Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany.

Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely 😉 :

[…] Seeing that the Russian patent agency will grant a trademark for just about anything these days, Eternal Remont is attempting to trademark “Oleg Teterin,” (trademark pending) and will expect payment whenever anyone speaks, writes, prints, or otherwise uses this phrase in all media known to humanity, existing or future. […]

[…] Koa satria moa raisin'ny sampan-draharaha Rosiana avokoa izay marika famantarana rehetra apetraky ny olona ao aminy, dia hametraka ny marika “Oleg Teterin” ( eo ampangatahana) i Eternal Remont, ary dia manantena hahazo vola amin'izay rehetra miresaka, manoratra, manonta printy, na amin'ny fomba hafa izay mampiasa io fehezanteny io amin'ny fampahalalam-baovao fantatry ny olombelona, miaina amin'izao fotoana izao na rahampitso.[…]

Streetwise Professor kosa nifidy lalankafa hilazany azy:

[…] To Mr. Teterin, I say: 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉

So sue me.

[…] ho an'Atoa Teterin, hoy aho hoe: 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 😉 ;-)Torio ary aho.

Russian Blog indray milaza ny sahalahala amin'ny Facebook Rosiana, vkontakte.ru – hitany ho fitaovana tsara ianarana tenim-pirenena ankoatra ny zavatra hafa ihany koa:

When learning a foreign language communication is crucial. […] I tell my Russian students of Swedish to join Swedish online communities, and the same advice goes for you who are studying Russian – join a Russian online community! Not only will you find lots of interesting (or uninteresting) clubs as well as people, or be able write to strangers from one sixth of the Earth’s ground (that’s just how big a country this is), but for those of you who are only beginning to study Russian joining in itself will be a challenge. After all – one must join in Russian. […] There’s a Russian version of Facebook, though it’s completely independent, and in no way connected to Facebook, except for one thing – it is an almost exact copy of the way Facebook used to look before (the old Facebook), translated into Russian. […]

Raha tena zava-dehibe ao amin'ny fifandraisana ny fianarana teny vahiny. […] Niteny tamin'ny Rosiana mpianatra teny Soedoà aho hiditra any amin'ny fiaraha-monina an-tserasera Soedoà, ary torohevitra tahaka izany ihany koa no atolotro izay rehetra te-hianatra teny Rosiana – midira ao amin'ny fiarahamonina an-tserasera Rosiana! Tsy vitan'ny hoe mahita vondrona maro mahaliana (sy tsy mahaliana) ianao ao, fa manana fahafahana manoratra amin'ny vahiny avy amin'ny ampahaenin'ny velaran-tany manerana izao tontolo izao (izay manko no haben'ity firenena ity), Fa ho tantara be kosa aloha no hiandry izay vao manomboka mianatra teny Rosiana mikasa hiditra amin'izy ity. Nefa moa – Tsy maintsy misoratra anarana amin'ny teny Rosiana. […] Misy moa izany ny Facebook Rosiana amin'ny teny Rosiana, saingy mahaleo tena tanteraka izy io, ary tsy misy ifandraisany amin'ny Facebook mihitsy, afa-tsy amin-javatra iray ihany – mitovy tanteraka amin'ny endrika taloha nananan'ny Facebook nadika ho amin'ny teny Rosiana ilay izy.

Siberian Light indray niresadresaka tamin'i Dmitry, tompo sy mpandrindran'i Expatriates.ru, vohikalam-piaraha-monin-tserasera vaovao izay mitombo haingana ny mpikambana ao aminy:

[…] What inspired you to develop expatriates.ru?

During my studies abroad many people asked me a lot of questions about Russia. I decided to create a community where all people will find the answers to their questions about Russia and where they can talk and discuss issues related to Russia. […]

inona no nahatonga anao hanokatra ny expatriates.ru?
Nandritra ny fianarako tany ivelany, betsaka ireo olona nanontany ahy momba an'i Rosia. Dia nanapa-kevitra aho ny hanangana fiaraha-monina iray ahitan'izay rehetra liana amin'i Rosia sy ahafahany miresaka sy miady hevitra izay olana mifandraika amin'i Rosia

Miresaka ny karazan-tsakana maro samihafa miandry ny mpamaham-bolongana ihany koa i Siberian Light raha vao “zeôpolitika” no resahina – eto dia Rosia – no resaka:

[…] Over the past few months, I’ve written posts that have both criticised and praised Russia. I write them because I think that Russia is often right, although it’s also far too often wrong.

