Desambra, 2008

Tantara tamin'ny Desambra, 2008

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

  31 Desambra 2008

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...

Isiraely: “hamelabela-kevitra” @ Twitter ny Masoivohony any Etazonia

  30 Desambra 2008

Notaterin'ny orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay sy Gaza indrindra ny Twitter. Efa miditra amin'ny...

Barbados: Mpanao gazety voasambotra

  30 Desambra 2008

Misaritaka ny tontolon'ny fitorahana blaogy Barbadiana tao aorian'ny fisamborana mpanao gazety malaza anankiroa – fihetsika izay nadikan'ny mpitoraka blaogy ho fanelingelenana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Ilay blaogy fanta-daza sy be mpanaraka Barbados Free Press dia milaza fa io fisamborana io dia valifaty tamin'ny “fitaterana momba ny manam-pahefana iray izay voampanga...

Ghana : miandry izay ho filohany

  30 Desambra 2008

Tato anatin'ny 2 taona farany no nahitana ny fifidianana tsy nanjary indrindra taty amin'ny ilany atsimon'ny faritra Sahara aty Afrika. Ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera tany Kenya tamin'ny herintaona dia nahitana tsy fahombiazana ary niteraka herisetra ara-pôlitika izay narahana fitakiana tsy hita isa.Ny fifidianana tany Zimbaboe ny volana martsa 2008...

Iran : Tamberin'ny taona 2008

  29 Desambra 2008

Tamin'ny volana Aprily 2008 no namoahan'ny Berkman Center for Internet and Society (ivotoeran'i Berkman misahana ny aterineto sy ny [orinasa na] fiaraha-monina) fanadihadiana mahaliana milaza fa manodidina eo amin'ny 60 000 eo ho eo ny isan'ny bolongana iraniana tsara fahana. Misy isan-karazany ny bolongana any Iran, ary tamin'ny taona 2008...

Palestina: Ny andro nahalatsahan-drà be indrindra hatramin'ny 1967

  29 Desambra 2008

Dia nanomboka toy ny andro “mahazatra” ihany ny tao Gaza. Fa tamin'ny folakandro, na izany aza, mazava be fa ny 27 Desambra dia ho tsarovana manokana ho ilay andro nahalatsahan-drà be indrindra tamin'ny fifandonan'i Palestina sy Israely hatramin'ny taona 1967. Na dia ny Hamas aza no tena lasibatra nokendren'ny tafika...

Fiji sy New Zealand miditra amina ‘famonoan-tena ara-diplaomatika’

  29 Desambra 2008

Mihenjana ny tady eo amin'ny fifandraisan'i Fiji sy New Zealand nanomboka ny Talata teo raha samy nandroaka ireo Lehiben'ny diploamaty niasa tany aminy avy ny roa tonta. Tanaty vàlan-dresaka ho an'ny mpanao gazety io Talata hariva io, nanambara ny fitondrana foibe ao Fiji fa tsy noho ny fandàvana tsy hanome...

Goatemalà: Tsy voahaja ny fifanaraham-pandriampahalemana 12 taona taty aoriana

  29 Desambra 2008

Voasonia ihany ny fifanarahana hampitsaharana ny ady nandritra ny 36 taona nifanandrinana teo amin'ny tafika goatemalteka sy ny vondrona mpioko samihafa tany Goatemalà ny 29 desambra 1996, taorian'ny adivarotra nandritra ny taona vitsy. Ity taona ity no manamarika ny 12 taonan'iny fifanarahana iny saingy tsy mety miverina ny fandriampahalemana, satria...

Noelin-dry zareo any Karaiba

  28 Desambra 2008

Noely ny andro – Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna… Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa...

Tonga any Jordana ilay mpihazakazaka hitety an'izao tontolo izao

  27 Desambra 2008

Mihazakazaka mamakivaky ny kaontinanta efatra hampiroborobo ny zavatra iraisan'ny kolontsaina rehetra ilay Danoà Jesper Olsen. Manoratra momba izany indrindra ny Ambasadaoro Danoà any Jordana HE.Thomas Lund-Sørensen : As I am writing these lines the Ultra Runner Jesper Olsen from World Run II is crossing the Ramtha border control (hopefully without...