Nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika

Andro vitsivitsy lasa izay dia nitagy ny mpamaham-bolongana namany i Théophile Kouamouo [Fr], mpamaham-bolongana mipetraka any Abidjan (Côte d'Ivoire), hilazalaza ny eritreriny tsirairay avy amin'ny antony hamahanam-bolongana momba an'i Afrika:

Bloguons nous pour la diaspora et le vaste monde, coupé de nos contemporains sur le continent ? Blogue-t-on sur l'Afrique comme on blogue sur l'Europe ou l'Asie ? La blogosphère afro-orientée a-t-elle quelque chose de spécifique à offrir au concert de l'universel version 2.0 ?

Hamaham-bolongana ho an'ny mieli-patrana sy ny tontolo midadasika, tafasaraka amin'ny mpiara-belona amintsika any amin'ny kaontinanta? Hamaham-bolongana ho an'i Afrika tahaka izay hamahanam-bolongana ho an'i Eoropa na i Azia? Moa ve ny tontolom-bolongana mitodika amin'i Afrika manan-javatra manokana atolotra ny fiaraha-mientan'izao tontolo izao endrika 2.0?

Taorian'ny nitagiany mpamaham-bolongana Afrikana vitsivitsy dia natolotry Téophile ihany ny valinteiny tamin'ny fanontaniany:

Je blogue sur l'Afrique avec joie parce que je crois que c'est de nos voix individuelles et mêlées que naîtra la renaissance africaine qui arrivera aussi sûrement que le rêve de Martin Luther King est devenu réalité quarante années plus tard. Je lis les blogs afro-orientés avec bonheur parce qu'ils me donnent une image moins monolithique et moins catastrophiste du continent et de ses habitants.

Mamaham-bolongana ho an'i Afrika amim-pifaliana aho satria inoako fa avy amin'ny feo maningatsingana sy mifangaro avy amintsika no iavian'ny tsirim-panantenana afrikana vaovao indray izay ho avy mihitsy tahaka ny nofin'i Martin Luther King izay tanteraka 40 taona taty aoriana. Mamaky amim-pahasambarana ny bolongana mitodika any Afrika aho satria ireny no manome ahy sary tsy mankaleo sy tsy manana fijery ratsy loatra ny kaontinanta syny mponina ao aminy.

Indreto ary misy nofantenana avy amin'ireo mpamaham-bolongana miteny frantsay nandray anjara tamin'ity tagy ity.

Hilaire Kouakou [Fr], avy any Côte d'Ivoire koa:

… parce que l'Afrique ne peut se soustraire du monde. Ensuite bloguer sur l'Afrique, est la preuve que ce continent a une vie, existe, a des voies.

… satria tsy afaka esorina tsy ho anisan'izao tontolo izao i Afrika. Ary porofon'ny fisian'ny aina, ny fisiany, ny lalantsainy koa ny mamaham-bolongana ho an'i Afrika.

Claudus [Fr]:

Je voudrais pour nos petites sœurs, nos petits frères et nos enfants une Afrique respectée dans le monde car devenue digne et sure d’elle.

Mitady Afrika hajaina eto amin'izao tontolo izao satria mendrika sy matoky tena ho an'ny anabavy sy rahalahintsika madinika ary ny zanatsika aho.

Ramata Sore avy any Burkina Faso, no miresaka tao amin'ny l'Atelier des Médias [Fr] tao amin'ny Radio France Internationale:

Parce que l'Afrique, fait partie du monde,
Parce que ce chaleureux Continent fait toujours l'actualite
c'est le Continent aussi dechire par le cri de ses Enfants

[…]
Parce que c'est un Continent qui existe tout simple
Et parce que c'est Nous l'Afrique.

