Madagasikara: Televiziona noterena hijanona

VIVA, iray amin'ny televiziona eto Madagasikara, no nahazo didy avy amin'ny Minisitry ny fifandraisandavitra hitsahatra:

“Suite à la diffusion par la chaîne de télévision Viva d’un enregistrement contenant des propos de l’ancien chef de l’Etat Didier Ratsiraka réfugié en France dans son journal du samedi 13 janvier 2008 vers 20 heures, lesquels propos étant susceptibles de troubler l’ordre et la sécurité publics, la chaîne de télévision Viva est interdite de diffusion.”

“Ho tohin'ny nandefasan'ny televiziona VIVA ny fandraisam-peo sy sarin'ny filoha teo aloha mialokaloka any Frantsa nandritra ny vaovaony tamin'ny 13 janoary 2008 tokony ho tamin'ny valo ora teo ho eo, izay ahenoana ny teniny izay mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana, dia voarara tsy mahazo mandeha intsony ny televiziona.”

Telopolo taona mahery i Andry Rajoelina Ben'ny tanànan'Antananarivo, tompon'ny VIVA, sy tompona orinasa hafa manam-pahombiazana, tahaka ny Injet, orinasam-pifandraisana, sy ny Domapub, orinasan-dokambarotra iray misongadina tantanin'ny vadiny, Mialy Razakandisa, avy amin'ny fianakaviana malaza.

Rajoelina, fantatra eto an-toerana amin'ny hoe Andry TGV, dia voafidy ho Ben'ny tanànan'Antananarivo tamin'ny ampahambato 63% nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2007, ka resiny tamin'izany ny olon'ny Filoha Ravalomanana, Hery Rafalimanana. Andry TGV, izay mahavariana mitovitovy lalana nodiavina amin'i filoha – tsy nandia fianarana ambony, saingy manana toe-tsaina mahay mandraharaha tokoa ka nahomby teo amin'ny sehatra nisy azy, (nefa) sarotra ny fifandraisany amin'ny governemanta, ary nirotsaka ho mpitondra – dia tsy nifanara-kevitra tamin'ny Filoha sy ny governemanta hatramin'ny nandreseny.

Nihahenjana ary izany fifandraisana teo amin'ny filoha sy ny ben'ny tanàna izany, tamin'ny herinandro, raha nandefa ny revirevy sy ny rediredin-Ratsiraka Didier, filohan'i Madagasikara teo aloha, ny VIVA orinasan'ny Ben'ny tanàna, rehefa avy naseho nandritra ny fotoana maharitra ny sarin-dRatsiraka ofisialy tamin'ny naha-filoha azy, Io fihetsika iray io dia notsikerain'ny sasany. Tafala teo amin'ny fitondrana Ratsiraka tamin'ny 2002, nandritra ny fifidianana iray izay samy nilazan'ny roa tonta, izy sy Ravalomanana, izay Ben'ny tanàna tamin'izany fotoana izany, ho samy nandresy. Voatery nialokaloka tany Frantsa Ratsiraka taorian'ny firotsahana an-dalambe nandritra ny andro maromaro, ny fanaovana barazy nataon'ny olom-pirenena, ary ny fanohanan'ny firenena Tandrefana, ankoatra ny filohan'i Frantsa, Jacques Chirac. Ahitana ny fitsikerana mivaivay an-dRavalomanana io lahatsary io ary azo jerena amin'ny teny malagasy ao amin'ny dailymotion.com.

Mialisenfout moa nieritreritra fa mamazivazy ny governemanta ary nasongadinyny tenin'ny minisitra, Bruno Andriantavison, indray mandeha hoe:

“Les libertés d’opinion et d’expression n’ont jamais été interdites du moment qu’elles respectent les règles du jeu”

“Tsy voarara mihitsy ny fahalalaham-panehoan-kevitra sy fitenenana rehefa manaja ny fomba filalao (fitsipika)”

Hoy i Tomavana naneho hevitra :

“Sky FM [Toamasina], Feon’i Toamasina [Toamasina], Karajia [émission quotidienne de la Radio Don Bosco, Antananarivo] … maintenant VIVA TV … à qui le tour ?”