And, far too often, I take crap from people. Usually because of what they think I have said, in the context of their tiny little world views, rather than what I have actually said, in the context of an entire blog post, or a series of posts. […]

[…] Nandritra izay volana vitsivitsy izay dia namoaka lahatsoratra maro misy mitsikera ary misy mandoka an'i Rosia aho. Nanoratra aho satria matetika no manana ny marina i Rosia, na dia matetika loatra koa aza izy no diso.Ary dia matetika aho no mahazo rediredy avy amin'olona. Amin'izay heveriny fa nolazaiko amin'ny alalan'ny fomba fijeriny tsy mahita lavitra fa tsy izay tena nolazaiko, eo amin'ny nosoratako tamin'ny bolongana iray manontolo, na teo amin'ny andian-dahatsoratro. […]

Hita ho manana olana mitovy amin'ny an'i Siberian Light i Gray Falcon, mpamaham-bolongana mifantoka amin'i Balkans manokana:

It has been almost ten years since I started publishing commentary on-line, and it never ceases to amaze me that people seem to possess a remarkable capacity of completely missing the point of entire articles to zero in on one particular sentence or phrase and make a huge deal of it.

[…]

Look, I'm routinely attacked by Albanians because I'm a Serb (it doesn't matter what I say, really – unless I endorse the KLA somehow; then I'm a poster child for what needs to be done). I get grief from Greeks, because I dare say “Macedonia” instead of FYROM or what have you (look, Alexander was a barbarian, OK? Just because he embraced the culture of Hellas and spread it around the known world doesn't make him any more Greek than my Orthodox faith makes me one).

Serbia. […]

Efa ho folo taona izay aho no namoaka ny hevitro an-tserasera, ary dia variana hatrany aho mahita ireo olona manana fahazoan-dresaka mifanohitra tanteraka izay lazain'ny lahatsoratra iray manontolo fa dia mahita hotsikeraina kosa amina fehezanteny na fomba fiteny maningana ka manao ireny ho tantara be.[…]

Koa amin'izany dia tsikerain'ny Albaney hatrany aho noho ny mahaSerba ahy (na inona na inona lazaiko, afa-tsy hoe manohana ny UCK angaha aho; fa amin'izay fotoana izay aho dia ilay deraina mihitsy). Mila kisa amiko ny Grika satria mahasahy miteny hoe “Makedonia” aho fa tsy hoe FYROM na ny tahatahaka izany (jereo kosa e, angaha moa tsy Barbara i Aleksandhra? Tsy hoe nandray ny kolontsaina grika izy ka nampiely izany tamin'izao tontolo izao fantany no hahatonga azy ho grika mihoatra noho ny finoana orthodoksa ananako.)

Ary dia ataon'ny Masedoniana ho mila vaniny aho raha nanasongadina fa i Makedonia ankehitriny dia zarantany nafahan'ny fanjakan'i Serbia avy amin'ny ampira Ottoman.

Belgraded indray nanoratra momba ilay vondrona Facebook nanindrahindra ny fandripahan'olona tamin'ny taona 1995 tany Srebrenica (efa nakatona io vondrona io; efa nosoratan'i Sinisa Boljanovic teto amin'ny GV ary efa nadika ho teny malagasy ihany koa):

[…] What struck me as interesting is that the vast majority of members were not even born when the Yugoslavia breakup wars started and were still in pre-school when it all ended. So where do they get their ‘knowledge’ and information about the past from? Who makes the biggest influence on how they see the past – their parents, media, their friends, the whole society?

[…]

There are no similar hate groups in English, presumably because the facebook admins can react swiftly if they can understand what some group is all about without waiting for numerous people to hit the ‘report’ button and translate ‘Ubij [insert nationality here]’ for them. I know also some would like to blame facebook and other social media for making hate speech so available, but remember – it’s not guns that kill people.

