Nakaton'ny fitondrana iraniana ny gazetin'ny fanavaozana, Kargozaran. Bolongana sy vohikala vaovao maro no nitatitra fa lasa lasibatra noho ny krizy any Gaza ny Kargozaran. Navoakan'ny Kargozarn manko ny fanambarana nataon'ny fikambanan'ny mpianatra (Tahkim Vahdat) izay “manameloka an'isiraely sy ny vondrona mpampihorohoro miafina sy mialokaloka any an-tsekoly sy hopitaly any (Gaza)”.