Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de Janerio

Raha mbola mitodika any amin'ny tondradrano any Santa Catarina ny fifantohan'ny ankamaroan'ny mponina any Brezila, dia nisy voina nanimba tontolo iainana hafa koa mianjady amin'ny firenena, ity kosa dia eto amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Ny 18 Novambra, dia nisy fanafodina pesta endosulfan izay mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga, ivarinan'ny reniranon'i Paraíba do Sul, ka nahafaty trondro anarivony – mihoatra ny 80 taonina – tany Resende sy ny tanàna manodidina. Niteraka fahatapahan'ny fanomezan-drano ny tanna fito tamin'iny faritra iny izany. Ny tena zavadoza moa dia nitranga indrindra ity voina ity amin'ny fotoana hitomboan'isan'ny biby ahiana ho lany taranaka. Cintia Sibucs [pt] no miteny fa ankoatra ny trondro dia nahita lambondrano maty ihany koa izy, ary hatramin'ny vorona aza :

Pela quantidade de peixes e animais mortos, pode-se dizer que será necessário uns dez anos ou mais para que toda essa vida volte ao que era antes. O produto químico Endosulfan, usado na fabricação de inseticidas, é usado pela empresa que fica em Resende. O acidente gerou ainda mais transtornos pois o serviço de água e esgoto suspendeu a captação de água por uns dias, deixando a população em alerta.
Agora, depois de tanta tristeza de ver milhares de peixes e capivaras mortas, o que resta é recolher o que restou. Desde sábado (22/11) as prefeituras de Volta Redonda e Barra Mansa estão num trabalho ininterrupto de recolhimento dos peixes, que já estava causando forte mau cheiro.

Eo ampahitana ny hamaroan'ny biby sy ny trondro maty, dia afa-milaza izahay fa folo taona na mihoatra no ilaina vao mety ho tafaverina ho toy ny teo aloha indray ny fiainana very teo. Endosulfan, fangaro hanamboarana famonoana bibikely, no ampiasain'ity orinasa ity any Resende. Mbola niteraka zava-mampalahelo hafa ihany koa ity loza ity satria nitsahatra tsy nanome rano [avy amin'ny renirano] ny mponina nandritra ny andro vitsivitsy ny sampandraharahan'ny rano sy ny fantsona fanariana rano maloto, ka nahatonga ny mponina hiahiahy.
Ankehitriny, taorian'ny alahelo mahita ny hamaroan'ny trondro sy ny lambondrano maty Now, dia tsy afa-manao na inona na inona afa-tsy manadio sisa. Hatramin'ny Sabotsy (22/11) dia tsy mitsahatry ny manadio manala fatin-trondro, izay efa manomboka mamofona aok'izany ny fivondronan'i Volta Redonda sy Barra Mansa.

Lambondrano maty, nopihan'ny mpampianatra injenieran'ny tontolo iainana Ricardo Terra, avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais

Hitan'ny birao mpanaramaso ny tontolo iainana ny poizina raraka taorian'ny fanadihadiana nataony, rehefa notairin'ny fahafatesana trondro maro dia maro tamin'ny reniranon'i Pirapetinga sy Paraiba do Sul ry zareo. Nilaza ny sampan'ny Servatis ao Resende, orinasa miandraikitra ny fanatsarana ny fambolena, fa raraka ny 1 5 00 litatra endosulfan ary nolazainy fa vokatry ny tsy fitandreman'ny mpiasa teo amin'ny fampifanohizana ny  siniben'ny fiarabe [pt] no anton'ny fandrarahana. Tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ambadiky ny fahafatesana, tsy misy atahorana”, no ihantsian'i Vitor Menezes [pt] izay nolazain'ny orinasa tamin'io andron'ny 19 Novambra nisian'ny loza io, izay nilaza avy hatrany ampitson'io fa efa voafehy nytoe-draharaha:

A empresa Servatis, responsável pelo vazamento do pesticida endosulfan no rio Paraíba do Sul, afirmou aqui em seu site que, de acordo com a sua gerência de meio ambiente, a concentração do produto no rio havia caído a zero e não havia “mais risco à fauna”. Os peixes do post abaixo não devem ter recebido o recado.

Nilaza tamin'ny vohikalany hita eto [pt] ny orinasa tompon'andraikitra tamin'ny fandrarahana fanafody pesta endosulfan tao amin'ny reniranon'i Paraiba do Sul, Servatis,  fa araka ny lazain'ny ekipany misahana ny tontolo iainana, dia manakaiky ny zero ny taharon'ny fangaro niraraka tany an-drenirano ka noho izany dia “tsy misy atahorana ho an'ny biby” iny. Tsy nahazo izany hafatra izany kosa aloha ireto trondro hita amin'ny sary eto ambany ireto.