I guess that facebook is still not considered to be so influential or important by mainstream media, at least not in the Balkans. All this despite the fact that both Serbia and Croatia have around 170.ooo members on facebook each, a respectable number which is only going to grow in the future, with Bosnia lagging behind with about 50.000 members. Despite the fact that it’s mostly teenagers. Despite the fact that members post things under their full names with their photos attached – without having any fear or feeling no responsibility that the things they are posting could be dangerous and are wrong. […]

Ny tena mahavariana ahy amin'ity tantara ity dia mbola tsy teraka akory ny ankamaroan'ireo mpikambana raha nipoaka ny ady nampizarazara an'Yogoslavia ary mbola tany amin'ny garabola izy ireo dia efa tapitra tanteraka izany ady izany. Koa avy aiza ary no nahazoany ireny ‘fahalalana’ sy ny angom-baovao avy amin'ny fahiny ireny? Iza no tena nitaridalana azy ireo hanana ireny fomba fijery ny taloha ireny – ny ray aman-dreniny ve? ny mpampahalala vaovao? ny namany? sa ny fiaraha-monina manontolo?

[…]

Tsy misy vondrona mpankahala tahaka iny amin'ny teny anglisy, satria afaka manaisotra avy hatrany ny mpandrindra raha vao azony avy hatrany ny zavatra ventesiny fa tsy miandry sotrokely avy amin'olona maro manindry ny bokotra ‘report’ (alazao) ary handika azy ny ‘ubij [ampidiro eto ny zom-pirenenao] ho azy ireo. Fantatro fa misy ireo manakiana ny Facebook sy ny fampitam-baovaom-piaraha-monina hafa noho ny fielezan'ny fankahalana amin'izy ireny, saingy tsarovy – tsy ny basy no mamono ny olona.

Maminavina aho fa mbola heverina ho tsy tena manana tsindry na hery fanintonana eo anatrehan'ny fampahalalam-baovao lehibe ny facebook, farafaharatsiny any Balkan aloha. Izany rehetra izany na dia samy manana mpikambana facebook manodidina ny 170 000 tsirairay avy aza i Serbia sy i Kroasia, isa efa manana ny hajany izay mbola hitombo rahampitso, ary manaraka ao aoriana ao ihany koa i Bosnia manana mpikambana 50 000. Na dia lazaina aza fa mbola tanora kely avokoa ny ankamaroan'izy ireo. Na dia miseho aza ny anarany manontolo misy ny sariny dia mamoaka zavatra tsy manantahotra ao anatin'ny andraikiny nefa mety ho mampidi-doza na diso ny lahatsoratra avoakany. […]

Amin'ny lahatsoratra hafa i Belgraded no miarahaba ny fivoahana voalohan'ny gazetiboky an-tseraseran'i Serbia:

White City magazine is “Belgrade’s first English-language domestic urban magazine. It is written entirely in English, entirely by local Serbian writers for a Serbian readership.” Check it out – it looks good, the articles are very well written, hopefully it will survive in this tough competition.

White City Magazine no gazetiboky voalohany miteny anglisy eto Belgrade. Voasoratra manontolo amin'ny teny anglisy, Serba avy eto an-toerana avokoa no manoratra azy ary ho an'ny mpamaky Serba ihany koa. Vakio anie, tsara jerena izy aloha, voasoratra tsara ny lahatsoratra, enga anie ho lava velona izy ao anatin'izao fifaninanana izao.

Scraps of Moscow no manao tamberina ny mpikambana vaovao ao amin'ny “Tontolon'i Moldova”:

Moldovaphiles should check out this new website, Moldovarious, which has been set up by a couple of Austrians. Curiously, the guys behind another interesting project related to Moldova (well, related to the PMR) profiled here are also Austrian.

[…]

And, via barabanch, I learned of another newly launched project, this one initiated by Moldovans and called ThinkMoldova (also available in English) […].

One of the people involved in the project is Barabanov's wife and fellow New Times journalist Natalia Morari. […]

Tokony hijery ity vohikala vaovao natsangana mpivady aotrishiana,Moldovarious, ity ny tia an'i Moldova. Mahavariana fa Aotrishina ihany koa raha jerena ny olona manana tetikasa hafa mifandraika amin'i Moldova.

