Mitohy ny adin'ny Facebook amin'ny mpisovoka

Efa niresaka ny adihevitra amin'ny sivana misy eo amin'ny Facebook sy ny YouTube ny Global Voices, indrindra moa rehefa miresaka momba ny fanafihan'Isiraely an'i Gaza ankehitriny. Androany anefa dia tsikaritry ny ny mpamaky Global Voices iray fa maro amin'ny vondrona Facebook manohana an'i Gaza no voasovoka, ary heverina fa ny Jewish Internet Defense Force (JIDF na Hery vondrotafika Jiosy amin'ny Aterineto) no mpanao izany, ilay vondrona efa voalaza tamin'ny lahatsoratra mifandraika amin'ity ihany. Misy sombin-dahatsoratra mivaky tahaka izao ao:

Vondrona mpitolona tsy manao herisetra mijery ny votoaty miresaka fankahalana semita (jiosy) izahay, ary toy izany koa amin'izay misy votoaty fandrisihana ny fampihorohoroana any amin'ny Facebook, YouTube, Wikipedia, Google Earth, Blogger, ary vohikala sy fanaovana dinika (forum) hafa amin'ny serasera.

Mino ny fandraisana an-tanana mivantana amin'ny famongorana ny olana (fankahalana jiosy sy ny fampihorohoroana) eto an-tserasera ny JIDF ary maniry (na manery) ny hisian'ny doka hahatonga ny orinasa matanjaka (tahaka ny Facebook sy ny Google) handray an-tanana izay mahatonga ireny ihany koa.

Nefa miteny ny mpamaky iray tamin'ilay lahatsoratra teo aloha fa tsy mpanohana ny sivana tsy akory ny JIDF…

Aleo atao mivantana. Tsy mpanohana ny sivana ny JIDF. Ho an'ny olona manaja ny lalànan'ny ISP ireny. Mazava tsara ny lalàna manohitra ny fanandratana ny fankahalana sy ny herisetra any amin'ny toerana sahala amin'i YouTube sy Facebook. Mitady ho sivana (fotsiny) ny fanamafisana ireny lalàna ireny. Tsy mitombina ny fomba fitsaranao (noho ny) tsy fahazoanao ny ataon'ny JIDF.

…Ary dia gaga izahay fa tao ambadiky ny fisovohana tamin'ity vondrona Facebook ity ny heverina ho mpikambana ao amin'ity fikambanana ity:

Tokony ho tamin'ny 14:00 EST teo ho eo no nalaina sary an'efijery io. Tsy ampy ora iray dia tafaverina tamin'ny toerany ihany ny vohikala ary dia nametrahany sary vaovao maneho ny likilikiny noho ilay fisovohana teo:

nefa dia nisy vondrona hafa voasovoka ihany koa:

Niova ho toy izao ny mombamomba ilay vondrona:

Nakatona. Satria tsy firenena i Palestina. Faneva maloto (na masiso) sy fitondrana mpampihorohoro no hany anananareo.

Tsy namaly fanontaniana anefa ny JIDF na tamin'ny mailaka na tamin'ny Twitter, nefa nisy namana akaiky tamin'io vondrona io nilaza tamiko fa mpankasitraka ny JIDF no nanao io fisovohana io fa tsy mpikambana ao aminy.

FANITSIANA, 16:20 EST:

Namaly tao amin'ny Twitter ny JIDF:

Manitsy indray izahay. Tsy manohana ny sivana izahay. Manohana ny lalànan'ny ISP izahay. Fahadisoana ny fampiroboroboana ny fampihorohoroana ao amin'ny Facebook.

Jillian York

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.