Trondro maty, nopihan'ny mpampianatra injenieran'ny tontolo iainana Ricardo Terra, avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais

Araka ny hita taty aoriana moa dia betsaka noho ny 1 500 litatra nolazain'i Servatis no niraraka. Niraraka ny fangaro nandritra ny famindrana azy tamina fiarabe mahazaka 30 000 litatra, fa 12 000 litatra mifangaro amin'ny ranon'orana ihany no voangon'ny fandraofan'ny orinasa ho anaty sinibe. Nanaiky moa ny Servatis taty aoriana fa 8 000 litatra raa kely indrindra ny fanafody niraraka – izay mifanohitra tamin'izay nolazainy tamin'ny herinandro. Mamariparitra ny fiantraikan'ny fandrarahana poizina amin'ny fokonolona an-toerana ny mpahay lalàna sady mpiaro ny tontolo iainana Luiz Felipe Muniz de Souza [pt] :

Várias comunidades pesqueiras afetadas estão impedidas de trabalhar e nem sabem ao certo quando poderão retornar, pois a ação do inseticida, mesmo tão distante do ponto em que foi despejado pelos criminosos, e mesmo estando tão diluído – devido ao volume do próprio Rio Paraíba do Sul e devido ao volume d’água das intensas chuvas regionais –, continua provocando mortandade de peixes em toda a foz do Paraíba do Sul, e nas praias do município de São João da Barra e de São Francisco do Itabapoana. Os criminosos ambientais, que inicialmente se omitiram e mentiram sobre a quantidade do produto arremessado no rio, depois admitiram que foi uma quantidade 10 vezes maior do que a declarada, diante de tantos peixes mortos!

Efa nosakanana tsy hiasa ny fokonolona mpanjono ary tsy mahafantatra loatra hoe rahoviana indray vao handray ny asany, fa noho ny asan'ny fanafody famonoana bibikely, eny fa na dia amin'ny toerana lavitra nandrarahan'ny tsy matahotody poizina ka mamparihitra ny rano – noho ny hadirin'ny renirano Paraiba do Sul river sy ny fihavin'ny ranonorana betsaka – dia mbola miteraka fahafatesana tsondro maro mitsitra manamorona ny renirano sy manaraka ny torapasiky ny fivondronan'i Sao Joao da Barra sy Sao Francisco do Itabapoana. Nanaiky ireto olo-meloky ny tontolo iainana ireto, izay tsy nanao na inona na inona hanao famnjena sady nandainga tamin'ny voalohany ny amin'ny hadirin'ny fangaro niraraka tany an-drenirano, fa impolo avo heny noho ny nolazainy teo anoloan'ny trondro maty ny habetsany!

Sary avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais

Voasazy handoa onitra R$ 33 000 000 (tokony ho US$ 13.3 arivo arivo) ny  Servatis, izay nampakaran'ny orinasa any amin'ny fitsarana ambony [pt], sy sazy fampiatoana 20 andro. Niverina nisokatra indray izy  androany 9 Desambra, teo amin'ny sampan-draharaha rehetra ankoatra ny famokarana endosulfan . [pt] maneho ny heviny:

Mais uma vez o poder público zomba de nós! Sem que nada tenha sido feito para minimizar os danos ao Rio Paraíba a empresa “Servatis volta a operar nesta terça-feira” (…) Em menos de um mês, desde o acidente ambiental, a auditoria realizada por empresa privada solicitada pela SEA foi rapidamente concluída, e sem que houvesse tempo hábil para a realização de uma segunda auditoria ou para que se analisasse a fundo o conteúdo do documento – medidas que poderiam dar mais garantias sobre os processos e ajustes da empresa para a segurança da população – a Servatis abre!

Mbola miarapetsa amintsika indray ny mpitondra eto an-toerana! Tsy nanao na inona na inona hamerana ny fahasimban'ny renirano Paraiba “hamintina ny asany amin'ny talata izao ny Servatis” (…) iray volana latsaka taorian'ny loza, dia novitaina haingana ny fanadihadiana nataon'ny orinasa iray  niantohan'ny vaomieram-panjakana misahana ny tontolo iainana ary tsy ampy ny fotoana hanaovana fanadihadiana faharoa na handinika lalina ny votoatin'ny tahirin-kevitra – fepetra manome toky antsika izay fanaon'ny  orinasa sy ny fanitsiana ny fiarovana ny mponina ataony  – ary dia nisokatra indray i Servatis!