[…]

Fa avy amin'i barabanch no nahenoako fa efa misy tetikasa vaovao, ity kosa aloha mba Moldoviana ary antsoina hoe ThinkMoldova (eritrereto i Moldova: amin'ny teny anglisy)
Iray amin'ireo ao anatin'ity tetikasa vaovao ity ny vadin'i Barabanov sady naman'ny mpanao gazetin'ny New Times Natalia Morari


Hungarian Spectrum indray no miresaka ny bolongan'ny Praiminisitra Hongroà Ferenc Gyurcsány:

[…] Quite a few Hungarian politicians decided at one time or another to write a blog but after a few days, or at most after a few weeks, they gave up the ghost. Ferenc Gyurcsány is an exception. He began writing a blog about two and a half years ago, just before the 2006 elections. […] Even in the midst of a grueling campaign the Hungarian prime minister wrote his blog practically every weekday. Moreover, he didn't stop after the election that he managed to win practically single-handedly. […] I think one reason that he didn't stop is that the readers of the blog were so enthusiastic and so supportive that he felt it his duty not to disappoint the team that supported him with words and deeds. Eventually Gyurcsány and his readers organized personal meetings where people revealed their pseudonyms, where they met each other as well as the prime minister. The fact is that he is a good blog writer. His notes are interesting. Very often he reveals government plans that the readers of the blog are the first to know. By now the members of the media visit the blog every morning to see what's going on in Gyurcsány's head. […]

Indray maka nisy mpanao politika Hongroà vitsivitsy nanapa-kevitra hamaham-bolongana tsindraindray, saingy herinandro vitsivitsy taty aoriana dia mangina tanteraka izy ireny. Ferenc Gyurcsány irery no niavaka tamin'izy ireo. Nanomboka namaham-bolongana izy roa taona sy tapany lasa izay, nialoha indrindra ny fifidianana tamin'ny 2006. Na dia tao anatin'ny fampielezan-kevitra mafana vay aza dia nanoratra saiky isan'andro ihany tao amin'ny bolongany ny praiminisitra. Fanampin'izany dia mbola tsy nitsahatra izy rehefa vita ny fifidianana izay niezahany handreseny avy amin'ny ezaka manokana nataony. Mieritreritra aho fa ny antony nahatonga azy tsy nitsahatra dia noho ny fahazotoana sy ny firaisankinan'ny mpamaky azy ka tsy te-handiso fanantenana azy ireo izy na amin'ny teny na amin'ny asa. Azo heverina fa efa nanomana fihaonana i Gyurcsány sy ny mpamaky azy ary tany no nilazan'izy ireo solon'anarany, nifankahitan'izy ireo sy ny praiminisitra ihany koa. Ny marina dia mahay manoratra izy amin'ny bolongana. Mahaliana izay nosoratany. Matetika ao no amoahany ny teti-panorona atolony ny governemanta ka ny mpamaky ny bolongany no izarany izany voalohany. Amin'izay footana izao dia mitsidika ny bolongany ny mpanao gazety isaky ny maraina hahafantarany izay ao an-dohan'i Gyurcsány. […]

Meglena Kuneva – mpanao politika Bolgara, ao amin'ny vaomieran'ny fiarovana ny Eoropeana mpanjifa, sady mpamaham-bolongana – no manoratra ity hiresaka ny “zavamisin'ny e-varotra miampita sisintany ho an'ny mpanjifa any Eoropa”:

Some of you have complained through this blog that you cannot buy over the internet from certain stores located in other EU countries. I share your frustration. The Internet has the potential to bring the single European market to a whole new level, and to provide consumers with the chance to buy the very best that is on offer within the EU in terms of choice, price and quality.

But the fact is that although a third of EU citizens already shop on the internet, only 7% shop online from other Member States than their own. […]

Efa nitaraina teto amin'ny bolongana ny sasany taminareo fa fa tsy afa-mividy amin'ny alalan'ny aterineto amin'ireo fivarotana miorina any amin'ny firenena hafa mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana. Ny aterineto no ahafahana mitondra ny tsena tokana eoropeana hiditra dingana vaovao, ary manome fahafahana ny mpanjifa hividy ny tsara indrindra ao anatin'ny vondrona eoropeana eo amin'ny safidy, ny vidiny ary ny kalitaony.

Ny zavamisy anefa dia na dia efa mividy ny entany amin'ny alalan'ny aterineto aza ny ampahatelon'ny mpizaka ny zo eoropeana dia ny 7%ny ihany no mividy entana any amin'ny firenena hafa tsy azy. […]

Cyrus Farivar indray moa miresaka ny fandrosoan'ny fomba fifidinana any Estonia:

The Estonian parliament […] has just approved a bill to let Estonian citizens vote via their mobile phone. This makes the country the first country in the world to do so, and comes about 20 months after Estonia held its first nation-wide election where the electorate could cast their ballots online.

