Sary avy amin'ny yaarinews.com
Nikarakara fihaonam-panoherana ny fitondrana iraniana sy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny alahady teo ny fikambanana mpianatra iray ho fahatsiarovana ny Andron'ny Mpianatra, nitsingerenan'ny namonoana ny telo tamin'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'iTeheran tamin'ny 6 Desambra 1953.
Daftare Tahkim Vahdat (midika hoe Biraon'ny Fanamafisana ny Fampiraisana), fikambanana mpianatra iray matanjaka, no nikarakara ity fihetiketsehana ity hanoherana ny sivana, ny fanavakavahana ny vehivavy ary ny faneriterena atao amin'ny mpianatra. Miventy ny tarigetra sahala amin'ny hoe “Adabohy miaraka amin'ny sivana” ry zareo ary nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana. Misy rakitsary azonao jerena eto.
Eto kosa ny lahatsarin'ny fihetsiketsehana:
Niteny i Salam Demokrat fa nikabary tao amin'ny Anjerimanontolo ny mpianatra nogadraina sy tsy navela hianatra. Nampian'ny mpamaham-bolongana fa:
در ادامه سخنرانی ها دانشجوی منع تحصیل و زندانی آزاد شده، مهدیه گلرو، از دانشگاه علامه
در مورد جنبش زنان و خاطرات زندان خود سخن گفت و مورد تشویق و پشتیبانی فراوانی از دانشجویان قرار گرفت. بعد از خانم گلرو، دانشجویان کرد، بیانیه ی خود را خواندند. و دانشجویان سوسیالیست دانشگاه های ایران و دانشجویان سوسیالیست پلی تکنیک بیانیه های خود را توزیع کردند
Nampian'ny mpamaham-bolongana moa fa tanelanelan'ny 3000 ka hatramin'ny 4000 ny isan'ny mpianatra nilahatra.
Azonao jerena eto ny sary hafa.