Palestina: “Toa efa simba sahady na ny hoavinay aza eto Gaza”

Anatin'ity jery todika momba ny hafatra anaty blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika adolantsento iray vao avy namoy ny namany ary manahy mafy ny amin'ny ainy koa, mpiasan'ny fahasalamana iray maty raha iny izy handeha hamonjy olona iny indrindra, ary lehilahy iray nilaza ny tsy fironany amin'ny resaka politika: “Tsy Fatah aho, tsy Hamas. Mpankafy vodka aho.”

Roa andro lasa izay, mpikatroka mafana fo Aostraliana iray Sharyn Lock no nanamarika ny fahafatesan'ny adolantsento iray:

Ny masoivohonay any an-toerana Mo no nilaza taminay mikasika adolantsento iray ao anatin'ny vondrona tanora misy azy izay maty omaly, tovovavy kristiana iray 16 taona,  Christine Wade'a al Turk, maty vokatry ny aretina tany amin'ny fony vokatry ny fihetsehana mafy tamin'ny aretina asthme nahazo azy, sy vokatry ny rarin-tsaina ateraky ny daroka baomba amin'izao fotoana izao.

Izao ao amin'ny Lamentations-Gaza no andrenesantsika avy amin'i Nour Kharma, mpianatra amin'ny taona fahasivy [3éme raha ho an'i sekoly Malagasy], ary naman'i  Christine:

Andro fahavalo amin'ity ady mahatsiravina ity ny anio. Ho ahy dia ny omaly no andro ratsy indrindra tamin'ny rehetra. Raha nifoha aho ny maraina dia niantso ahy ny iray amin'ireo namako, hafahafa be ihany ny feony rehefa nanontany azy ny momba azy aho [ny fahasalamany]. Raha ny aminy dia toa “Tsara, fa efa mba naheno vaovao momba ny namanao sasany ve ianao?” Nanahy mafy tokoa ahon ary nanontany azy Inona no nitranga [no tsy mety]? Maty i  Christine hoy izy mantsy ahy, tohina sy nalahelo mafy tokoa aho, ary hatramin'izao toy ny tsy mino izany mihitsy. natsipiko ny telefona dia nigogogogo nitomany aho. Niantso sasantsasany tamin'ny namako aho mba haka toky, ary dia samy nalahelo mafy azy izy rehetra. Namako efa nandritry ny ho efatra taona eo izy ary nahazatra anay ny miara-mandeha any an-tsekoly sy any amin'ny YMCA. Nalahelo aho, natahotra, sady nitaintaina koa nandritra izany, satria toy ny rahavaviko izy. Tena malahelo mafy azy sy ny fianakaviany aho.

Nanao izay fara heriny ny raiamandreniny, nefa tsy ampy izany, ka dia niafara tamin'ny fahafatesana. Inona raha tsy afaka ny hiaro ahy sy hanome ahy izay tohana ilaiko ny raiamandreniko… ho faty koa izany aho?

Ny zavaatra azoko lazaina ankehitriny dia na ny hoaviko aza toa efa rava sahady. Voan'ny balafomanga [rokety] israeliana ny sekoly ianarako io maraina io, ary dia rava tanteraka ilay sekoly. Tena tsy haiko eritreretina mihitsy hoe ahoana no ahasahian-dry zareo midaroka baomba ny toeram-pivavahana sy ny toeram-panabeazana, toy ny moske, ny sekoly, ny anjerimanontolo  (sns…) […] AMPIO IZAHAY FA MBA ISAN'NY OLOMBELONA KOA!!

Hoy i Dina Hazem manoratra ao amin'ny blaogy iraisana Moments of Gaza:

Vao avy any amin'ny toeram-pitsaboana mihitsy aho izao, raha ny faniriako dia ny tsy handia velively ny toerana toy ireny…Tsy haiko ny hamaritra aminao izay zavatra hita tany: feno maratra eny rehetra eny…ny sasany aza moa eny amin'ny gorodona eny ihany no tsaboina..eny an-dalantsara…tena efa nihoatra ny tokony ho zakany…ary isa-minitra dia misy maratra hafa tonga foana…dia toy izany hatrany hatrany…ary ny tena loza ankizy no betsaka amin'izy ireny. Tsy mitsahatra, na dia iray minitra aza, ny kiakiak'ireo zaza manerana ny toeram-pitsaboana. Ary ny ratra tsy hoe ratraratra foana…tanana bory, tarehy vonton-drà ary ireo niharan-doza mivoa-drà amin'ny faritra maro. Nanodidina ahy teo dia nisy renimpianakaviana 3 nidradradradra noho ny famoizany ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy…tsy mahita na iza na iza hilàna vonjy fa Andriamanitra ary Andriamanitra irery ihany…ny fijeriny maneho faharesena nefa koa feno hatezerana…endrika misavoritaka sy feno horohoro…mahatonga ahy hanontany tena ny amin'izay ho fiainan'izy ireo afaka andro maromaro, volana na taona.…raha ambola ho velona koa izy ireo. Tsy misy afa-miala mantsy eto Gaza.

