: Nanakatona ny masoivohony any Caracas i Maraoka ho fanoherana ny fanohanan'i Venezoelà ny Polisario:

Hoy ny filazan'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny tao amin'ny fanambarana hoe” noho ny fitombon'ny fitiavan-kifanandrina ataon'ny fitondrana Venezoelana amin'ny tanin'ny Fanjakan'i Maraoka sy ny nandraisany fepetra hanohanany ny Polisario.” Fa maninona ny fanambarana diplaomatika no atao toy ny fanaon'ny sipa nisarahana niaritra lasa mihetraketraka? Ny tiako lazaina dia hoe tsy ianao no tsy tiako, fantatrao izany; fa noho ny tsy fanajanao anay, ny tianay…”

Soa ihany fa efa nametrapetraka sy nanazava ny vahaolana hahazoan'ny rehetra tombotsoa ny Kabob Mediation Services™ . Efa nifanaraka amin'ny fiarahana diplaomatika i Maraoka, I Isiraely sy Maraoka, hampikotaba ny zavamameno vy amam-barahina (@ frantsay) fotsiny ny mpandray anjara.

Variana @ fotoana anapahan'i Maraoka fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana Egyptiana Zeinobia:

Mentioning the news of official Morocco , why did really the Moroccan government withdraw its ambassador from Carcass ?? Is it really for the Western Sahara issue !!??

Well I think it is plain stupid now with my all respect because Venezuela has recognized the Western Sahara since 1982 !!!! So I wonder why King Hassan II did not withdraw his ambassador from Carcass all that time.

Surely Carcass is not the only capital that recognize the Western Sahara as an independent entity. For God sake there are other countries in the world that recognize the Sahrawi Arab Democratic Republic “SADR”. Strangely these countries are still having Moroccan Embassies like for instance Mexico so why now Mohamed IV decides this strange decision when Venezuela becomes the new ally of Arabs in South America ?? In time we are in a very bad need to an ally.

I still do not get this move at all.

Raha marihina ny vaovao avoakan'ny Fanjakana Maraokana, nahoana no nampodian'ny fitondrana Maraokana ny masoivohony avy any Caracas?? Noho i Sahara andrefana tokoa ve no antony??

Mihevitra aho fa fahadalana tanteraka izany, miala tsiny amin'ny fitenenana, satria efa hatramin'ny 1982 no nanakeken'i Venezoalà an'i Sahara andrefana ho firenena Koa eritrereto hoe naninona ny mpanjaka Hassan II no tsy nampody ny masoivohony tany Caracas nandritra izay fotoana maharitra izay.

Mazava loatra fa tsy Caracas ireryihany no renivohitra nanaiky an'i Sahara andrefana ho firenena mahaleo tena. oadray misy koa ireo firenena hafa izay manaiky ny fijoroan'ny “SADR”. Mahagaga anefa fa mbola misy masoivoho any amin'ireny firenena ireny tahaka an'i Meksika ohatra, koa nahoana no nanapa-kevitra hafahafa tahaka izao i Mohamed iV raha lasa sakaiza vaovaon'ny Arabo any Amerika atsimo i Venezoalà?? Amin'ny fotoana tena ilana namana.

Tena tsy azoko mihitsy izao fihetsiketsehana izao.

Jillian York

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.