Madagasikara : Rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy

Ny namana Dotmg no nanolotra ny vaovao fa efa mihodina tanteraka ankehitriny ary amin'ny fomba maimaim-poana ilay rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy izay novoizina ary nampahalalainy nandritra ny Barcamp farany tany Antananarivo :

Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny malagasy. Rehefa avy tsindrianao ilay bokotra hoe Alefa dia asehony ireo teny mety ho diso tsipelina tao amin’ny lahatsoratra natsofokao. Tsy mbola afaka manome soson-kevitra momba ny tsipelina tokony ho nampiasaina io rindrankajy io […]

raha mety mahaliana anao dia azo alaina ny source nanamboarana azy. Azonao hatsaraina sy ovaina ary aparitaka ihany koa […]

Dia antenaina fa afaka hanampy antsika mpiangaly lahatsoratra amin’ny fiteny malagasy ity fitaovana iray ity.

Raha tsy diso aho dia ity no voalohany indrindra amin'izay Rindrankajy manatanteraka izany ary azo vangiana mivantana ao amin'ny vohikala dotmg.net/spell.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.