Bolongana Rosiana LJ (LiveJournal) ampolony maromaro - ary tafiditra amin'izany ireo efa malaza sy be mpanaraka - no nikatona tsy misy antony mazava halina, niteraka tabataba tamin'ny LJ izany. Ny mpampiasa LJ tarlith-history aza moa dia namoaka ny lisitr'ireo bolongana tratran'ny fiatoana ireo (RUS), ka miantso ity raharaha ity ho “Blogocaust Night (alina nentina namonoana bolongana).” ny mpampiasa LJ oleg-kozyrev kosa niantso azy ho (RUS) “blogocide (fandripaham-bolongana).” ny mampiasa ny LJ dolboeb indray nanoratra (RUS) fa nitranga izy ity noho ny fisovohana (piraty) nahazo ny fandrindrana ny LiveJournal. Tafaverina soa aman-tsara ihany moa ireo bolongana ireo ora vitsivitsy taty aoriana.
- Firenena:
- Russia
- Lohahevitra:
- Cyber-Activism, Internet & Telecoms, Software & Tools, Technology
- Teny:
- Russian
















Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahaf...
- eny tompoko, misaotra anareo nanome ny vaovao mikasika ny fiainam-pire...
Tohiny »