“Sky FM [Toamasina], Feon'i Toamasina [Toamasina], Karajia [fandaharana isan'andron'ny Radio Don Bosco, Antananarivo]… ary ankehitriny dia VIVA TV… iza koa ny manaraka?”

Amin'izay hanihany izay ihany, Jentilisa nanao lohateny hoe:

”Ary raha… Viva TV dia avy eo Injet sy domaPub ?”

Ary dia tanisainy amin'izay izay mety ho ataon'ny TGV hanetsiketsehana ny vahoakan'ny renivohitra, Antananarivo, mieritreritra raha hiambina azy ireo, tahaka ny efa niambenany ny tranon-dRavalomanana amin'izay mety ho fanafihana ataon'ny mpikarama an'adin-dRatsiraka tamin'ny 2002.

“Entanin'ingahy amin'izay ny vahoakan'Antananarivo hiambina ny takelaby fanaovana ny dokambarotr'ingahy betsaka sady mbola mahabetsaka ireny ihany. Tena mahavita izany mihitsy ny mponina'Antananarivo tahaka ny niambenana ny teny Faravohitra ka! aza manahy mihitsy ingahy. Ary aza matahotra fa tsy maintsy ho lasa filoham-pirenena ingahy ka! Fa aleo aloha izaho hitondra ka! Mbola tsy ampy taona hitondra ingahy tsinona!”

Nafana ihany koa ny resaka momba an-dRatsiraka ao amin'ny serasera.org, fanaovan-dinika an-tserasera , na dia tahaka ny tsy misy aza ny malahelo ny fitondran-dRatsiraka :

“Ny alika no miverina @'ny efa naloany sy ny forongony… Zahay koa efa LEOn'ny nilaha-bary teny @'ny fokontany sy ny Magasin M, ny nilahatra ankisisika bus FIBATA manginy fotsiny, ny kitapo zara raha mahita kitapo tsihy hovidiana, ny cahier kitra kotsan'ny orana… Zany rehetra izany tamin'ny andron-dRatsiraka (1980-1989). Mora manadino ny gasy a!!!!… Amin'izao fotoana mba mahita beurre TIKO hovidiana ihany…”

Ny mahatsikaiky anefa, dia nandritra io herinandro io ihany koa no nanomanan'ny governemanta ny fihaonam-ben'ny antoko politika malagasy rehetra, ka anisan'izany ihany koa ny mpanohitra. Ny fandaharam-potoana tamin'io andron'ny 17 Desambra io dia ny hisian'ny fifanakalozana malalaka eo amin'ny samy mpilalao politika, ka hivoaka avy ao ny tolo-dalàna hanovana ny fitsipika mifehy ny antoko politika. Araka ny vohikalan'ny Filoha, ny tanjon'ny fanovana dia ny hanamafisana ny antoko politika ka ahafahany mandray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Efa nanome torolalana  ny amin'ny hanavaozana sy hanambarana ny antoko politika, izay mahatratra an-jatony amin'izao fotoana izao, ny governemanta. Tsara ny manamarika fa mpanohitra (teo aloha?) roa no namolavola ity tatitra ity: Serge Radert sy Serge Zafimahova, izay samy minisitra nandritra ny fitondran-i Zafy Albert. Ankehitriny moa dia mpanohitra hatramin'ny tsinay maintiny an-dravalomanana i Zafy Albert. Nandritra ity fihaonana ity dia nisy vola tokotokony ho 400 arivo arivo ariary (US$ 218 773.53) nozaraina tamin'ny antoko 50 nanatrika ity fotoana ity. Tokony ho 30 eo ho eo moa ny antoko politika nandà tsy hanatrika.

