Makedonia tsy voafetran'ny fotoana

Tamin'ny 24 Desambra 2008 no nisian'ny fanolorana lahatsary hanondrotana ny lazan'i Makedonia – antsoina hoe “Macedonia Timeless” nadikako hoe Makedonia tsy voafetran'ny fotoana.

Ity lahatsary ity dia nosoratana sy notontosain'i Milcho Manchevski (efa tafiditra hifaninana tao amin'ny Academy Award ny taona 1995), ary ny tanjona amin'izany diany hampiroboroboana ny fizahantany mankany Makedonia. Halefa ao amin'ny CNN ity lahatsary ity, sy any amin'ny firenena hafa ampolony sady havoaka amin'ny fiteny valo samihafa. Misy moa ny vohikala manokana www.macedonia-timeless.com, voatondro ho mpanohana (fanampin’)ity dokambarotra ity.

Ao ambanin'ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons license Attribution – No derivative works 2.5 Macedonia, ity lahatsary ity ka io fanomezan-dalana io dia mamela ny mpampiasa azy hisintona sy hamoaka ihany koa ny lahatsary any amin'ny vohikala hafa. Makedonia no iray amin'ny firenena vitsy mampiditra ny Creative Commons license ho fanaovana fampiroboroboana an-tserasera, na dia maro aza ny firenena mampiasa ny TV miampita avy amin'ny zanabolana hanaovana dokambarotra.

Fotoana fohy monja dia ity lahatsary ity no vaovaon'ny andro, ary maro ny mpamaham-bolongana no namoaka azy tami'ny bolongany sady namoaka ny heviny momba ny fampiroboroboana sy ilay vohikala [mkd]. Na dia mankasitraka aza ny hevitra hita ao amin'ny YouTube, dia maro ny mpamaham-bolongana no kivy ihany tamin'ilay lahatsary, indrindra moa rehefa hitan-dryzareo ny vola lany tamin'ny fanatontosana azy (190,000 Euros)

Vao natolotra [mkd] ilay lahatsary tao amin'ny Kajmak.ot, dia maro no nilaza ny heviny momba azy. Misy nanoratra hoe:

Pero:

The video is fine from an artistic point of view, but not from an essential point of view […]

Zlochko:

I didn’t like the video also. If I may criticize a person with a resume like Manchevski, I will say that I didn’t see anything touristic in the video. Where is the village tourism, where are the smiling hosts for the tourists, where is the extreme tourism, where are the beaches…?

But, the book was a good moment. That was the most interesting thing for me.

Pero :
Tsara ilay lahatsary eo amin'ny fijerena ny mahakanto azy, fa tsy izany eo amin'ny fijery ankapobeny […]
Zlochko :
Tsy tiako ihany koa ilay lahatsary. Raha azoko atao ny mitsikera olona efa manana laza tahaka an'i Manchevski, dia lazaiko hoe tsy hitako akory mahafizahantany ilay lahatsary. Aiza ny fizahantany any ambanivohitra? Aiza ny mpandray vahiny miramirana mandray mpizahatany? Aiza ny tora-pasika?
Fa nahafinaritra aloha ny nijery azy (boky?). Iny ny fotoana nahafinaritra ahy indrindra.

The Arheoblog nambosaka [mkd] tao amin'ny lahatsorany ny ny toe-draharaha miaraka amin'ny fidiran'ny fizahantany any Makedonia, naka aingam-panahy avy tamin'ny lahatsary:

[…] This is a video that needs to attract foreigners to come and visit Macedonia. I’m not bothered with the fact that there are too many motives from Ohrid, and also from the artifacts found near this city. I’m not bothered that the Muslim art and architecture from Macedonia is not represented enough. I’m not bothered with the fact that a man who doesn’t know the religion phenomenons in Macedonia will get a wrong picture that in the country frescoes and crosses are dominating. I’m not even bothered that too many things are not included, because for a country with such a rich tradition it’s very difficult to put everything in a one minute video. […]

I’m bothered with the fact that in Macedonia there is no stable infrastructure for incoming tourism […].

Lahatsary tokony hanintona mpizahatany hoavy eto Makedonia iny. Tsy mampaninona ahy na dia be loatra aza ny sarin'i Ohrid, sy ny zavatra noloarana hita manodidina io tanàna io. Tsy mampaniona ahy na dia tsy voaseho loatra aza ny zavakanto sy ny maritrano islamika eto Makedonia. Tsy mampaninona ahy raha olona tsy maharaka ny fihetsiketseham-pivavahana eto Makedonia no hanana fahatsapana diso fa ny sary lokondrindrina sy ny hazo fijaliana no tena mahazo vahana eto amin'ny firenena. Tsy mampaninona ahy na dia be dia be loatra aza ny zavatra tsy ampy, satria ho ana firenena manana fomban-drazana manankarena tahaka izao dia sarotra ihany ny hampiditra ny zava-drehetra ao anatin'ny iray minitra monja.

Ny manahirana ahy dia tsy mbola misy foto-drafitr'asa matotra vonona ho amin'ny fizahantany eto Makedonia.

Zoro hafa kosa no hanehoan-dRazvigor ny heviny [mkd] amin'ilay lahatsary:

For me the most important thing is that the promotional video for Macedonia is published under a Creative Commons license.

I think (correct me if I’m wrong) this is the first time in the world for a government to publish something on the internet in this way. Also, it’s probably the first time one director from this level, with an Academy Award nomination, to give one of his works in this way.

Ny tena zava-dehibe amiko aloha dia ny namoahana ity lahatsary ity ho eo ambanin'ny lalànan'ny Creative Commons license.

Mieritreritra aho – ahitsio aho raha diso – fa sambany teto an-tany no nisy fanjakana namoaka zavatra tamin'ny aterineto tahaka izao. Ary angamba sambany ihany koa no nisy mpanatontosa manantalenta tahaka azy, efa voafantina tamin'ny Academy Awards, no namoaka ny sangan'asany tamin'izao fomba izao.

Mbola vao manomboka moa ny asa fanentanana avy amin'ny fanjakana ka ho hitantsika eo ihany raha diso ny fahatsapan'ny olom-pirenena ary raha hahatratra ny tanjona nanaovana azy ny lahatsary.

Elena Ignatova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.