Ny tsirairay adr hamafisiko fa ny tsirairay dia lasibatra daholo. Tsy hotohoto isan'andro izy ity. Horohoro isan'ora… Ny fahitako izany fotsiny dia ampy nanala tato amiko ny fanantenana sy nahatonga ahy hiantso fahafatesana, toy izay hiaina anaty horohoro sy tebiteby lava reny toy izao.

Tanatin'ny tatitra farany nalefany, hoy ilai Palestiniana mpaka sary fanao an-gazety Sameh Habeeb mitantara:

Fanamarihana: mety mitsahatra tsy mitatitra intsony aho raha maty na mandositra miala ny tranoko. Miraraka toy ny orana manodidina ny tranoko ireo baomba amin'izao fotoana izao. Mivavaha ho ahy…Mivavaha ho ahy….

Ilay mafana fo Kanadiana Eva Bartlett dia manoritsoritra ny  nahafatesan'ilay  mpanao vonjy taitra iray :

Lehilahy iray mamy hoditra, feno fahavononana, sy mahay mampifalifaly no maty omaly raha iny nampakatra  fatin'olon-tsotra iray indroa maty [twice-killed] ho ao anaty fiara mpamonjy voina iny indrindra izy. Mpiasan'ny fahasalamana mpanao vonjy taitra, Arafa Hani Abd al Dayem, 35 taona, sy Alaa Ossama Sarhan, 21 taona, no namaly ny antso mba handeha haka an'i  Thaer Abed Hammad, 19 taona, sy ny fatin'ny namany Ali, 19 taona, izay nandositra baomba, rehefa voatifitry ny baomba nalefan'ny fiara mifono vy israeliana izy ireo. […] Mpampianatra science amin'ny andavanandrony, Arafa dia nanolo-tena an-tsitrapo ho mpanao vonjy taitra efa ho valo taona eo.

Lehilahy nahafinaritra izy, sariaka, ary tsara feo ery rehefa mihira, sady tsy menatra ny hisary adala. Tsaroako ery izy mijihijihina mahatsikaiky eran'ny biraon'ny PRCS [Croissant Rouge Palestinien] tao Jabaliya izay tsy miasa intsony ankehitriny (fehezin'ny miaramila israeliana mantsy ny faritra izao) sady miteniteny fa hoe noana izy, tena noana mafy, talohan'ny nipetrahany hihinana ny mofo sy habobo [cheese] natao ho sakafonay. Tombontsoa ho ahy ny niarahako niasa indray alina tamin'i  Arafa, nahitako ny maha matihanina azy sy ny fandalàny ny maha-olona. “Sitrany indrindra ny hanana fahafatesana toy izao, amin'ny fanampiana ny vahoaka mpiara-belona amintsika,” hoy i Osama mpiara-miasa amin'ny sehatry ny fahasalamana mantsy ahy. Tsy marary saina te ho maritiora, vokatry ny fifampikasohana maharitra amin'ny razana, ny fibodoana, ny fanafihana, ny fanaovana tsinontsinona, sy ny tsy rariny nandritry ny fotoana ela, fa noho ny fitiavany ny asany, sy ny vahoaka. Taorian'ny fahafatesany dia efa nisy mpiasan'ny fahasalamana mpamonjy voina telo hafa koa nanaraka azy any amin'ny varo-tsy mifody.

Ary anaty hafatra iray hafa ny  ilazàny amintsika hoe:

Nametraka tamiko ny fanontaniana izay manitikitika ny Palestiniana rehetra i S.: “Fa nahoana ry zareo no mandaroka baomba antsika a?” Ary ampiany toy ny tenin'ny maro ihany koa hoe: “Tsy Fatah aho, tsy Hamas. Mpankafy vodka aho.” Ho porofoiny amiko hono izany indray andro any, amin'ny hoavy. “Raha mbola hanana hoavy koa aho,” hoy izy mitsiky tsy ravo.