[…]

Update (Dec 17.): I spoke with Silver Meikar, an Estonian MP, who told me that this actually isn’t quite mobile phone voting. In fact, this is using Estonia’s digital ID card infrastructure to use your phone as an ID tool instead of your ID card and reader. You still need a computer and an Internet connection to vote online, but you now can just have your phone instead of your ID card. So, not as sexy. […]

Vao avy nandany ny lalàna hahafahan'ny Estoniana mifidy amin'ny alalan'ny finday ny antenimiera Estoniana. Io no mametraka ity firenena ity ho voalohany manerantany mampihatra izany fomba fifidianana izany, ary izany dia 20 volana taty aoriana nanaovan'ny Estonia fifidianana manerana ny firenena ka nahafahana nifidy tamin'ny alalan'ny aterineto.

[…]

Vaovao farany (17 des): niresaka tamin'ny depiote Estoniana iray, Atoa Silver Meikar aho, ary nolazainy ahy fa tsy tena hoe mifidy amin'ny alalan'ny finday io. Ny marina dia ny kara-panondro niomerika Estoniana no ampiasaina mba hahatonga ny findainao ho famantarana anao fa tsy ny kara-panondronao (na ny fahazoandalana manamory fiarakodia kosa angamba ny eto fa tsy hoe lecteur). Tsy dia tena manaitaitra izany.
Window on Eurasia no milaza izay heverina ho dia mianotra (miverindalana) ataon'i Rosia:

[…]

And even though the nature of the world wide web is such that Russian government efforts in this area are unlikely to be fully effective, such moves against what many consider to be the last free media space in Russia represent a further act of intimidation by Vladimir Putin and his associates against the embattled members of civil society in that country. […]

Eny fa na dia tsy ho voasokeran'ny fitondrana Rosiana tanteraka aza ny votoatin'ny tranonkalam-pifandraisana manerantany dia karazany famotehana ihany koa ny tahala sisa manana fahalalahana farany any Rosia izao ary fandrahodrahonana ataon'i Vladimir Putin sy ny tariny ireo fiaraha-monim-pirenena atao fahirano any amin'io firenena io. […]

Any Letonia ihany koa, dia tahaka ny miezaka ny hiara-dalana amin'ny tontolon'ny serasera ny fitondrana. Free Speech Emergency in Latvia no nanoratra tamin'ny herinandro teo fa:

According to unconfirmed reports, the Latvian Security Police have detained Valdis Rošāns, a self-proclaimed neo-Nazi who has been writing his views extensively on the internet (in Latvian) using the nickname FENIKSS.

[…]

By harassing a young neo-Nazi crackpot, the Security Police may be trying to restore their image after their detention of economist Dmitrijs Smirnovs and questioning of musician Valters Frīdenbergs. This caused an international uproar.

I don't think too many people will rally around Valdis Rošāns, but his case should be put on the record. […]

Araka ny tatitra tsy voamarina dia nisambotra ilay nilaza ny tenany ho neo-Nazi i Valdis Rošans, manoratra ny eritreriny amin'ny aterineto amin'ny solon'anarana FENIKSS ny mpitandro ny filaminana Letonina.
[…]
Angamba te-hanonitra ny tsy mety nataony tamin'ny fisamborana ny mpahay toe-karena Dmitrijs Smirnovs sy ny famotorana ny mpahay mozika Fridenbergs ny mpitandro ny filaminana raha nisambotra ilay zalahy kidaladala ity. Niteraka ngonongonona iraisam-pirenena manko ny natao azy mirahalahy iretsy.

Mino aho fa tsy ho betsaka ny hanodidina an'i Valdis Rošans ity saingy mila marihina ihany ny momba azy.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, Aleks Tapinsh ao amin'ny All About Latvia no nanoratra teto amin'ny GV ny momba an'i Dmitrijs Smirnovs sy ny zoron'ny krizy ara-toe-karena eo amin'ny fahafahana miteny eny Letonia. Ao amin'ny bolongany, no namoahany ny sarin'ny t-shirt iray mampiseho hafatra maneso ny mpitandro ny filaminana Letonina:

Notice to the security police: I admit that yesterday I withdrew money from my bank. Please don’t arrest me. I did it to buy milk and bread, and not to destabilize Latvia’s financial system.

Lazao amin'ny mpitandro ny filaminana: manaiky aho fa naka vola tany amin'ny banky omaly. Aza samborina re izaho aza fady. Naka vola aho hividianako ronono sy mofo, fa tsy hanozongozona ny rafitra ara-bolan'i Letonia.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.