Novambra, 2008

Tantara tamin'ny Novambra, 2008

Karajia (Tchat) mivantana momba ny VIH/SIDA amin'ny 3 desambra

  30 Novambra 2008

Manomana karajia (Tchat) mivantana ho an'ny mpamaham-bolongana sy ny mpikatroka ny Rising Voices sy ny Global Voices amin'ny 3 Desambra 2008 ho avy izao (3 ota tolakandro ora ao Nairobi sy eto Madagasikara koa) ka ny lohahevitra amin'izany dia mikasika ny fomba ampiasana ny “media citoyen” na ny azon'ny olo-tsotra...

Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai

  28 Novambra 2008

Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.

Mumbai: May ny Taj Hotel

  28 Novambra 2008

Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra mandriaka, ny diantsaoka [fanaon'ny polisy amaritana ny paozin'ny olona niharandoza na tavela] ka hatramin'ny fahamaizan'ny Taj Hotel. Azonao jerena ato...

Senegaly: Mpanefoefo te-hamorona asa vaovao an'arivony

  26 Novambra 2008

Indro mijoro eo anilan'ny filoha Wade ao amin'ny lapam-panjakana ilay mpandraharaha Senegaly sady Filoha Tale Jeneralin'ny vondrom-barotra Bara Mboup (CCbm), Atoa Serigne Mboup, nilaza ny tsiri-keviny omaly hampiasa vola mahatratra 34 arivo arivo arivo Cfa (US$ 666 arivo arivo) hanomezana asa vaovao mahatratra 60 000 amin'ny fanafarana posy-bisikileta ampolo arivony...

Nikaragoà: Nivelatra noho ny fiaraha-miasa ny tontolom-bolongana

  25 Novambra 2008

Nihanivelatra tao ho ao ny tontolom-bolongana Nikaragoana ary isaorana noho izany ny mpamaham-bolongna samihafa sy ireo mpampiasa ny Twitter. Indro ny resadresaka fohifohy niarahana tamin'i Alvaro Berroteran ilay nisantatra tetikasa iray antsoina hoe Nicaragua y Su Blog izay nanandratra ny bolongana Nikaragoana. Niara-niasa tamin'ny hafa kosa aloha izy tamin'ny fananganana bolongana iraisan'olona maromaro sy nametraka vondrona Facebook vaovao.

Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu

  22 Novambra 2008

Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ao...

Madagasikara : Rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy

  06 Novambra 2008

Ny namana Dotmg no nanolotra ny vaovao fa efa mihodina tanteraka ankehitriny ary amin'ny fomba maimaim-poana ilay rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy izay novoizina ary nampahalalainy nandritra ny Barcamp farany tany Antananarivo : Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny...

Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana

  06 Novambra 2008

Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay. Ny namana...

Rosia: Nodimandry ilay Miozolmana Magomayev, Superstar Sovietika

  01 Novambra 2008

Manome voninahitra ilay Miozolmana Magomayev ny bolongan'ny fikambanana politikan'ny raharaham-bahiny Russia, “ilay sovietika tsy misy fangarony malaza sy mamirapiratra” izay “manana taleta sy nahavita zavatra maro: olona mendri-piderana tokoa nefa artista anisambahoakan'ny Firaisana Sovietika; Mpampianatra opera mahay ny tendrin'i Sinatra; taranaka fianakaviana artista sy mpitsoka mozika avy amin'ny sarangan'ireo tsy...