Namoaka fanambarana an-gazety moa ry Serge Radert sy ry Serge Zafimahova taty aoriana namoahany ny antony nanetsika azy hanao ny volavola sy fampitandremana. Heverina fa tsy ankasitrahany ny fomba nampiasana ny volavolany tamin'ny 17 Desambra ary nasehony fa misintaka amin'izay vokatry ny fihaonana ry zareo. Navoitran'ny fanambarana an-gazety ary fa:

“nous avons évoqué notre attachement à la liberté d’expression et au libre débat et nous avons évoqué, en particulier, notre ferme condamnation à toute forme de censure et à toute fermeture de médias audiovisuels et de presse écrite, en particulier au niveau de l’actualité, nous avons jugé inopportun la fermeture de la télévision VIVA.”

“Efa nanambara ny fifikiranay amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahafahana miady hevitra izahay, ary efa niteny indrindra indrindra ny fanoheranay ny karazana endrika sivana rehetra sy fanakatonana fampahalalam-baovao, indrindra moa raha miresaka zavamisy izy, ary heverinay fa tsy fotoana hanakatonana ny televiziona VIVA mihitsy izao.”

Efa eo amin'ny faratampony ankehitriny ny fifanenjanana, Andry TGV ohatra niteny fa misy didy fampisamborana azy “fa namory olona mpanao politika tsy nahazoana alalana tetsy @ La Rotonde ingahy ben'ny tanana”. Nandà izany ankitsirano ny governemanta ary mieritreritra i Zombia raha ninia nanaparitaka izany tsaho izany i Andry TGV.

“Hosamborina i TGV eh
Ohatry ny feo nampatsiahy ahy ilay hoe :”Voapoizina i Hasina eh” na ilay hoe “hosamborina i Zafy eh”
Resaka hanentanam-po ny olona fotsiny, fa ny ol vao mijery hoe iza avy no mpanohitra dia aleo indray miverina mody manidy trano. Fa miandry fotoana ny zavatra rehetra
Iza no mahita raha sarinady anakonana ny fanomezana ny tany 1.000.000 ha ho an'ny Daewoo, sy ny 250.000 ha ho an'ny Indianina fotsiny io”

Mbola mitohy ny fampihenjana-tady. Nandritra ny resadresaka nandeha tamin'ny fampielazam-peo telo raha vitsy indrindra, no namoahan'i Andry TGV fe-potoana farany ho an'ny governemanta, izay mifarana amin'ny 13 Janoary, mba hiarovana ny “fahalalaham-pitenenana sy ny demokrasia”. Fa hoy ny filazan-kevitry Jentilisa :

“paika entina hampakarana ny maripana izany zandry mba hivononan'ny olona hitokona amin'ny voalohan'ny taona a! jereo ange fa saiky nifanitsy tamin'ilay nosoratako tamin'ny lahatsoratro halina hoe ho avy amin'ny fiambenana indray izany ny mponin'Antananarivo eee!”

Raha tahaka an'i News2Dago sy Jentilisa avokoa moa ny rehetra [ fa tsy voatery ho izany kosa aloha e! hoy ny mpandika ho teny malagasy] dia tsy ampy ireo paika ireo hampidinana ny mponin'Antananarivo ho eny an-dalambe:

“Izaho kosa hitazan-davitra ihany fa tsy misy hidirako ny @ izay satria tsy misy hanome ahy ariary na ny andaniny na ny ankilany ny ahy any am-paosiko aza no manaraka @ fandoavaka 6% @ impôt synthetique ho an'Ingahy ben'ny tanana ary ny hetra TVA homena an'i ra8 hozaraina @ ireo mpisolelaka mpanao pôlitika omena 400 tapitrisa ariary be izao (vola be hono no nozaraina teny Mavoloha teny t@ 17 izany adalan'ireo izay tsy te hankeny).”

Mialy Andriamananjara

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.