Sokatra maty, avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais

Mahatsapa ny bolongana A TroLhA [pt] fa misy mizana tsindrian'ila ny fampiharana ny lalàna iarovana ny tontolo iainana any Brezila:

O aparato de fiscalização ambiental quando se trata da persecução das medidas de controle e defeso de espécies (alías, necessárias), tem se mostrado eficiente em coibir as infrações cometidas por pescadores e populações que dependem dessa atividade, e que geralmente, ocupam os andares mais baixos da nossa pirâmide social… Por outro lado, quando se trata de estender essa eficiência aos empresários e industriais, que exploram atividades econômicas que trazem sérios riscos ao ecossistema no qual estão inseridos, nossos órgãos ambientais são de uma leniência e ineficácia vergonhosa… Direito a propriedade e a livre iniciativa não podem se sobrepor ao direito a vida…Bom, pelo menos não deveriam…

Nampiseho ny fahombiazany amin'ny fanenjehana sy ny fanarahamaso amin'ny fandrarana ny fanjonoana (izay tena ilaina tokoa) ny sampan-draharahan'ny fiarovana ny tontolo iainana rehefa ny saranga ambany indrindra amin'ny fiaraha-monina toy ny mpanjono madinika sy ireo manan-draharaha mifampiankina aminy no mifanatrika aminy… Amin'ny lafiny iray indray, dia hita ho malalatanana, tsy mahomby fa menamaso tsy mahavita na inona na inona izy rehefa ny mpandraharaha, tompon'orinasa, izay manao asa mampidi-doza amin'ny tontolo manodidina azy, no ivantanan'ny resaka… Tsy mety raha manosihosy ny zo hiaina ny zo hanagana orinasa sy zo hanana, hihary… farafaharatsiny, tsy tokony…

Rui Camejo [pt] mampahatsiahy antsika fa tsy vao sambany ny Servatis fa tsy sambany no nanapotehany ny tontolo iaianana tahaka izao. Araka ny nolazain'ny mpamaham-bolongana dia efa tompon'andrakitra tamin'ny firarahan'ny famonoana bibikely Dimetutato ihany koa io telo taona lasa izay. Nanome ny akon'izany ao amin'ity lahatsoratra ity ny namana mpamaham-boloongana :

E essa denúncia não deve se limitar a essa fronteira, à foz desse afluente: deve ser estendida a toda a bacia hidrográfica desse que é, seguramente, um dos mais importantes rios do Brasil, dada a sua relevância nos aspectos sociais e econômicos de toda a região que ela tão generosamente abraça.

Tsy tokony hijanona amin'io sisintany io ihany ny fitarainana, mankany amin'ny sisin'ny ivarinany: tokony itarina mankany amin'ny lemaka iray manontolo izay tsy isalasalana fa renirano lehibe sy sarobidy indrindra eto Brezila, efa hita ny halehiben'ny ilàna azy ho an'ny faritra iray manontolo izay trotroiny ampitiavana eo amin'ny lafiny toe-karena sy fiaraha-monina.

Sary avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais

Reniranon'i Paraiba do Sul, avy amin'ny fihaonan'ny renirano Paraibuna sy Paraitinga rivers, dia manomboka any Serra da Bocaina, any amin'ny fanjakan'i São Paulo ary mikoriana 1.12 km mankany amin'ny sisin'i Atafona, any avaratry ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Mivelatra aminn'y fanjakana telo ny lemaky ny renirano Paraiba do Sul river – São Paulo, Minas Gerais ary Rio de Janeiro – ary heverina ho iray amin'ny lemaka telo avy amin'ny renirano any Brezila, ary mandrakotra velarantany sahabo ho 57,000km².

Voarara any amin'ny firenena maro manerantany, ampiasaina hanaraha-maso (ifehezana ny fitomboan'isa) ireo karazana bibikely maro, vitsika ny endosulfan. Voarara any Eoropa ny fampiasana azy ary miezaka mampahafantatra ny olona hanery ny mpitondra ao amin'ny fireneny tsirairay avy ny Environmental Justice Foundation (fikambanana rariny ho an'ny tontolo iainana) handrara ny fampiasana ity endosulfan ity sy ny lisitry ny akora shimika voasoratra ao amin'ny fifanarahan'i Stockholm.

Sary avy amin'ny Bolongan'i Roberto Morais

Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.