Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity.

Ny lohahevitra raisin'ny andro iadiana amin'ny SIDA amin'ity taona ity dia mifantoka amin'ny “Mitarika – Mankahery – Manafaka,” izay mampivoitra ny paikam-pahaiza-mitarika ahafahana manohitra ny aretina. Na dia tsy nihetsika firy intsony aza ny isanjaton'ny olon-dehibe mitondra ny Tsimok'aretina VIH hatramin'ny taona 2000, dia mbola misy hatramin'ny 33 000 000 nomitondra izany amin'izao fotoana izao ary manakaiky ny 7 500 isan'andro no tratrany koa isan'andro. Niakatra tokoa ny tahan'ny fifindran'ny VIH any amin'ny firenena maro tahaka an'i Shina, Indonezia, Kenya, Mozambika, Rosia, ary Vietnam. Manana ny antontan'isany koa ny SIDA — 2 000 000 ny olona matin'io aretina io tamin'ny herintaona.

nanehoizany antontan'isa izany ny bolongana manerantany, mizara ny tantaran'ireo mitondra ny VIH/SIDA, sy ny fiantraikan'ny aretina amin'ny fiainany andavanandro, sy ny henatra azo amin'ny fitondrana ny aretina. Izany atontan'isa izany dia mampiseho amintsika ny zavatra efa tontosa tamin'ny fiadiana ity aretina ity sy ny habetsaky ny asa mbola miandry.

Ao amin'ny Poz For Life i Russell 20 taona no mamaham-bolongana avy any Aostralia amin'ny fitondrany ny tsimok'aretina VIH mba hampirisihany ny hafa hanao fizahana sao mitondra aretina azo avy amin'ny firaisana ka hanaovana ny firaisana voaaro. Tamin'ny lahatsorany voalohany no nahatsiarovany ny nizahana azy raha mitondra ny VIH izy sy ny fitaintainana tao aminy nandritra ny fiandrasana ny valiny. izao no nataony rehefa fantany fa nitondra ny tsimok'aretina VIH izy:

“I got there [the doctor's office] around 10:30am and went straight in, it was like they where waiting for me ready to take my soul and toss it out the 4th story. I went into his office and I sat down, then I hear ‘Russell am sorry to say but the test for HIV is positive.’ I froze for a few seconds and just looked amazed. What felt like a lifetime of silence was around 30 seconds. I said ‘I was thinking it might come back that way.’ I can't believe that I said that, really the first words out of my mouth was I thought it might come back that way.”

Tonga tao amin'ny tobim-pahasalamana aho tokony ho tamin'ny 10:30 maraina teo ho eo ary nivantana avy hatrany, tahaka ny hoe niandry ahy ry zareo vonona handray ny fanahiko ary hanipy azy any amin'ny tantara fahaefatra. Niditra tao amin'ny biraony aho ary nipetraka, reko avy eo ny hoe ” Russell malahelo aho milaza aminao fa miabo ny valin'ny fitsapana ny fisian'ny VIH”. Tsy nahahetsika nandritra ny segondra vitsivitsy aho ary naneho fahagagana. Naharitra 30 segondra izany fotoam-panginako noheveriko ho maharitra dia maharitra izany. Niteny aho hoe ” Noheveriko fa mety hiverina amin'izany izy io”. Tsy nampino ahy hoe izany no teniko, ny teny voalohany nivoaka ny molotro dia hoe noheveriko fa mety hiverina amin'izany izy io.

Ao amin'ny bolongan'ny fikambanam-pampandrosoana AZUR mitondra ny anarana hoe AIDS Rights Congo, izay tetikasan'ny Rising Voices iray, no miaro ny zon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH. Asehon'ny takelaka maro ao aminy ary ny fanavakavahana sy ny henatra atrehin'ireo mitondra ny tsimok'aretina any Congo. Misy lahatsoratra iray ao miresaka momba ny fiainan'i “Bernadette,” ramatoakely iray mpivarotra akanjo ao an-tsenan'i Tié-Tié any Pointe-Noire. Niova ny fiainany rehefa nolazain'ny namany (sipany?) tao an-tsena fa mitondra VIH i Bernadette.

“At the market, her neighbors immediately desert their tables; which even attract the attention of those responsible for managing the market, who, conscious of the fact that having a table at the market is a difficult thing, are surprised to find empty tables around her. The situation has put everyone on alert, and those passing from far away can hear the neighbor’s gossip on the fact that she is a woman infected with HIV. However there are no outward signs that Bernadette is sick, one cannot read it on her face. The illness is not at an advanced stage and she is not on ARV [Antiretroviral] treatment. She is simply a normal young woman.

In a setback, traumatized by the situation, she stops her little shop.”