I Natalie Abou Shakra mafana fo avy any Libanona dia manoratra toy izao ao amin'ny Moments of Gaza:

Izaho, izay manampahaizana momba ny ady ankehitriny, dia mahatsikaritra fa mampiasa fitaovana vaovao ry zareo…eny, izany mihitsy…(Baomba!) Mampiasa karazana baomba hafa tena mandrava sy mandavaka lavitra mihitsy ry zareo izao…  ary tena mahafaty be lavitra kokoa… sy mpandravarava (ho an'ireo trano manodidina azy… noho izany, ny vahoaka -(-bomba!) manodidina ny toerana voadaroka… mety ho faty ihany koa noho izay fandarohana baomba izay…)(-Bomba! Tsy vanona!) … ka dia ampiasain-dry zareo avokoa izany izao izay mety ho daroka baomba azony atao… Amafisiko fa Etazonia sy ny Vondrona Eropeana… ary Ejypta sy KSA [Arabia Saodita] sy Jordania sy… sy.. sy.. oh, tsy mbola nampiasa ny baomba manempotra ary ry zareo… (-Bomba!)… Ry zareo rahateo aza moa efa mamoaka fofona manempotra… efa mamofona faty sy horohoro ireo…  Sitt Dalal nilaza tamiko ny tantaran'ny ramatoa iray nampangotraka menaka sy  (-bomba!) rano ary nandraraka izany tany an-tampon-dohan'ireo Sionista nandritra ireo fananiham-bohitra taloha tany… (Tena hevi-dehibe amin'ny -(bomba!)(-Bomba!) fomba fanoheran'olon-tsotra izany… ) (efa eo ihany isika, ilay hevitra “Bomba!” dia vaovao be… noho izany, mety tsy hahita izay mihitsy ianareo any anatin'ireo hafatro tany taloha …)(-Bomba!) (Tsy manirikiry ve izany… noho izany, takatrareo tsara ankehitriny ny hoe mba manao ahoana moa izahay?) Misy fanadihadiana iray nolazaiko ao (-Bomba!) ao  amin'ny al manar -(-Bomba!-Bomba!)…. ary nilaza tamiko i  Imad fa te hanao tatitra momba anay ry zareo … Faly tokoa aho afaka nandefa ny hafatray handavaka ny fafana {ecran fahitalavitra]… indrindra indrindra fa ho an'ny tontolo Arabo… (-bomba!)

Miasa ho an'ny Oxfam ao Gaza i Elena Qleibo, ary mandefa hafatra ao anatin'ny blaogin'ny Oxfam :

Fahefatr'adiny teo izay dia nadatsaka trakitra ny angidim-by [helicopter] israeliana nilaza taminay ny amin'ny tokony hifindranay any afovoan-tanana fa hoe hanomboka handaroka ny manodidina hono ry zareo. Nilaza ry zareo fa tsy te-hampisy fanelingelenana [They said they don't want to create an

inconvenience]. Vazivazy ratsy izany taorian'ny zera baomba  nozakainay nandritry ny herinandro lasa iny. Efa nanao izany ry zareo taloha, tany avaratra sy atsinanan'i Gaza, mba hampitahorana ny mponina. Tsy nisy nihetsika ny olona tao amin'ny trano avo nisy anay na iray aza.[…] Androany aho nahita fiaraben'ny UN [Firenena Mikambana] tonga avy any amin'ny vavahadin'i [sisintanin'i] Karni. Ny olana dia mivarahontsana ny olona misaina ny hoe handeha hamonjy ny toerana natokana hizaràna, noho ny zera baomba tsy hay be ihany. Ankoatra izany, ireo fiarabe koa tsy afaka miditra any amin'ireo faritra misy ady.  […] Nitafa tamin'ireo olona monina ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Gaza aho, faritra izay nahitana daroka baomba mafy indrindra, ary zareo dia  [catatonic]. Mihararetra fotsiny ry zareo. Tsy hain'izy ireo akory izay mahazo azy ireo ary dia mitorevaka miandry izay hidona sy hitranga fotsiny eo. Tampoka be ny fitrangan-javatra ary satria tena mahafaoka be ilay izy dia tohina daholo ny rehetra. Misedra olana maro ny ankizy – Mikiaka mitomany ry zareo ary mamany am-pandriana sy tsy mahita tory.

Ho faranantsika amin'ny bolongan-tsary avy amin'i RafahKid, izay milaza hoe:

taorian'ireo baomba …bolongan-tsary avy any Rafah nefa ialana tsiny fa tsy misy dikanteny amin'ny teny anglisy fa dia miteny ho azy ny sary. sarotra izao ny mampiakatra bolongantsary noho ny olan'ny herinaratra, angamba mety koa ho fanahy iniana izany.

Ny bolongan-tsary, avy ao amin'ny mpampiasa YouTube  Adampal2008, dia hita eto:

Ny bolongan-tsary, avy amin'ny the International Solidarity Movement, dia mampiseho ireo ankizy mikarokaroka any anatin'ireo korontana sisa tavela tamin'ny trano nonenany – miaraka koa amin'ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'ireo ankizy sy ireo raiamandreniny momba ny horohoro niainany ny fanafihana an'habakabaka isreliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.