Azerbaijan: Faharavan-kolontsaina

Herintaona indray no lasa hatramin’ny nampitsaharana ny ady tamin'ny 1994 izay nisy teo amin’ny Armenia sy Azerbaijan momba an'i Nagorno Karabakh, kanefa dia tsizarizary tanteraka aloha ny fandriampahalemana. Nefa dia mifampiampanga ho manapotika vakoka ara-kolotoraly sy ara-tantara ny roa tonta .

Raha voatonotonona matetika ny fanapotehana ireo fasana Armenianina taloha any amin’ny faritr’I Nakhichevan, dia tsy voalaza loatra kosa ny fahaverezana ara-kolotoraly mianjady amin’ny Azerbaijan. Indro i Gələcək Gün [AZ] milaza amin'ny antsipiriany ny faharavana sasany.

In Shusha alone, 8 museums, 31 libraries, and 8 cultural houses were destroyed. More than 300 items at the Hajibayov museum, 400 at the Bulbul Museum, 100 from Navvab, 2,000 from the Agdam museum, 3,000 from the Gubadli history museum, 6,000 from the Zengilan museum as well as 1,000 exhibits from the Karabakh History and Carpet museums were destroyed or sent to Armenia.

Tao Shusha fotsiny dia Tranombakoka 8, Tranomboky 31, ary trano ara-kolontsaina 8 no rava. Mihoatra ny 300 ireo fanaka tao anatin’ny tranom-bakoka hajibaiyov, 400 kosa tao anatin’ny tranom-bakoka Bulbul, 100 tao Navvab, 2 000 tao anatin’ny tranombakoka Agdam, 3000 tao amin’ny tranombakoka ara-tantara Gubadli, 6000 tao amin’ny tranombakoka Zengilan, toy izany koa ireo fanaka aranty 1000 potika tao amin’ny tranombakoka ara-tantaran'i Karabakh ary potika na nalefa tany Armenia ny karipetran'ny tranombakoka.

Manolotra antsika ny lisitr'ireo miaramila Azerbaijani babon’ny Armenianina nandritra ny ady ka noterena handray anjara tamin’ny famotehana tahirim-bakoka sy fasan-drazana tao Shusha i ƏN SON XƏBƏRLƏR, MƏQALƏLƏR [AZ]

Mammadov Vugar […]: We were forced to destroy the Muslim graveyards, carrying [stone] by car to sell. All Muslim graveyards were destroyed. They wanted to destroy Shusha.

Kazimov Karim […]: Along with other captured soldiers, I was forced to destroy Ibrahim Khan's grave, Molla Vagifs graves […] and the Bulbuls and Hajibayov monuments and graveyards.

Gafarov Rauf: All the graveyards are destroyed. Probably they intended to take the gold teeth from the dead. They also put a church sign on the mosque.

Bagirov Sahib […]: The materials from the destruction were used to build a house for Samvel Babayan [formely imprisoned Karabakh Armenian military leader].

Mehdiyev Nazim: The materials were used to make a monument for [Armenian] General Andranik. In her interview to the Azartamartik newspaper, Nagorno Karabakh's Cultural Ministry Department Director, Janna Aleksanyan, said “we will destroy all the monuments belonging to Azerbaijanis during their occupation of Shusha.”

Mammadov Vugar[…]: Noterena izahay handrava fasandrazana Silamo, nitondra ny vato hamidy. Potika avokoa ny fasandrazana Silamo. Tadiavin’izy ireo mihintsy ny handravana an’I Shusha.Kazimov Karim […]: Niaraka tamin'ny miaramila babo hafa aho no noterena handrava ny fasan'i Ibrahim Khan, ny fasan'i Molla Vagifs […] ary toy izany koa no nanaovana any an-dry Bulbuls sy an-dry Hajibayov

Gafarov Rauf: Rava daholo ny fasandrazana. Angamba nieritreritra ny haka ny nify volamenan’ny maty ry zareo. Nametrahan'izy ireo mari-pamantarana fiangonana ny moske

Bagirov Sahib […]: Nampiasaina hananganana trano ho an'i Samvel Babayan [ mpitarika tafika Armenianina karabakh voafonja teo aloha] ny fitaovana avy amin'ny fandravana.

Mehdiyev Nazim: Nampiasaina ny fitaovana mba hananganana tsangambato ho an’I jeneraly [Armeniana] Andranik. Nandritra ny dinidinika nataony tamin'ny gazety Azartamiritik , no nilazan'ny Talen’ny ministeran’ny kolotsainan’ny Nagorno Karabakh, Rtoa Janna Aleksanyan hoe “hopotehanay izay rehetra vakoky ny Azerbaijanis mandritra ny fibodoan'izy ireo an'i Shusha.”

Manome ny heviny momba ny fandavahana arkeolojika atao ao amin'ny Azohin'i Azix, anisan'ny azo lazaina fa fonenan'olona tena Ntaolo indrindra amin'iny faritra iny I Salam, Xoş Gəlmisiniz [AZ], Mampahafantatra ny blaogy fa ao anatin’ny faritry Azerbaijan io toerana io.

“In 2003, on the Arminfo news site it was written that “archeological diggings continue in the Azix Cave.” It is one of the most ancient findings in Azerbaijan that dates back 1.5 million years. Armenians digging with other country scientists from Britain, Ireland and Spain violate national and international law with their unauthorized excavation.”

“Tamin’ny taona 2003 no voasoratra tao amin'ny vohikalam-baovao Arminfo fa “ mitohy ny fikarohana arkeolojika ny zohin'i Azix. Anisan’ny zavatra hita fahagola indrindra any Azerbaijan mahatratra ny 1,5 tapitrisa taona io toerana io. Mandika ny lalàna eo amin'ny firenena sy iraisam-pirenena sady tsy nahazo alalana ny fikarohana arkeolojika ataon’ny Armeniana miaraka amin’ny manampahaizana avy any Angletera Ireland ary Espaina.”

Natsangana ary ny pejy Facebook iray mba hanoherana ny asa raha namangy ny renivohitry ny firenena roa tonta ny Mpanolotsainan’I Sekretera Jeneralin’ny Eoropa, Terry Davis, tamin’ny volana Desambra 2008. Na izany aza dia nahemotra [ho amin'ny fotoana manaraka] ny iraka iraisam-pirenena saika hamotopototra ny toetran'ny vakoka ara-tantara sy ara-kolotoraly tany amin’ny faritra.

Kivy tanteraka tamin'ny fahaverezana aho” hoy Davis. “Samy mijaly na I Azerbaijan na I Armenia, ary tsy anareo irery, [fa an'ny Eoropeanina koa] ny lovan-kolontsaina very […]. Soa toavina nitambarana ireny ary tokony narovantsika.”

Emil Mammadov

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.