Satria anisan'izao tontolo izao i Afrika,
Satria voalaza amin'ny vaovao mandrakariva ity kaontinanta mafana ity
ary satria kaontinanta rovitry ny tomanin'ny Zanany izy
[…]
Satria misy fotsiny ity kaontinanta ity
Ary satria isika no Afrika

Africa 2.0 [Fr]:

* Essayer de gommer la mauvaise image qui colle à ce continent à mon niveau
* Rencontrer d’autres personnes ayant le même idéal
* Informer les autres peuples sur les réalités africaines
* Faire bouger les choses
* Participer au débat planétaire
* Faire entendre la voix de l’Afrique
* Discuter de nos problèmes et essayer d’y apporter des solutions

* Fiezahako hikosoka ny sary ratsy miraikitra amin'ny kaontinanta
* Fihaonana amin'ny olona mitovy fijery amiko
* Hilaza amin'ny hafa ny zavamisy afrikana
* hampihetsika ny raharaha
* Handray anjara amin'ny dinika manerantany
* Mampandre ny feon'i Afrika
* Hiresaka ny olana misy sy mitondra ny vahaolana

Maintikely [Fr] avy eto Madagasikara no manangona ny lisitr'ireo fijery mahazatra an'i Afrika mialoha ny hitondrany ny fijery hafa izay ananany:

…l'Afrique n'est pas seulement la couleur noire, elle n'est pas seulement synonyme de SIDA, ni de guerre civile à tout bout de champ. Elle n'est ni la malnutrition, ni la pauvreté ni la misère, ni la mortalité infantile. Elle n'est pas la corruption, les pirates, le braconnage, la lutte pour le pouvoir, les dettes, les safaris, les pyramides, ni les paysages exotiques, ni le Sahara, ni Mugabe et compagnie, ni les lions et les éléphants etc…

L'Afrique c'est aussi le berceau de l'humanité, le berceau de toute civilisation, le sourire de sa population, son sens de l'accueil et de l'hospitalité, l'amitié, sa population, son diaspora, l'espoir d'un jour meilleur, le soukouss, la diversité de ses habitants, la diversité du paysage, l'esprit de famille et les valeurs familiales, le maghreb, l'accent qui caractérise tant un africain mais qui vous rend nostalgique loin de votre pays, kouakou, les couleurs vives , sa culture diversifiée etc…

…Afrika tsy hoe ny loko mainty ihany, tsy hoe SIDA no mitovy dika aminy, na ady an-trano isaky ny mivily. Tsy tsi-fahampiankanina na fahantrana na fahoriana na fahafantesan-jaza. Tsy kolikoly, na piraty, fihazana (tsy ara-dalàna?), na ady fahefana, na trosa, na safaris, na pyramida, na tontolo fanalan'andro, na Sahara, na Mugabe sy ny tariny, na liona sy elefanta, sns…Afrika koa ilay nihavian'ny olombelona rehetra, ilay akanin'ny sivilizasiona rehetra, ilay tsikin'ny mponina ao aminy, ilay fampiantranoany vahiny sy fahaizany mandray vahiny, ilay firahalahiana, ny mponiny, ny mieli-patrana avy aminy, ilay fanantenana amin'ny andro tsara kokoa, ilay dihy soukous, ilay fahasamihafan'ny mponina ao aminy , ilay fahasamihafan'ny endri-taniny, ilay firaisan-kinan'ny fianakaviana sy ilay soatoavin'ny fianakaviana hajainy, i Maghreb, ilay firoky mampiavaka loatra ny Afrikana iray izay mahatonga anao ho manina ny tanindrazanao, kouakou, ny loko marevaka, ny kolontsany samihafa…

Ary dia resahiny farany moa ny nahatonga azy hamaham-bolongana ho an'i Afrika:

[…] parce que je suis africaine, et fière de l'être. Une africaine qui connaît mal l'Afrique mais qui l'aime et qui souhaite qu'on jette un regard nouveau sur ce continent, un regard qui transcende les clichés qui lui sont associés, un regard au delà de l'opinion touristique, et des maux de l'Afrique pour voir aussi l'autre côté de la médaille.

[…] satria Afrikana aho, ary mirehereha amin'izany. Vehivavy Afrikana tsy dia mahalala loatra an'i Afrika saingy tia azy ary maniry indrindra mba ho fijery vaovao no ijerena ny kaontinanta, fijery izay mamaky ny endrika mahazatra ijerena azy, fijery mihoatra ny hevitry ny mpizahatany, tsy mijanona amin'ny maharary an'i Afrika fa hijery koa ny lafiny iray amin'ny meday.

(saritanin'i Afrika notagen'ny mpandray anjaran'ny Barcamp Africa tamin'ny volana Septambra, saripikan'i Maneno Flickr photostream)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.