Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu

Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ao amin'ny Baidu. Antsoina hoe tolotra fampilaharana takelaka (tena dika saiky ara-bakiteny io fa ny fahazoako azy aloha dia hoe voalisitra na voasanda ao amin'ny borsa izy) io sampan-draharaha io ary mahasahana mihoatra ny 80%n'ny fidirambolan'ny orinasa izany. Ilay fomban'ny orinasa (Baidu) eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ataony “manisika ny dokambarotra ho tahaka ny fikarohana tsotra tsy misy fanamarihana, no efa nitsikerana azy hatry ny ela ho manimba ny fiasan'ny mili-pikarohana” (moteur de recherche hoy isika frantsay fahalalana), hoy ny filazana fanampiny nataon'ny China Daily. Efa nolazaina ho nanivana ny vaovao mikasika ny ronono voapoizina ihany koa moa ny Baidu mba tsy hahitan'ny olona ireny vaovao ho takalon'ny vola naloan'ny orinasa voakasik'ity raharaha maizina iray hafa ity, hoy ny ChinaSmack.

Notaterin'ny CCTV ny sandan'ny Baidu. Very 37,5 isanjato ny sandan'ny Baidu taorian'ny nilazan'ny televizionam-panjakana fa nandoa vola tamin'ny Baidu ny orinasa sy ny hopitaly maro ka tafiditra ao koa ireo tsy ara-dalàna mba ho lohalaharana izy ireo (hita voalohany) rehefa mamaly ny mpitady vaovao amin'ny aterineto ny mili-pikarohana. Etsy ankilany kosa dia manana fomba fijery hafa amin'ity tati-baovaon'ny CCTV ity ny Beijing News :

有时候很难分别企业是不是合法,因为非法企业可能伪装得很好,蒙骗了央视或者百度。央视对百度的曝光,从某种意义上说就是两家企业竞争广告市场份额。在百 度未兴盛之前,央视等传统媒体的广告份额很大,网络的兴盛使得百度这样的企业也能从央视抢广告份额。所以笔者看来,央视曝光百度很容易理解,这至少有两个 方面的好处,一是作为媒体的功能所在;二是降低竞争对手的信誉以便争取市场份额。

Matetika dia sarotra ho an'ny CCTV na ny Baidu ny mahalala hoe iza moa no orinasa tsy ara-dalàna noho ny fahaizan'iretsy “miafina”. Amin'ny lafiny iray, maneho ny ambadiky ny fifaninanana handrombaka fifanaraham-barotra betsaka eo amin'ny roa tonta no tena antony itifiran'ny CCTV ny Baidu. Talohan'ny nivoaran'ny Baidu ho orinasa goavan'ny mili-pikarohana manko dia nifehy irery ny tontolon'ny dokambarotra ny haino aman-jery mahazatra tahaka ny CCTV fa nizarazara kosa izany rehefa niroborobo ny aterineto. Noho izany, mora takatra fa misy antony roa ny paikan'ny CCTV handrangaranga ny raharaha maizina mikasika ny Baidu: Voalohany, amin'ny maha-mpampita vaovao azy dia manana “adidy” ny CCTV hilaza ny vaovao. Faharoa, mba mampihena ny fitokisana ny mpifaninana aminy izy ka mety hahazo vahana kokoa eo amin'ny fifampizarana ny tsena.

Taorian'ny filazan'ny CCTV moa dia namoaka haingana ny setriny tamin'ny alalan'ny antso antsofindavitra niaraka tamin'ny mpanadihady ny Baidu halina ary nampanantena fa hametraka fomba vaovao hanavaka kokoa ny rohy nandoa vola amin'ny rohy tsotra amin'ny mili-pikarohana. Hoy ny fitateran'ny China Journal.

“We are doing this because we care. It is important to us. We want to be a responsible corporate citizen,” said Baidu chief executive Robin Li.

“Hanao izany izahay noho ny fitandremana (fiahiana). Zavadehibe aminay io. Te-ho vondronasan'olotsotra tompon'andraikitra izahay”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Baidu Atoa Robin Li.

Mangataka ny hisian'ny hitsivolana hanaramaso ny orinasa matanjaka tahaka ny Baidu moa ny mpamaham-bolongana mampiasa ny Tianya 阿杜在线 updu.com.cn

只有一只独大,才会导致垄断、才能取得话语权、定价权,才有恶意屏蔽的资本。但是一支独大的现象是不可避免的,因此就更加需要媒体的监督,也需要相关法律法规来制约

Ny fahefana manjaka tokana ihany no mitondra ho amin'ny ampihimamba izay manome alalana ny orinasa handidy dia homana amin'ny fitenenana sy ny vidin-javatra, ary manome alalana azy ihany koa hanifika izay tsy tiany. Fa tsy azo idifiana moa ny fisian'ireny fahefana matanjaka ireny ka tsara kokoa raha misy ny lalàna famerana sy didy fampiharana ahafaha-manaramaso ny haino amanjery.

Manana fanehoan-kevitra hafa i 常平changping

很多网站都是从纯商业起家,尽管它们从一开始就发挥着信息发布、观点讨论的功能,却没有传统媒体职业规则的负担,可以相对单纯地考虑商业运作.

Maro amin'ny tranonkala no niorina mba hibizina fotsiny. Na dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famoaham-baovao sy fikarakarana adihevitra aza izy ireo dia indraindray ihany no maka ny toeran'ny mpampita vaovao mahazatra fa ny tena ifotorany dia ny hampandroso ny varotra (raharaha ) ataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.