George Bush sy Iràka: Ilay Toraka Kiraro

Iraqi+Hero+Muntazer+al+Zeidi+.jpg
Muntazer al-Zeidi, “olomangan'ny vahoaka Irakiana” nataon'i Carlos Latuff

Muntazer al-Zeidi, “Maherifon'ny vahoaka irakiana” hoy Carlos Latuff

Ho fotoana iray manandanja amin'ny tantara izy ity? Ho avy ve ny andro na ny taona hitantaranao fa izaho, Montather Al-Zeidi, mpanao gazety Irakiana, dia hitantara amin'ny zafikeliko fa efa notorahiko ny kiraroko ny filohan'i Etazonia? Ho ahy moa dia nandeha nampatory ny zanako aho ny nikiry niantso ahy ny raiko fa tokony hamelona ny fahitalavitra avy hatrany aho.

Saiky sahalahala amin'izany avokoa ny soratra voalohany nataon'ny mpamaham-bolongana Irakiana indray, rehefa natoritory am-bolana vitsivitsy izay, mba hilazany ny heviny fotsiny. Lasa lavitra aza i Abbas Hawazin maminany sahady ho tafiditra ao anatin'ny kolontsaina io ka tsara ny mitady kiraro sahaza mba hampidirana azy anaty kitapo, “Ka raha tàny ity avy izay anambarako ny fahatezerako imasom-bahoaka dia tokony ho tahaka iny no atao.”

Resaka an'arabe

Last of Iraqis namoaka ny isan-kerinandrony hizara ny heviny amin'ity tantara ity. “Eo amin'ny fomban-drazana Irakiana na Arabo amin'ny ankapobeny; iny ny ompa henjana indrindra azon'ny olona atao…iny ny fanimbazimbana faratampony tsy vitan'ny teny”, hoy izy nanoratra. Ary dia zarainy ny fijeriny amin'ny arabe irakiana:

Today I went to work as usual and all the people I saw were very very happy, it was like a national celebration…A female patient came to me for a filling and as we were waiting for the Anesthesia to take effect she said “do you know doc. That yesterday was an Eid to me; I haven't celebrated Eid for the past 3 years because the Americans “accidentally” killed my husband and son and Bush is the reason why they are here so yesterday some of my revenge has been taken” …all the staff said the same thing “A statue should be built for Muntathar” in fact many of them have used the photo of Muntathar as a background for their mobiles but the really beautiful thing that made me even happier was that no one referred to his sect or anything…they were all proud of him…So what will happen now? Will he be considered a terrorist? Will throwing a president with a shoe be a terrorist act?
I think there will be two scenarios of what will happen…either he will continue his life in jail for countless charges and die there or he will be released within few weeks and after some time he will be dead and of course they will say for natural causes or he might die in an accident.

Nankany am-piasana araka ny mahazatra aho androany ary hitako falifaly aok'izany ny olona, tahaka ny misy fetim-pirenena izany…Nisy vehivavy iray izany hotsaboina ka teo am-piandrasana ny herin'ny anestezia no nilazany hoe “mba fantatrao moa dokotera fa omaly ny Eid ho ahy ; tsy nankalaza ny Eid aho telo taona mipaka izao fa nahafaty “tsinahy” ny vadiko sy ny zanako lahy ny Amerikana ary i Bush no nahatonga azy ireo eto ary omaly dia saiky vita avokoa ny valifatiko rehetra” …niteny avokoa ny ekipa rehetra fa “tokony hisy tsangambato atsangana ho an'i Muntathar” ary dia maro amin'izy ireo ihany koa no manao ny sarin'i Muntathar ho sary lafika amin'ny findainy fa ny tena zavatra mahafinaritra dia ny hafaliana ao amin'izy ireo raha mpiara-mivavaka aminy ilay olona na zavatra tahatahaka izany… Tena manao azy ho rehareha avokoa ny rehetra…Fa inona izao no hitranga? Heverina ho mpampihorohoro ve izy? Moa ve ny fitorahana kiraro ny filoha dia asa fampihorohoroana?
Heveriko fa roa ny tranga mety hisy…na hanohy ny fiainany any amponja izy noho ny heloka maro dia maro ary ho faty any na afahana izy afaka andro vitsivitsy ka any andro dia ho faty izy ka holazainy fa maty tsotra fotsiny izy na loza no nahafaty azy.