Nandao ny latabany avy hatrany ny manodidina azy tao an-tsena; ary nanaitra ny tompon'andraikitry ny fandaminana ny tsena, izay mahalala tsara fa sarotra izany mahazo latabatra ao an-tsena izany nefa mahita iretolatabatra foana ireto manodidina azy. Nanaitra ny rehetra izany, ary na ny lavitra aza dia maheno ny fosafosan'ny manodidina fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy. Na izany aza tsy misy soritra ivelany mihitsy ahalalana fa marary i Bernadette, tsy hita eny amin'ny endriny izany. Mbola tsy lasa lavitra ny faharariana ary tsy mbola nandray fanafody ARV [Antiretroviral] akory izy. Ramatoakely tahaka ny hafa tsotra fotsiny izy.Fa rehefa nandinika izy, ary tena nahatohina azy ny toe-javatra dia naleony najanony ny varotra keliny.

Juan Carlos, 29 taona avy any Ekoatera,no mamaham-bolongana ny amin'ny atrehin'izay mitondra ny VIH. Ao amin'ny lahatsorany iray no iresahany any amin'ny mahazava-dehibe ny fandanjalanjana sy ny vokatsoa azo aminn'y firesahana aman'olona izay sedraina.

Hay mucha gente seropositiva que obvia la ayuda de los psicólogos a lo largo de sus vidas. Personalmente, si hay alguien que escuche o lea esto… yo creo que siempre es bueno conversar con un psicólogo cada cierto tiempo, hace que los días más sombríos se vuelvan más claros y nos ayuda a sobre llevar mejor nuestra vida con este virus y nuestros demás problemas.

“Maro amin'ny mitondra ny VIH no mitady fanampiana amin'ny mpahay toetsaina (psikôlôgy) mandritra ny fiainany. Izaho manokana aloha, raha misy ny mihaino na mamaky ity … dia heveriko fa tsara ny miresaka amin'ny psikôlôgy indraindray mba hampihiratra kokoa ny andro maizi-kitroka sy ahafahana mizaka ny fitondrana ny tsimok'aretina sy ny olana hafa mianjady.”

Pinoy Poz, izay mipetraka any Quezon any Philippines, no mamaham-bolongana ny amin'ny fitondrana ny VIH sy ny fahasarotan'ny ilazana fa mitondra izany izy. Nolazainy ary fa nitia olona nitovy fanahana aminy izy fony 21 taona, fa “niverina nidiot” sivy taona tay aoriana rehefa hitany fa mitondra ny tsimok'aretina izy. Ao amin’ ity lahatsoratra ity no ilazany fa tsy tsy ratsy araka izay atahorany tsy akory ny filazana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy, nefa mbola tena sarotra izany.

“Honestly, I’ve been too chicken to tell some of my other contacts myself. And when I say contacts, I mean… okay, sexual contacts. So I did the next best thing. I backtracked through my sexual contacts up to more than a year ago, and had a friend contact them anonymously, to advise them to get tested for HIV. The reactions varied from asking who the sender was, replying to the anonymous number that they’d just gotten tested, sending foul messages to their alleged stalker, or most commonly, assuming that they did get the message, not replying. But I felt that was as decent a warning as I could manage.”

Amin'ny fo madio no ilazako fa tena mifarirotra aho milaza amin'ny efa nifaneraserako hafa. Ary rehefa miteny aho hoe nifanerasera ny tiako lazaina dia hoe… fifaneraserana ara-pananahana. Dia nataoko ny zavatra tena tsara. Nilazako mangingina (SMS?) avokoa, nisy tamin'ny alalan'ny namana ary nisy nanafenana anarana, izay efa nifanerasera tamiko hatramin'ny nihoatra ny herintaona ananako fomba ifandraisana hanoro hevitra azy hanao fizahana VIH ao aminy tsirairay avy. Miova araka ny mpandefa ny valinteny, raha miafina ny laharana dia valiany fa efa nanao fizahana ry zareo, valiany amim-pahatezerana raha heveriny fa olona adala aminy no mandefa ny somisika (SMS), na amin'ny ankapobeny, heverina fa voarainy fotsiny ny hafatra satria tsy mamaly izy ireo. Izaho kosa mahatsapa ao anatiko ao fa izay no fomba mety hampitandremana azy ireo azoko natao.

Maro ny mitovitovy amin'ireo lahatsoratra maro ireo manerantany. Mampivoitra ny feon'ireo sahy miseho fa mitondra ny tsimok'aretina VIH sy ny feon'ireo mpikarakara, ary ireo olo-tsotra te-hampahafantatra ny VIH/SIDA ity Saritany Google anoritan'ny Global Voices ny toerana misy ireo mpamaham-bolongana mitondra ny tsimok'aretina VIH ity. koa tsidiho ary vakio ny tantaran'izy ireny. Azo atsofoka amin'ny vohikalanao moa ny saritany. koa na dia nifanandrify tamin'ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA aza ny sarintany, dia ho ankotrihina izany mandritra ny taona.

saripikan'ny  Riban SIDA mihantona amin'ny hazo avyamin'i ttfnrob.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.