Hammorabi goes some way to explain the anger behind the man who preferred a shoe to a well-worded question:

This journalist have seen the US troops killing women and children since 1991, children died from the use of Depleted Uranium … because the USA has prevented importing such treatment under the 12 years sanction since 1991 Gulf war. He has seen the USA many times since 1991, destroying the Iraqi infrastructures, hospitals, mosques, houses, schools, universities, historical sites, factories, and so on. After the invasion in 2003 he has seen the American and their allies’ troops humiliating, assaulting and torturing the Iraq civilians in Abo-Ghreeb prison and in Basrah city by British troops. It is in front of his eyes and every Iraqi eyes the US soldiers and the American security companies such as Black Water killing the Iraqis, humiliating them, and behaving with arrogance and superiority … Iraq became the country of death, killing, lack of services, diseases such as cholera, corruption especially in oil, and division. Many and many other consequences since 1991 US wars in Iraq. All these in mind no wonder why the Iraqi journalist hit GWB with his shoes. GWB was wrong to say this is so the journalist wants to bring attention. It is not but it is the response after all these years of misery by the USA in Iraq.We feel that the journalist could have asked GWB some questions however that might pass unnoticed and he chose the way that he likes to express his anger against the US wars in this country.

Efa nahita ny tafika Amerikana namono zaza amam-behivavy io mpanao gazety io hatramin'ny 1991, zaza matin'ny fakona oranioma … satria nitondra izany fomba fanao izany ny Amerikana nandritra ny 12 taona namaizana hatramin'ny adin'ny Helidrano tamin'ny 1991. Efa imbetsaka ny nahitany ny Amerikana nandrava ny fotodrafitr'asa, hopitaly, moske, trano, sekoly anjerimanontolo, toerana manantantara, ozinina irakiana sy izay tsy voatanisa. Taorian'ny fananiham-bohitra tamin'ny 2003 no nahitany ny tafika Amerikana sy ny mpiara-dia aminy manimbazimba, midaroka sy mampijaly ny sivily irakiana tao am-ponjan'i Abo-Greeb sy izay nataon'ny Anglisy tany an-tanànan'i Bashorah. Eo imasony sy imason'ny irakiana rehetra no ieboeboan'ny tafika Amerikana sy ny mpiasan'ny fiambenana tahaka ny Black Water (rano mainty) mianjonanjona, manao toeran-tsy zaka mamono ny Irakiana sy manao izay hahamenatra azy. Lasa firenen'ny fahafatesana Iràka, famonoana olona, tsy fikarakarana, aretina tahaka ny cholera, kolikoly indrindra fa eo amin'ny sehatry ny solika, ary fizarazarana. Maro dia maro ny fiantraikan'ny ady nataon'ny Amerikana teto Iràka hatramin'ny 1991. Raha izany rehetra izany no ao an-tsaina tsy isalasalana raha nitoraka kiraro an'i GWB ilay manao gazety Irakiana. Diso hevitra i GWB raha miteny fa ny mba hijerena azy no nahatonga iny mpanao gazety iny nanao iny fihetsika iny. Tsy izany fa iny no setrin'ny fampahoriana rehetra nataon'ny Amerikana an'Iràka. Tsapantsika fa mety ho nanontany zavatra maro an'i GWB ilay mpanao gazety nefa mety ho tsy voamarika izany ary dia nofidiany iny fihetsika iny hanehoany ny fahatezerany ny adin'ny Amerikana ataony eto amin'ity firenena ity.

Khalid Jarrar nifoha tamin'ny torimasony nandritra ny enimbolana hilaza ny fihetsem-pony ao amin'ny takelany ao amin'ny Facebook. Hoy izy:

Believe it or not, a lot of people think that this guy, Montathar, regardless of the beating he probably is still having, deserves a statue in the middle of Baghdad. I am willing to fund it myself 😀

Izay tianareo na hino ianareo na tsia, maro no mihevitra fa, ankoatra izay daroka mbola mety hahazo azy amin'izao fotoana izao, dia mendrika ny hananganana tsangambato eo afovoan-tanànan'i Baghdad i Montathar. Mazoto ny hanampy an'izany aho 😀

Olona iray izay tsy mieritreritra ny tahaka izany i Nibras Kazimi izay mijoro samirery amin'ireo mamaham-bolongana Irakiana miaro an'i George Bush:

Personally, I got angry. Very angry.I will make a public promise: should I ever run into a certain reporter called Muntather al-Zaidi, presently of Al-Baghdadia TV, I will seriously consider beating the crap out of him… See, I will forever remain indebted to President George W. Bush. He is my hero. He liberated Iraq, and that's how I will always see it. Had there been no President Bush, then Saddam would still be Saddam.

The usual suspects are ecstatic over what happened, especially the US-based media and Iraq-watchers. I would like to beat them all up too, but I think that would be a tad bit excessive. The best revenge is to make them watch Iraq's democracy strengthen and prosper.

Izaho manokana dia tezitra aho. Tena tezitra. Manao voady eo anatrehan'ny rehetra aho: Andeha hihazakazaka (hijery) izany Muntather al-Zaidi, miasa ao amin'ny Al-Baghdadia TV amin'izao fotoana izao ve aho, heveriko fa nanao fahadalana tanteraka izy… jereo, tsy afa-trosa mandrakizay amin'ny filoha George W. Bush aho. Izy no maherifoko. Izy no nanafaka an'Iràka, ary izany no ijereko azy amin'izao. Fa raha tsy nisyizany filoha Bush izany, dia mbola ho Saddam ihany no Saddam.
Nitsamboamboatra nahita izany nitranga ny ahiahiana lalandava, indrindra fa ny fampahalalam-baovao Amerikana sy ny mpijery Irakiana. Izaho koa mba te-hidaroka azy rehetra, saingy heveriko fa ho tafahoatra izany. Ny valifaty tsara indrindra dia ny manamafy sy ny mampiroborobo ny demaokrasia.

Miady ny sain'iBaghdad Treasure eo anoloan'ny fahamendrehan'ny asa sy ny mahairakiana:

As a journalist myself, I found what the reporter did was extremely wrong. Journalists have their voices and pens (and now the internet) to express whatever they want to protest against. However, I was kind of relieved. As an Iraqi citizen, I believe Bush deserved this ending that the entire world will remember and cherish. I mean what wrong the man had done was huge. His failure to prepare for an invasion aftermath caused Iraqis and Americans hundreds of thousands of souls, not to mention the destruction of an entire country, the millions who have migrated and the creation of terrorism in Iraq. Well, you know the rest. There is no need to go into details here…Anyways, now Bush has one last thing to have the world remember him with. If I were him… Nah, I’ll keep this to myself.

Amin'ny maha-mpanao gazety ahy, dia hitako fa tena tsy mety mihitsy ny nataon'ity mpaka vaovao ity. Manana ny feony sy ny peniny (ary ny aterineto ankehitriny) ny mpanao gazety ahafahany maneho izay zavatra toheriny. Nefa nitraka koa aho. Amin'ny mahairakiana ahy dia heveriko fa mendrika ny fiafarana tahaka iny i Bush mba hotsarovan'izao tontolo izao sy hifalifaliany. ny tiako lazaina dia lehibe loatra ny fahadisoana nataony. Nitarika fahafatesana Irakiana sy Amerikana an-jato arivony ny tsy fahombiazany teo amin'ny fikarakarana ny aorian'ny ady, raha tsy lazaina ny fanapotehana ny firenena manontolo, ny fifindramonin'olona an'arivo arivony sy ny nahaterahan'ny fampihorohoroana teto Iràka. Dia fantatrao ihany koa ny ambiny. Tsy ilaina intsony ny milaza ny antsipiriany eto… Fa izany eo ihany, Mba misy zavatra farany ahatsiarovana an'i Bush faraparany izany izao tontolo izao e. Fa raha izaho izy… Nah, Aleo hotazoniko ho ahy ihany ny hevitro.

Afaho i Montather

Maro amin'ny mpamaham-bolongana no mitodika amin'ny mpanao gazety ka mitaky ny anafahana azy. Nanomboka ny fanangonan-tsonia amin'ny aterineto i Raed Jarrar . Hoy ny sorany:

Some of my contacts in Baghdad assured me that the Iraqi Journalist who threw the shoes at bush today was heavily beaten (you can actually hear him scream in pain in this released video)After beating him, the Iraqi authorities arrested Mr. Al-Zeidi.

Maro amin'ny olom-pantatro any Baghdad no nilaza tamiko fa tena voadaroka mafy tokoa ilay mpanao gazety irakiana nitoraka kiraro an'i Bush (ary azonao henoina amin'ity lahatsary ity ny kiakany). Fa tao aorian'ny fidarohana azy dia nisambotra an'Atoa Al-Zeidi ny mpitondra Irakiana.

Nanampy koa i Layla Anwar :

Feno alahelo sy ahiahy tokoa izahay mamerina ny voalazan'ny Fateeha, satria fantatray fa efa nanasonia ny fahafatesany i Muntather Al-Zaidi. Efa izay ny aminy.Niteny aza i Mama fa hampijaliana,amin'ny ankapobeny dia amin'ny alalan'ny kiraro aloha, mialoha ny fanajedahana azy…

Na izany aza dia miantso ny manam-panahy rehetra aho, indrindra ny Mpanao gazety tsy voafetran'ny sisintany, ny sendikà na ny vondrona mpanao gazety ay amin'izao tontolo izao, Mba hihetsiketsika hanafaka an'i Muntather mialoha ny hamonoana azy.

Ary Farany

Ladybird mitatitra fa tsy azo ialana fa tsy maintsy misy ny lalao an-tsolosaina (ahoana no itorahana kiraro an'i Bush) teraka avy tamin'iny toe-javatra iny. Nandrohy tamina gazety nôrveziana moa izy ho “Fampianarana” ny mpilalao amin'ny fikajiana ny zoro sy ny hery hanaovana azy (anatin'ny lalao).

Salam Adil

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.